Netizen Report: Mitranga ny Sivana Ao India, Niverina ny Aterineto ao Kamerona

Sora-baventy tamin'ny Barcamp atrikasa ara-teknika taona 2010 tao Kashmir. Sary avy amin'i Ehsan Quddusi tao amin'ny Flickr (CC BY-SA 2.0)
Manome topimaso iraisam-pirenena momba ny fanamby, fandresena sy ny vaovao malaza momba ny zo aterineto manerantany ny Netizen Report an'ny Global Voices Advocacy.
Nanakana fampiharana media sosialy, tahaka ny Facebook, WhatsApp sy Twitter ny manampahefana ao Kashmir tantanin'ny Indiana.
Nilaza ny fanambarana avy amin'ny manampahefam-panjakana nivoaka tamin'ny Alarobia 26 Aprily sy voarain'ny Global Voices fa “nampiasain'ireo vondrona anti-nasionaly sy anti-sosialy tsy araka ny tokony ho izy ny tolotra media sosialy” ao amin'ny Lemaka mba hanakorontanana ny “filaminana sy ny fitoniana” ka mety ho voasakana mandritra ny 30 andro. Ny tranonkala hafa voarara dia ahitana ny QQ, Baidu, WeChat, Google Plus, Skype, Pinterest, Snapchat, YouTube ary Flickr.
Nilatsaka tao anatin'ny fitomboan'ny fitroarana tao Kashmir ny fanapahan-kevitra. Nihamafy ny fihetsiketsehan'ny mpianatra, teny an-dalambe sy tao amin'ny media sosialy tao anatin'izay andro vitsy izay, ho fanoherana ny paikady goavana napetraky ny Lalàna momba ny Fahefana Manokana Ho an'ny Tafika Mitam-piadiana ao India (AFSPA), izay manitatra mazava ny fahefan'ny miaramila ao amin'ny faritra sokajiana fa “mikorontana”.
Manoratra ao amin'ny EZine Dailyo.in, niahiahy i Angshukanta Chakraborty fa nokendrena tao Kashmir ny media sosialy satria nampiseho ny tantara mifanohitra amin'izay antenain'ny manampahefana Indiana aseho :
By presenting the other side to the Kashmir storyline, the locals once again were able to own for a while what constitutes the highly complex and conflicted Kashmir narrative, something that made the government extremely uncomfortable, and it was left without a moral high ground.
Amin'ny fanehoana ny lafiny hafa amin'ny tantara ao Kashmir, afaka naneho nandritra ny fotoana kely ny hasarotry ny tantara sy ny fifandirana tena sarotra ao Kashmir ny mponina ao an-toerana, izay nahatonga ny governemanta ho tsy tafatombin-toerana, ary tsy nisy tokotanin'ny maoraly ambony izany.
Namely mafy ny fihariana ihany koa ny fanakatonana, nahatonga ny sehatry ny teknolojiam-baovao manana mpiasa eo amin'ny 15.000 tsy afaka manao ny asany araka ny tokony ho izy, ary mahatonga ny e-varotra sy ny fihariana miankina amin'ny aterineto ho ao anaty toerana manjavozavo.
Mandritra izany, tao an-tanàna Indiana, Kendrapara, nakaton'ny manampahefam-paritany nandritra ny 48 ora ny fifandraisana aterineto mba hisorohana ny fivezivezen'ny lahatsary “manafintohina” izay nolazain'ireo nahita maso fa manevateva ny Mpaminany Mohammad. Noho ny fampiatoana, toa hita fa mikasa hanakana ny fivoaran'ny fitroaram-bahoaka izay nipoaka tamin'ny fiandohan'ny volana Aprily ny manampahefana, raha niteraka fahatezerana tao amin'ny tanàna akaikin'i Bhadrak ny fandefasana votoaty nisy hafatra manambany ny Andriamanitra Haindò tao amin'ny media sosialy .
Ao anatin'ny vaovao tsara, naverin'ny governemantan'i Kamerona ihany nony farany ny fidirana aterineto ao amin'ny faritra miteny anglisy ao amin'ny firenena rehefa nakatona nandritra ny 94 andro. Taorian'izany, nisy koa ny hetsi-panoherana nataon'ny faritra Avaratra atsinanana sy Atsimo atsinanana noho ny fanerena ny teny Frantsay any an-tsekoly sy ny fitsarana ary ny fiangarana eo amin'ny mponina miteny Frantsay sy miteny Anglisy amin'ny fanomezana tolotra ara-panjakana. 20% ireo Kamerona miteny Anglisy no mandrafitra ny fitambaran'ny mponina. Narahan'ny governemanta fandrahonana hamerina indray ny fanakatonana ny fanokafana ny aterineto raha mahita izy ireo fa lasa “fitaovana hanehoana fankahalana sy fizarazarana eo amin'ny Kameroney ny fitaovana.”
Bilaogera Maldiviana maty voatsindron'antsy
Maldiviana Bilaogera sady mpikatroka, Yameen Rasheed no maty voatsindron'antsy vao maraimben'ny 23 Aprily 2017. Efa nametraka fitarainana tany amin'ny polisy i Rasheed, mpitsikera sahisahy ny governemanta sy ny politikany mifototra amin'ny fivavahana mitrifana fa nahazo fandrahonana ho faty tamin'ny alalan'ny somaiso sy media sosialy. Mitaky fanadihadiana iraisampirenena mikasika ny antom-pahafatesany ny Maldiviana. Nikatona iray andro ho fanomezam-boninahitra azy ny biraon'ny Stock Exchange izay niasan'i Rasheed ho teknisianina momba ny Teknolojiam-baovao.
Vehivavy Saodiana miatrika fitsarana noho ny fikatrohana ho an'ny zon'olombelona
Mpikatroka aterineto Saodiana, Naima Al-Matrood no miatrika fitsarana, herintaona taorian'ny nisamborana azy tamin'ny fiampangana azy ho nandray anjara tamin'ny fihetsiketsehana manohitra ny fanjakana sy nanitsakitsaka ny filaminam-bahoaka tamin'ny alalan'ny fananganana kaonty media sosialy roa mitaky ny famotsorana ireo mpiaro ny zon'olombelona hafa izay nogadraina tao amin'ny fanjakana. Mitaky ny famotsorana an'i Al-Matrood sy ireo gadra mpiaro ny zon'olombelona hafa ao Arabia Saodita avy hatrany ny Foibe Helodrano misahana ny Zon'olombelona .
Nomena fampitandremana amin'ny fandikana ny vaovao mitranga any Etazonia ho amin'ny teny ao an-toerana ny tranonkala Indoneziana iray.
Notorian'ny Jeneraly lehiben'ny miaramila Indoneziana Gatot Nurmantyo tany amin'ny Vaomieran'ny Gazety ao Indonezia ny tranonkalam-baovao tsy miankina Tirto.id noho ny fandikàna sy famoahana tatitra fanadihadiana avy amin'ny vohikalam-baovao iray hafa. Tati-baovao nilaza fa nisy miaramila manamboninahitra nandray anjara tamin'ny tetidratsy hanonganana ny Filoha Joko Widodo, ary nilaza koa fa nifandray tamin'ny ISIS ireo manamboninahitra ireo.
Navoakan'ny tranonkalam-baovao momba ny fahalalahana sivily sy ny fiarovana antserasera The Intercept ao Etazonia ny tatitra voalohany nilaza fa nandray anjara tamin'ny teti-dratsy ny Jeneraly Nurmantyo.
Nidera ny fihetsiky ny Jeneraly Nurmantyo ny solombavambahoaka ao amin'ny Vaomieran'ny Antenimiera III, Ahmad Sahroni, nilaza fa: “nanao dingana tsara inoako fa fa tiany hahavoafandrika azy amin'ny trangan-javatra mety hitarika faharavana ny lehiben'ny TNI.”
Mampiasa rindrambaiko mpisompatra ve ny polisy Britanika?
Araka ny filazan'ny tatitra tao amin'ny bilaogy momba ny teknolojiam-baovao VICE Motherboard, nividy rindrambaiko fanarahamaso FlexiSpy ny polisy iray ao Londra, izay ahafahany mametraka rindrambaiko mpisompatra amin'ny finday sy solosaina, ka mamela azy ireo hitsabaka amin'ny antso an-tariby, mandefa ny mikrôfôna sy maka sary amin'ny toerana lavitra amin'ny kamera tratrany. Tsy fantatra raha nividy ny rindrambaiko ho azy manokana na ho ampiasaina amin'ny fomba ofisialy ilay polisy.
Mankatòa ny tsy fitanilan'ny aterineto i Canada
Namoaka fitsipika vaovao mankasitraka tanteraka ny tsy fitanilan'ny aterineto ny Komitin'ny Fifandraisan-davitra sy ny Radio-Fahitalavitra Kanadiana (CTRC), izay fitsipika tokony arahan'ireo mpamatsy fifandraisan-davitra amin'ny tokony handraisana ny votoaty sy ny fitaovana amin'ny aterineto amin'ny fomba mitovy, fa tsy manome fitaovana haingam-pandeha kokoa ho an'ny mpanjifa sasany. Namoaka fanapahan-kevitra manohitra ny fomban'ny zero-rating na fanomezana fidirana maimaim-poana amin'ny tolotra aterineto sasany ihany koa ny komity. Ny rafitra zero-rating dia fandraisana ny votoaty aterineto amin'ny fomba tsy mitovy, izay ahafahan'ireo mpamatsy tolotra mifantina izay votoaty azon'ny mpanjifan'izy ireo idirana amin'ny fomba tsotra indrindra.
Fikarohana vaovao
- Mpanao gazety Iharan'ny Teritery: Fitsabahana Tsy Ara-drariny, tahotra, sy fanivanan-tena ao Eoropa – Vaomieran'i Eoropa
- Fanafihana ny Gazety, 2017 – Komity Mpiaro ny Mpanao Gazety
- Quien Defiende Tus Datos? Paragoay – TEDIC
Misorata anarana ao amin'ny Netizen Report amin'ny alalan'ny mailaka
Mahsa Alimardani, Ellery Roberts Biddle, Vishal Manve, Inji Pennu, Carolina Rumuat, Nevin Thompson, Laura Vidal sy Sarah Myers West no niara-nanoratra ity tatitra ity.
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy

Tantaran'ny Afrika Mainty farany
Atombohy ny resaka
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 7 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...