Ela Velona Kokoa Sady Salama? Mamaly Izany ny Fanadihadihan'ny Fanazavana An-tsary

Fanazavana an-tsary momba ny mety ho fiovan'ny tsy fahasalamana ao anatin'ny taona maromaro izay mety ho hita ao Amerika Atsimo , nahazoana alàlana .

Nanao fampitahana ny fanadihadihana momba ny taham-pahavelomana tamin'ny alalan'ny fanazavana an-tsary izay mampiseho ny firenena samihafa manerantany ny Medigo, sehatra ara-pahasalamana iray manokana mampifandray ireo marary sy ny dokotera manerantany.

El ser humano promedio está destinado a vivir más tiempo que en el pasado. Casi todos los países del mundo han visto un aumento en la esperanza de vida desde el comienzo del siglo 21.

Velona maharitra kokoa noho ny lasa ny olombelona amin'ny ankapobeny. Saika ny firenena rehetra manerana izao tontolo izao no nahitana fitomboana tamin'ny taham-pahavelomana nanomboka tamin'ny

71,4 taona ny taham-pahavelomana manerantany amin'ny ankapobeny tamin'ny taona 2015 na dia misy aza ny elanelana lehibe manerantany. Eo amin'ny 73 taona eo izany amin'ny ankapobeny any Eoropa sy Amerika Avaratra, 71 taona any Oseania, 70 taona any Amerika Latina,  61 taona any Azia, ary 55 taona any Afrika.

Na izany aza, te-handeha lavidavitra kokoa ny Medigo amin'ny alalan'ny fandefasana ity fanontaniana manan-danja ity:

La Organización Mundial de la Salud confirma que estamos viviendo más tiempo, pero ¿estamos viviendo de forma más saludable?

Nanamafy ny Sampan'ny Firenena Mikambana Misahana ny Fahasalamana fa velona maharitra kokoa isika , kanefa moa ve isika velona ao anatin'ny fahasalamana?

Ny refin-taham-pahavelomana salama (EVAS) no refy raisin'ny Sampan'ny Firenena Mikambana Misahana ny Fahasalamana mampiseho ny taona mety antenaina hiveloman'ny olona iray, raha toa ka mahatandrina miaina ara-pahasalamana izy. Maro ny lafiny ahitana fiantraikany amin'izany toy ny kalitaon'ny fikarakarana ara-pitsaboana, ny fahadiovana, ny ady, sns, kanefa tsy ao anatin'izany ny fahafatesana vokatry ny herisetra . Nahitana  fivoarana tao anatin'ny taona vitsivitsy ity fanondroana ity .

La esperanza de vida se incrementó en 5 años entre 2000 y 2015, el aumento más rápido desde los años 60. Esos avances invierten los descensos registrados durante los años 90, en los que la esperanza de vida se redujo en África por la epidemia de sida, y en Europa del Este como consecuencia del derrumbe de la Unión Soviética.

Nitombo 5 taona ny taham-pahavelomana teo anelanelan'ny taona 2000 sy 2015, izay fitomboana haingana indrindra hatramin'ny taompolo 1960. Mifanohitra tamin'ny fihemorana hita nandritra ny taompolo 1990 ity fivoarana ity, rehefa nihena ny taham-pahavelomana tany Afrika noho ny otrikaretina SIDA ary tany Eoropa Atsinanana vokatry ny firodanan'ny Firaisana Sovietika.

Ao anatin'ny fanazavana an-tsariny, mampitaha ny kaontinanta sy ny firenena samihafa  manerana izao tontolo izao ny Medigo mba hanehoana ny fomba niovan'ny taona nahitana tsy fahasalamana nanomboka tamin'ny taona 2000 .

Infografía sobre cambios en los años de mala salud que pueden esperarse en el Mundo, usada con autorización.

Ny fanazavana an-tsary momba ny fiovana tao anatin'ny taona nahitana tsy fahasalamana manerantany, nahazoana alàlana.

Tao anatin'ny resadresaka fohy niarahany tamin'ny Global Voices, nilaza momba ny fahasamihafana eo amin'ny vinavina mahazatra ny Sampan'ny Firenena Mikambana Misahana ny Fahasalamana amin'ny ” tsy fahasalamana” i  Giulia Gutterer, tompon'andraikitra ao amin'ny Medigo :

Lo que hacemos es básicamente tomar la expectativa de vida total, que es lo que se espera que vivamos y que está determinada al momento de nacer, y restamos los años de expectativa de vida saludable de la expectativa de vida propiamente dicha. Tras esto, vemos la cantidad promedio de años que alguien puede esperar vivir con una salud no tan buena –o ‘años de mala salud’. Los años de mala salud son años determinados como tiempo en el que se vive con enfermedades y discapacidades.

Ny taham-pahavelomana manontolo amin'ny ankapobeny no resahintsika eto, ​​izay antenaintsika hivelomana, ​​ary efa voafaritra eo am-pahaterahana, ary anesorantsika ny taonan'ny taham-pahaveloman'ny olona salama . Aorian'izany isika dia mahita ny salan-taona antenaina hahaveloman'ny olona iray ao anatin'ny tsy fahasalamana, na ny ‘taona niainana rofy’. Hita nandritra ny taona maro ny taona nahitana ny faharatsian'ny fahasalamana izay niainan'ny olona manana aretina sy kilema.

Hitanao ny fanazavana an-tsary manerantany sisa ato amin'ny tranonkalanay .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.