- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny Hetsi-panoherana Gazaita Manohitra Ny ‘Fandripahana Karama’ Nataon'ny Fahefana Palestiniana

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Palestina, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona

Hetsi-panoherana tao Gaza manohitra ny fanapahan'ny Manampahefana Palestiniana ny karaman'ny mpiasam-panjakana sy ny filaminana . Sary: Pal+ عربي [1]

Tany am-piandohan'ity volana ity, nipoaka tao Gaza ny  fihetsiketsehana lehibe [2] ho fanoherana ny fanapahan-kevitry ny Fahefana Palestiniana (PA) tamin'ny fampihenana ny karaman'ireo mpiasam-panjakana sy ny filaminana tao Gaza.

Nahenan'ny Fahefana Palestiniana, sampana miankina amin'ny ampahany amin'ny governemanta sady miankin-doha amin'ny fanampiana avy any ivelany ary mitantana ny Morondrano Andrefana bodoin'ny Israeliana, amin'ny 30 ka hatramin'ny 70 isanjato ny karaman'ireo mpiasany ao Gaza noho ny voalaza fa olana ara-bola vokatry ny fihenan'ny fanampiana avy any ivelany.

Nanameloka ny fanapahan-kevitry ny Manampahefana Palestiniana ireo Palestiniana ary nilaza izany ho “famonoana karama”. Tao amin'ny media sosialy, nampiasaina ny tenirohy Arabo milaza ‘ny ‘fandripahana karama’ sy ny  “nandroba antsika i Abbas” izay manondro ny lehiben'ny Fahefana Palestiniana, Mahmoud Abbas.

 Miteny ho azy ny sary. #Nandroba Antsika i Abbas  #Fandripahana Karama

Tamin'ny 8 Aprily 2017, Palestiniana an'aliny maro no nanao fihetsiketsehana tao an-tanànandehiben'i Gaza [7] manohitra ny fampihenana ny karama. Nitaky ny fialan'ny Praiminisitry ny Manampahefana Palestiniana  Rami Hamdallah sy ny Minisitry ny Vola Bishara mba hametra-pialana ireo mpanao fihetsiketsehana.

Nitaky ny lehiben'ny governemanta Rami Al Hamdallah mba hametra-pialana izy ireo… manohitra ny fampihenana 30% ny karaman'ny mpiasan'ny Manampahefana Palestiniana tao Gaza  .

Niaro [10] ny fampihenana ny karama nataon'ny Fahefana Palestiniana i Hamdallah tao amin'ny valan-dresaka niarahany tamin'ny mpanao gazety ary nilaza  fa ilaina ny “fahaiza-mitantana ny krizy ara-bola izay lalovan'ny governemanta Palestiniana noho ny fihenan'ny famatsiam-bola iraisampirenena.”

Niampanga ny Hamas izay mitondra ao Gaza ihany koa izy noho ny fandranitana ny krizy ara-bola ary nilaza fa “mitazona ny vola miditra ho azy irery ny Hamas, kanefa nandany vola maherin'ny 17 miliara dolara tao Gaza ny Manampahefana Palestiniana nandritra ny 10 taona farany .”

Nikarakara fitokonana [11] teo anoloan'ny biraon'ny praiminisitra ao Ramallah ny fikambanan'ny fiarahamonim-pirenena Palestiniana ao Morondrano Andrefana. Na izany aza, nakaton [12]‘ny mpitandro ny filaminan'ny Fahefana Palestiniana ny lalana rehetra [12] mankany amin'ny lapa mba hampihenana ny hetsi-panoherana.

Mampiasa olona manodidina ny 56.000 ao Gaza ny Fahefana Palestiniana. Nangataka [13] tamin'ireo mpiasam-panjakana tsy hiasa fa hipetraka any an-tranony sady mandray ny karamany tsy tapaka ihany i Abbas rehefa nandray ny fitondrana tao Gaza tamin'ny taona 2007 ny Hamas. Nahazo karama kely na tsy nandray karama mihitsy [14] ireo izay tsy niraharaha ny antso ary nanohy ny asany teo ambany fahefan'ny governemantan'ny Hamas  .

Vao mainka nandavaka ny hantsana ara-politika teo amin'ny Hamas sy ny Fatah ny fanapahan-kevitra manavakavaka nataon'ny Fahefana Palestiniana, izany hoe ny antoko izay an'i Abbas sy ny fifampiandaniana lehibe indrindra ao amin'ny antoko maro mpiaradia ao amin'ny Fikambanana ho Fanafahana an'i Palestina (OLP). Tamin'ny taona 2006, nandresy tamin'ny fifidianana parlemantera ny Hamas izay nitarika ho amin'ny ady teo aminy sy ny Fatah, ary nifarana tamin'ny fifehezan'ity farany ny Fahefana Palestiniana tao Morondrano Andrefana ary ny fifehezan'ny Hamas an'i Gaza.

Taorian'ny fandresen'ny Hamas tamin'ny fifidianana, nanomboka nampiasa famoretana i Isiraely ary nisambotra mpikambana hatramin'ny 450 [15] tao amin'ny antoko ary nihazona azy ireo tany am-ponja. Vao haingana, nangataka ny famaranana ny fandrindrana ny fiarovana eo amin'ny Fahefana Palestiniana sy ny governemanta Israeliana taorian'ny  famonoana ilay mpikatroka malaza Bassel Al-Araj tao Ramallah [16] ireo mpanao fihetsiketsehana Palestiniana.

Niantso ny fanapahana ny karama ho “teti-dratsy vaovao” hamelezana an'i Gaza ny Hamas. Nilaza i Salah Al Bardawil, mpikambana iray ao amin'ny birao politikan'ny Hamas, fa tsy manaiky [17] hampitahorana  ny Hamas [17] ary tsy “handohalika eo anatrehan'ny tsindry ara-politika.”

Niantso ity dingana ity ho “heloka bevava” [18] mamely ny fianakaviana Palestiniana an'aliny ao Gaza ny filohan'ny Fikambanan'ny Mpiasam-panjakana Palestiniana ao Gaza, Aref Abu Jarad.

The justification of the Council of Ministers that the PA is going through a financial crisis is a lie since cuts included salaries of Gaza employees only and not West Bank employees.

Lainga ny fanazavana nataon'ny Filan-kevitry ny Minisitra fa mandalo krizy ara-bola ny Fahefana Palestiniana satria ny karaman'ireo mpiasa ao Gaza ihany no iharan'ny fanapahana fa tsy ny an'ireo  mpiasan'ny Morondrano Andrefana.

Maro tamin'ny mpitarika Fatah tao Gaza no niala ho fanoherana ny fepetra tsy rariny nataon'ny Fahefana Palestiniana [19] .

Naneho ny ahiahiny [20] momba ny fanapahan-kevitra ihany koa i Nickolay Mladenov, Mpandrindra Manokana ao amin'ny Firenena Mikambana misahana ny Dingan'ny Fandriampahalemana any Afovoany Atsinanana  :

Over the past decade, Palestinians in Gaza have lived through four conflicts, with no freedom, unprecedented Israeli restrictions, a dire humanitarian crisis, high unemployment, an ongoing electricity crisis, and the lack of political perspective.

While the Palestinian government needs to ensure its fiscal sustainability under increasingly difficult economic conditions, it is important that reforms or decisions to reduce expenditures are fairly distributed and made with consideration to the harsh conditions under which people in Gaza live.

Tao anatin'ny folo taona,  niaina tao anatin'ny fifandonana miisa efatra ireo Palestiniana ao Gaza, tsy nanana fahafahana, miaraka amin'ny faneriterena Israeliana tsy mbola nisy toa izany, ny krizin'ny maha-olombelona henjana, ny tsy fananana asa maro, ny krizin'ny herinaratra mitohy, ary ny tsy fisian'ny hoavy ara-politika.

Raha mikasa ny hiantoka ny faharetan'ny hetra eo ambanin'ny fepetra ara-toekarena miha-sarotra hatrany ny governemanta Palestiniana, dia zava-dehibe ny fizarana araka ny tokony ho izy ny fanavaozana na ny fanapahan-kevitra mba hampihenana ny fandaniana ary tokony asiana fiheverana ny momba ny fepetra henjana izay iainan'ny olona ao Gaza .

Nijaly tamin'ny olana ara-toekarena sy ny fepetra iainan'izy ireo tsy mifaditrovana [21] ny Teteza-tanin'i Gaza vokatry ny fahirano nataon'ny miaramila nandritra ny 10 taona izay napetraky ny governemanta Israeliana taorian'ny fandresen'ny Hamas tamin'ny fifidianana parlemantera tamin'ny taona 2006 sy ny ady Israeliana na ny fananiham-bohitra maro tao Gaza ihany koa, tamin'ny fahavaratry ny taona 2014 [22] ny vao haingana indrindra tamin'izany.

Sariitatra momba ny toe-draharaha ao Gaza. #FandripahanaKarama