Mankalaza ny Andron'ny Maherifo ao anivon'ny Tsikeran'ny Tambajotra An-tserasera ny ao Mozambika

Eduardo Mondlane, mpanorina ny FRELIMO, Samora Machel sy Joaquim Chissano, filoha voalohany sy faharoa tao Mozambika. Saripika: Wikimedia Commons CC-BY-SA 3.0.

Ao Mozambika, nahatratra ny Fetin'ny maherifo, ny andron'ny 3 febroary, fetim-pirenena ahatsiarovana ireo nitolona ho amin'ny fahaleovantenan'ny firenena ny herin'ny tsikera. Manamarika ny fahafatesan'i Eduardo Mondlane, olomangan'ny fifaharana nanohitra ny fanjakazakan'ny mpanjanaka paortigey ny datin'ny 3 febroary.

Ireo maherifo nankalazaina omaly dia ry Eduardo Mondlane, Marcelino Santos ary Samora Machel, mpanangana ny Frente de Liberación de Mozambique (Frelimo) na Mandatehezana Fanafahana an'i Mozambika, hetsika iray niditra tamin'ny tolona mitam-piadiana nandritra ny taom-polo 1960 sy 1970 hikatsahana ny fahaleovantena, izay azo ihany tamin'ny taona 1975. Tsy nahahozongozona ny herivaikan'ny (Frelimo) izay nahavoafidy ny filohan'ny firenena mandraka ankehitriny ny fikomiana sy ny ady an-trano nandritra ny taona maro, nohatevenin'ny firenena mpifanolo-bodirindrina tsy nankasitraka ny aingam-panahy sosialista nentiny toa an'i Afrika Atsimo tamin'ny andron'ny apartheid.

Raha tsy nanao ho ambanin-javatra ny maha-zavadehibe ny tolona ho amin'ny fahaleovantena, maro amin'ireo Mozambikana no nisera tao amin'ny tambajotra sosialy hieritreritra ny lanjan'ny Andron'ny Maherifo amin'izao vanim-potoana izao.

Nanana izao eritreritra manaraka izao i Bitone Viage sy Ivan Maússe, tanora mozambikana anankiroa:

Se partirmos da ideia de que muitos dos até então considerados heróis são exclusivamente os libertadores da pátria, então fica claro que do período que nos separa da independência nacional até a actualidade, o nosso país não produzira quaisquer pessoas capazes de serem apontadas como heróis nacionais. Discutível!

E porque muitos dos nossos libertadores, alguns dos quais após a independência nacional ocuparam cargos de chefia, de confiança e direcção no Estado e Governo moçambicanos, hoje se mostram protagonistas de comportamentos nocivos ao patriotismo, atitudes que ofuscam a sua heroicidade de ontem.

Raha miainga amin'ny hevitra isika hoe ny ankamaroan'ny maherifo dia heverina fotsiny hatramin'izao ho mpanapaka ny firenena, dia mazava fa hatramin'ny nahazoantsika ny fahaleovantena ka mandraka ankehitriny, fa tsy namokatra olona azo tondroina ho maherifon'ny firenena ny firenentsika. Azo iadian-kevitra!

Satria ny ankamaroan'ny mpanafaka antsika, izay nitazona toeram-pitantanana ny sasantsasany taorian'ny fahaleovantena, dia maneho ny fitokisana sy ny fitondrana ny firenena mbamin'ny governemanta fa manamaloka ny herimpony omaly tanatin'ny fitiavan-tanindrazana ny fihetsika sy ny fomba fiheviny amin'izao fotoana izao.

Namoaka avy eo i Rui Bernardo Guimas fa hafahafa ilay hoe avy amin'ny antoko eo amin'ny fitondrana avokoa ireo heverina ho maherifo:

Há uma tendência de monopolizar tudo neste país, distorcendo a história com ideias egocêntricas…parece que o conceito de herói parou no tempo e no espaço! Há um “cabritismo vitalício” que depois deles tudo que vier não tem valor, que não se estenda a ponto de passar por uma condecoração de herói…. é triste mas são factos reais; Ivan foste claro na sua abordagem sem comentários!!!!

Misy ny fironana hanao ampihimamba eto amin'ity firenena ity, fironana hanova ny tantarany tsy mahalala hafa tsy ny tenany… Tahaka ny hoe niato tamin'ny fotoana sy ny toerana iray ny hevitry ny maherifo, misy ny “hetahetam-piainana” izay tonga taoriana ka tsy misy na inona na inona manankasina, izay tsy niitatra ka lasa maherifon'ny medaily…. ary ny mampalahelo fa tena misy ilay izy. Mazava ry Ivan ka tsy haneho hevitra aho!!!

Nandalina kokoa io lohahevitra io ihany koa i Euclides Flávio, tanora mpahay tantara sady mpanangom-baovao :

As pergunta básicas que podemos fazer são estas, será que a Frelimo é o único partido que produz e reproduz Heróis? Será que essas “figuras” acima, tem capital social suficiente para serem considerados Heróis nacionais? Quais são os critérios priorizados na nossa pátria para se ser Herói e ser reconhecido na historia oficial e Historiografia nacional? Porque partidarizamos a heroicidade em Moçambique? Porque é que os nomes da oposição e Sociedade Civil não aparecem nos anais da historicidade?

Ireto ny zavatra tsotra azontsika anontaniana: Ny Frelimo irery ihany ve no antoko tokana namokatra sy mbola hamokatra maherifo? Manana renivola ampy ve ireo “tava” ireo nahatonga azy ireo ho maherifon'ny firenena? Inona avy ireo mason-tsivana fototra laharam-pahamehan'ny firenentsika ho lasa maherifo sy ankatoavin'ny tantara nasionaly ofisialy? Angaha ny ao anatin'ny antoko ihany no mety ho maherifo eto Mozambika? Nahoana no tsy tafiditra ao anatin'ny boky tantara ny anaran'ny mpanohitra na/sy ao anatin'ny firaisamonim-pirenena?

Mieritreritra ireo maherifon'ny fahiny sy izay iaretan'ny vahoaka mozambikana ankehitriny i Edgar Barroso, mpikatroka sosialy:

Mataram os opositores políticos (desde a luta de libertação). Ainda o fazem, dos que estão ainda vivos e no poder, de uma ou de outra forma. Alguns dos heróis que celebramos hoje (quando escrevemos ou dizemos “feliz 3 de fevereiro” ou “feliz dia dos heróis moçambicanos”) matam pessoas até hoje, com políticas públicas incompetentes. Muita gente ainda morre por desvio de aplicação de fundos e recursos.

Muitos dos que estão na cripta dos heróis mataram ou mandaram matar seres humanos. Alguns dos que, ainda vivos, provavelmente lá entrarão… idem. Mataram ou mandaram matar (com armas ou com corrupção, só para citar dois exemplos), vários homens, mulheres e crianças. Milhares deles.

Mamono ireo mpanohitra ara-politika ry zareo (hatramin'ny nanaovana ny adim-panafahana). Mbola manao izany amin'ny endrika iray na amin'ny endrika hafa ireo mbola velona. Mbola misy amin'ireo maherifo asandratsika androany (eto am-panoratana izahay no mihiaka hoe “fifaliana 3 febroary” na “fifaliana amin'ny andron'ny maherifo mozambikana”) no mamono olona ankehitriny noho ny tsy fahaiza-mitantana ara-politika. Maro ny olona maty noho ny tsy fahaizana mitantana ny tahirim-bola sy ny loharanon-karena.

Maro amin'ireo milevina ao amin'ny fasan'ny maherifo no namono na nirahina hamono olombelona maro. Maro amin'ireo mbola velona no mety ho ao ihany koa… ídem (toy izany ihany koa). Namono na nirahina hamono olona maro, zaza amam-behivavy ry zareo (tamin'ny alalan'ny fitaovam-piadiana na tamin'ny alalan'ny fanaovana kolikoly, raha tsy hilaza afa-tsy ireo zava-droa loha ireo ihany). Olona an'arivony amin-dry zareo.

Miresaka sompirana ny krizin'ny rano mihatra ankehitriny ao amin'ny renivohitr'i Mozambika, misy ireo mahasahy “milalao” ny datinandro, tahaka an'i Rafael Ricardo:

Meu herói é você, sim, você que está sem água num dia quente como o de hoje.

Ianareo no maherifoko, eny, ianareo tsy mahazo ranomafana isan'andro tahaka ny anio (androany).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.