Hita eo amin'ny sary:
Ny Rotary Club ao Kampala Metropolitana
Vahiny Mpandahateny: Dr Stella Nyanzi
Lohahevitra: Fadim-bolana, Fanabeazana ny ankizivavy sy Fampandrosoana.
Ny Olana Momba Ny fampandrosoana Maharitra Ao OgandaToerana: Mackinon Suites Hotel
Fotoana: Zoma 7 Aprily 2017
Amin'ny 7 ora harivaFidirana: Maimaimpoana, fa mitondrà salaka azafady.
Hisy koa salaka mitsinjo ny tontolo iainana azo iverenana ampiasaina indray hamidy eo an-toerana
Notànana am-ponja nandritra ny folo andro noho ny filazana fa fanitsakitsahana ny Lalàna tamin'ny 2011 momba ny Fampiasana ny Solosaina Tsy Araka ny Tokony ho Izy ao Ogandà ilay Ogandey mpampianatra eny amin'ny anjerimanontolo sady mpiaro ny zon'ny vehivavy.
Mpanao tsikera mivantana ny Filoha Yoweri Musveni i Nyanzy, ary lasa mpitarika ao aminà fanentanana ny famatsiana salaka ho an'ny vehivavy lehibe sy ankizivavy mahatra any Oganda.
Nosamborina sy notànana tamin'ny 7 Aprily, voampanga ho nandray anjara taminà fanorisorenana an-tserasera” sy taminà “fifandraisana manafintohina” (andininy 24 sy 25 amin'ny Lalàna mifehy ny Fampiasana ny Solosaina Tsy Araka ny Tokony ho Izy) tamin'ny Filoha Yoweri Museveni sy Janet Museveni, vadiny tao amin'ny Facebook i Nyanzi. Ankoatra ny zavatra hafa dia nampitaha ny Filoha tamin'ny “ravimbody roa” koa izy.
Ao amin'ny haino aman-jery sosialy, lasa anton-javatra hirohotan'ny Ogandey izay manohitra ny fitondran'i Musveni ny tantaran'i Nyanzi; izay ampiasàn'ny maro ny tenifototra #APairofButtocks mba hanehoan'izy ireo ny fahasorenany.
Milaza ny manampahefana fa hijanona am-ponja izy mandra-pahatongan'ny fotoana manaraka hihainoana azy, izay hatao ny 25 Aprily.
Andro vitsy talohan'ny fisamborana azy, nanontanian‘ny polisy noho ny fanangonambola hividianana salaka ho an'ny tovovavy, tsy ilàna fisoratana anarana, i Nyanzi , izay nilazàn-dry zareo taminy fa manohitra ny Lalàna tamin'ny 1966 momba ny Fanangonana izy. Nanjavona i Nyanzi rehefa avy niteny tao amin'ny hetsiky ny Vondrona Rotary tamin'ny 7 Aprily tao Kampala, araka ny hita ao amin'ny dokambarotra etsy ambony. Ora maro taty aoriana, nilaza ny polisy any amin'ny fonjakelin-dry zareo izy.
Mpitsabo nentim-paharazana izay mikarakara manokana ny fananahan'ny Afrikana, manetsika olona maro ao amin'ny pejy Facebook-ny, izay manana mpanaraka mihoatra ny 141.000 i Nyanzi. Ireo hafany no sabany eto. Raha ny salanisa, mamaly ny fanehoankevitra rehetra izy. Mampiasa teny mifandraika amin'ny firaisana ara-nofo izy mba hankahàrany ny fanaon'ny governemanta amin'izao fotoana ary koo hankahàrany ireo finoana ara-tsosialy ao aminà firenena izay mbola manjaka amin'ny sehatra maro ny fifikirana amin'ny fomba amam-panao fahiny ara-tsosialy.
Nanontanian'i Nyanzi ampahibemaso ny fampanantenana tamin'ny fampielezankevitry ny Filoha Musveni nefa tsy tanteraka, izay hamatsy salaka ho an'ireo tovovavy mahantra, ny sasany amin'izy ireo tsy afaka mianatra na voaroaka satria tsy afaka mividy salaka. Tamin'ny 2016, niseho tamin'ny lohateny lehibe izy raha nihanjaka tamin'ny fanoherana ny fanidiana ny biraony, taorian'ny fifandirana tamin'ny lehibeny, ary nandefa rakitsary momba ilay zava-nitranga tao amin'ny rindrin'ny Facebook-ny.
Taorian'ny nanoratan'i Nyanzi fa ny Vadin'ny Filoham-pirenen'i Oganda Janet Museveni dia nilaza tamin'ny firenena hoe tsy misy vola hamatsiana ny fampanantenan'ny vadiny ho an'ireo tovovavy nandritra ny fampielezankevitra, namaly tao aminà tafatafa tao amin'ny fahitalavitra ny vadin'ny Filoham-pirenena, ary nilaza fa mamela an'i Nyanzi tamin'ny “nanompàny” azy. Ho valin'izay, nanoratra lahatsoratra tao amin'ny Facebook i Stella ary nilaza fa tsy nangataka ny famelàn'ny vadin'ny filoha izy tamin'ireo teniny. Tao aminà lahatsoratra vao haingana, nampitahain'i Nyanzy tamin'ny “ravimbody roa” ny filoha Musveni.
Hatramin'izay i Nyanzi dia nanatevin-daharana vondrona Ogandey izay nanomboka ny fanentanana #Pads4GirlsUG mba hangatahana vola hividianana salaka.
@#Pads4GirlsUg gave reusable and disposable sanitary pads, soap, a booklet and drink to girls in Masaka. pic.twitter.com/Cg0B0PhMGJ
— Stella Nyanzi (@drstellanyanzi) March 15, 2017
@#Pads4GirlsUg nanome salaka mbola azo averina ampiasaina sy fanary, savony, bokikely ary zava-pisotro ho an'ny ankizivavy any Masaka
Notifirin'i Nyanzi ihany koa Ramatoa Musveni tamin'ny faran'ny volana Martsa, taorian'ny nitenenan'ny Vadin'ny Filoha tamin'ny mpanao gazety fa tokony hitsahatra tsy hitondra ny zanany amin'ny boda-boda (moto mitondra mpandeha) ny Ogandey. Ireo ray aman-dreny kely karama amin'ny ankapobeny no mampiasa io ho fitaovam-pitaterana, na eo aza ny loza izay mety haterany. Tsy zava-baovao avy amin'ny Vadin'ny Filoha izany — tamin'ny lasa, fomba fiteny toy izany no nahazoany fampitahàna tamin'i Marie Antoinette.
Ho valin'ny fanamarihan'ny Vadin'ny Filoham-pirenena momba ny boda boda, tamin'ny 29 Martsa, nanoratra tao amin'ny pejy Facebook-ny i Nyanzi:
Nanokatra ny vava mpandaingany izy ary nilaza hoe “asaivo mandeha an-tongotra mandeha any an-tsekoly ny zanakao, nandeha an-tongotra kilaometatra efatra nandroso sy niverina ho any an-tsekoly aho fony aho mbola ankizy!”
Ny kisoa kamo izay mandefa ny zanany hitaingina fiaramanidina mankany an-tsekoly mijery avy eo ambanin'ny oron-kisoany lava ary niteny tamintsika handefa ny zanatsika an-tongotra ho any an-tsekoly.
Izay lazaiko no ataovy, fa tsy izay ataoko, hoy ny fiteniny amin'ilay nify mpandaingany.
Tamin'ny 30 Martsa, naato tamin'ny asany amin'ny maha mpampianatra azy ao amin'ny Anjerimanontolon'i Makerere izay eo ambany fitantanan'ny Ministeran'ny Fanabeazana i Nyanzi Tsara ho marihana fa mitàna ny toeran'ny Minisitry ny Fanabeazana Ogandey koa ny Vadin'ny Filohan'ny repoblika.
Roa andro talohan'ny fakàna an-keriny azy, nanaovan'ny polisy bemidina tao an-tranon'i Nyanzi ary nentin'ny polisy halaina am-bavany nandritra ny ora maromaro izy. Tsy ela taorian'izay, dia nanentana fivoriana mivantana tao amin'ny Facebook izy izay namariparitany ny zava-nitranga. Nahazo mpanaraka mihoatra ny iray tapitrisa ilay fandaharana.
Tamin'ny 9 Aprily, Gertrude Uwitware, mpanao gazetin'ny NTV ao an-toerana, izay naneho ny fanohanany an'i Nyanza tao amin'ny pejy Facebook-ny, dia nalaina an-keriny tao Kampala ary notànana tsy araka ny sitrapony nandritra ny ora maromaro talohan'ny namotsorana azy. Tsy fantatra na nisy nifandraisany tamin'ny fanohanany an'i Nyanzi ny zava-nitranga, fa ireo mpisolovava, anisan'izany ny mpisolovava miandraikitra ny Zon'Olombelona, Nicholas Opiyo, izay niandraikitra ny raharahan'i Nyanzi, dia miahiahy izany.
Ny Foibe Afrikana ho an'ny Fanaovana Gazety Tonga lafatra sy ny Fiarahana Mitantana Nasionalin'ireo Mpiaro Zon'Olombelona any Oganda, miaraka amin'ireo fikambanana iraisampirenena, anisan'izany ny Amnesty International, dia nanameloka ny fanenjehana sy fisamborana an'i Nyanzi. Naneho mivantana ny fanohanany ny Uwitware koa izy ireo sy vondrona hafa.
Nalaza avy hatrany ny tenifototra #AfahoStellaNyanzi sy #RavimbodyRoa (#FreeStellaNyanzi #APairofButtocks) taorian'ny fisamborana an'i Nyanzi ary mbola ampiasain'ny Ogandey sy ireo mpanohana. Nasehon'ny Ogandey ny fanohanan'izy ireo na teo aza ny tahotra nihelohelo.
Stella Nyanzi's message cannot & will not go away even though you arrest her a million times. Grave mistake to kidnap her #FreeStellaNyanzi
— Grace Natabaalo (@Natabaalo) April 8, 2017
Tsy afaka & tsy hiala ny hafatr'i Stella Nyanzi na dia samborinareo in'arivo aza izy. Fahadisoana lehibe ny mitazona azy an-keriny #FreeStellaNyanzi
If security operatives think they can intimidate or threaten the entire country then let us make #FreeStellaNyanzi our business.
— Nandala Mafabi (@NandalaMafabi) April 9, 2017
Raha mieritreritra ny mpiambina fa afaka mampitahotra na mandrahona ny firenena iray manontolo, dia aleo ho ataonay lahasanay ny #AfahoStellaNyanzi
Stella Nyanzi is charged with calling long-time President Museveni “a pair of buttocks” #Uganda pic.twitter.com/6QzAfebpOr
— Michael O'Hagan (@micoh) April 10, 2017
Voampanga ho niantso ny Filoha Musveni efa ela ho “ravimbody roa” i Stella Nyanzy #Uganda pic.twitter.com/6QzAfebpOr
Nisy mpanohana sasany nijery ny tany amin'ny 40 taona lasa ary namerina nibitsika ny tenin'ilay Ogandey mpanao didy jadona fahiny, Idi Amin Dada:
Freedom after speech pic.twitter.com/5AujATUVEZ
— Calestous Juma FRS (@calestous) March 2, 2017
Fahalalahana aorian'ny kabary pic.twitter.com/5AujATUVEZ
Namazivazy i Jongo Asiimwe:
Even Google knows. #PairOfButtocks. #FreeStellaNyanzi pic.twitter.com/iB3qijt1JM
— Jongo Bravin Asiimwe (@jongobravin) April 11, 2017
Na Google aza mahalala. #PairOfButtocks. #FreeStellaNyanzi pic.twitter.com/iB3qijt1JM
Raha niresaka momba ilay zava-tsarotra atrehin'i Nyanzi, nanamarika i Bwesigye bwa Mwesigire:
Tsy i Nyanzi irery no iharan'ny fanafihana mahery setra momba ny fahalalahan'ireo mpampianatry ny anjerimanontolo. Ireo mpiara-miasa sy tonian-dahatsoratry ny Controlling Consent, ilay boky firaketana, izay vao haingana no nogiazan'ny manampahefana ireo dika mitovy aminy, dia niharan'izany ihany koa. Ahitana ireo fandalinan'ny mpampianatra eny amin'ny anjerimanontolo ny fifidianana filoham-pirenena sy solombavam-bahoaka Ogandey tamin'ny 2016 ireo boky firaketana ireo. Mavesatra ary mazava ny hafatra. Mahazo mitsikera any amin'ny tontolo tsy afaka idiran'ny daholobe ireo mpanabe. Raha vao miteny am-pahibemaso izy ireo, dia sivanin'ny fanjakana. Na ny Facebook sy ireo sehatrà haino aman-jery sosialy hafa aza dia tsy afa-miala amin'io famoretana io!
To contribute online to the Pads for Uganda campaign, visit the official GoFundMe page.
Raha handray anjara amin'ny aterineto amin'ny Fanentanana ho an'ny Salaka ho an'i Oganda, tsidiho ny pejy ofisialin'ny GoFundMe.