- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Misavasava Toerana Fanehoana Zavakantom-bahoaka i Seranan'i Espaina Taorian'ny Famoretana Mampiadihevitra Iray

Sokajy: Karaiba, Trinite sy Tobago, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Politika, Toekarena sy Fandraharahàna, Tontolo_iainana, Zavakanto & Kolontsaina
[1]

Sary High Dynamic Range ao amin'ny lafiny avaratry ny Queen's Park Savannah. Sary avy amin'i Georgia Popplewell, CC BY-NC-ND 2.0.

Ny Queen's Park Savannah [2] ao Seranan'i Espaina, renivohitr'i Trinite, no toerana maitso lehibe indrindra ao an-tanàna. Voahodidina toeram-pihazakazahana, toerana malaza ho an'ireo mpihazakazaka sy mpankafy fanakelezam-batana hafa izany. Mandritra ny fotoanan'ny karnavaly, atao foibe ara-kolontsaina amin'ny zava-drehetra [3]i Savannah, manomboka amin'ny fifaninanana Panorama [4] ataon'ny tarika mampiasa vy fanao isan-taona izany ka hatramin'ny Paradin'ny isan-tarika [5]. Fanampin'ny loko sy ny hankaton'ny Hivoka (Savannah) ao an-toerana ireo mpivarotra, izay mivarotra ranom-boanio mangatsiatsiaka ny ankamaroany ary toerana ho an'ireo mpihazakazaka izay vao avy nihazakazaka lavidavitra (eo amin'ny 2,2 maily na 3,5 kilaometatra ny Savannah feno).

Vao haingana, mpivarotra vaovao iray no nanatevin-daharna ny vondrona – tsy iza izany fa ilay artista Damian Agostini [6], mpanao asa tanana mampiasa hazo (matetika avy amin'ny hazo nariana). Efa mahazatra ny ampahany betsaka amin'ny asany (seza bory, seza, tehina), saingy manamboatra biby vita amin'ny hazo ihany koa izy (soavaly, alika, liona) izay somary hafakely. Nanjary nalaza haingana tao amin'ny Savannah i Agostini, ka tamin'ny 20 Apirly 2017, naka an-keriny sy nanimba ireo sary sokitra vitany [7]ny Monisipaliten'ny Tanànan'i Seranan'i Espaina satria tsy nanan-jo ara-dalàna hamelatra ireo entana ireo tao izy, nitsangana niaro azy ny tao amin'ny media sosialy.

Na dia nanaiky aza ny ankamaroan'ireo mpiserasera aterineto fa diso ilay mpanakanto nanao fivarotana tsy misy fahazoan-dalana sahaza izany, nihevitra ihany koa izy ireo fa tafahoatra [8] ny fanasazian'ny fiadidian'ny Tanàna hanala azy tao amin'ny Hivoka. Niteraka adihevitra lehibe mikasika ny fanomezan'ny tanàna sehatra ho an'ny mpanankato izay te hivarotra ny sangan'asany izany.

Nanoratra i Judy Raymond, mpisera Twitter, hoe:

Tokony hisy fomba hanampiana an'i Damian Agostini amin'ny Sangan'asany tao amin'ny Savannah fa tsy himonomonona fotsiny ao amin'ny FB mikasika ny fomba nanasaziana azy

Tao amin'ny Twitter, Facebook, sy ny fanangonan-tsonia Change.org [10], nihamafy ny tabataba antserasera ka niala tsiny [11]avy eo ny ben'ny tanàna vaovao noho ny zava-nitranga ary nampanantena hanome onitra tamin'ny fahasimban'ny asa kanton'i Agostini.

Nanamafy izany tao amin'ny Twitter i Raymond:

Nomena ny ben'ny tanàna ny laharana an-tariby an'i Damian Agostini ary mitady vahaolana maharitra ho azy ny fikambanana.

Tsy adihevitra vaovao ity filàna “vahaolana maharitra” ity. Nandefa indray ny lahatsoratra [13] avy amin'ilay mpanao gazety Sunity Maharaj, izay nosoratany efa ho herintaona mahery ny Wired868. Ao anatin'izany, niantso ny fifandonana teo amin'ny Monisipaliten'ny Tanànan'i Seranan'i Espaina sy ireo mpivarotra sakafo tao amin'ny Queen’s Park Savannah ho ny “fizaran-tantara farany amin'ny fanoherana lehibe eo amin'ny fahefana sy ny vahoaka izay mitahiry ny toekarena mifandray amin'ny fanjanahana nodiaviny fahiny izany”:

If we are to give real meaning to such borrowed concepts as SMEs and make productive use of the millions spent on encouraging the micro and small business sector, we must rise to the unexpected, often difficult challenges posed by the unplanned, spontaneous emergence of business.

At the Savannah, there was a business opportunity which the micro business sector spotted and seized upon, triggering a series of challenges for the city and other agencies of the state.

If we believe what we’ve been saying for years — that small business is the route to developing a sustainable economy — then this moment, right here, right now, presents one important opportunity.

Raha hanome ny tena dikan'ny tsirinkevitra nindramina tahaka ny PME (orinasa madinika sy salantsalany) isika ary mampiasa an-tapitrisany amim-pahombiazana amin'ny fandrisihana ny sehatry ny orinasa madinika sy salantsalany, dia tsy maintsy mijoro manoloana ireo tsy ampoizina, sy matetika fanamby sarotra apetraky ny firongatry ny fihariana mivoaka tampoka.

Ao Savannah, nisy ny fihariana azo nohararaotina izay tsikaritra sy nidiran'ireo orinasa madinika, ka niteraka andiana fanamby ho an'ny tanàna sy ny sampan-draharaham-panjakana hafa.

Raha matoky izay nolazaintsika nandritra ny taona maro isika – ity orinasa madinika ity no lalana mankany amin'ny fampandrosoana maharitra ny toekarena – ka manome fanararaotra lehibe eto amin'izao fotoana izao.

Eny tokoa, nisy ireo mpisera media sosialy izay somary nazava kokoa tamin'izy ireo ny olana – ohatra, mpisera Facebook iray, Taran Rampersad nilaza [14] hoe:

I now classify my vehicle as art, and if anyone tows it when I park illegally, I expect all of you to rise up. After all, it's how I make my livelihood. I promise to cry.

Sokajiako ho zavakanto ny fiarako izao, ary raha misy olona manjera azy rehefa mijanona tsy ara-dalàna aho, dia manantena anareo rehetra hitsangana aho. Ambonin'ny rehetra, izany no fivelomako. Mampanantena hitomany aho

Mifanohitra amin'izany kosa, tsy dia nahafantatra izay ataon'ny manampahefam-panjakana manontolo manoloana ny zavakantom-bahoaka kosa ny pejy Facebook The Penal Poet [15], izay manome fanehoan-kevitra haingana mikasika ireo lohahevitra isan-karazany:

 

Handany vola an-tapitrisany amin'ny hosodoko ho an'olona iray hahazoana saram-panerana ny governemantantsika
Saingy manary ny zavakanton'olona mahantra iray satria tsy nampiseho fahazoana alalana izy.

Roa andro taorian'ny nakàna an-keriny ny zavakanton'i Agostini, nivorivory tao amin'ny Vala Savannah [16] ireo mpanakanto namany mba hanaparitaka ny hafatra fa zava-dehibe ho an'ny fampandrosoana ny fiarahamonina ny zavakanto, ary tsy maintsy napetraka mba hanamorana izany ity toerana ity. Taorian'izany, afaka naka [17]ny efatra, fara fahakeliny tamin'ireo entany 15 nalaina an-keriny i Agostini ary nisy ny fitakiana hanomezana sehatra manokana ho an'ireo mpanakanto [18] mba hamelarana sy hivarotan'izy ireo ny sangan'asany ao an-drenivohitra.

Tao amin'ny Facebook, tonga tamin'ny hevitra mahaliana [19] ilay mpanakanto Darren Trinity Cheewah:

i want to create art made of old refrigerators and display it at Queens park west since the police throwing away art here lets make art out of things that we have trouble throwing away like tires, used microwaves, galvanize etc.

te-hamorona zavakanto vita amin'ny vata fampangatsiahana taloha aho ary mamelatra izany ao amin'ny vala andrefan'ny mpanjakavavy satria manary zavakanto eo ny polisy, avelao ho anisan'ireo zavatra tsy tiantsika hariana ny zavakanto, tahaka ny kodiarana, lafaoro tonta, sns.

Ho azy kosa, feno fankasitrahana [20] tamin'ireo fanohanana marobe i Agostini. Nanome aingam-panahy ho azy mihitsy mba hanangana ny kaonty Twitter [21]-ny manokana ny zava-niainany rehetra.

mahatsiaro tena faly noho ny fitiavana androany, misaotra ny rehetra, misaotra an'i Daniel, Jesse ary misoatra ny ben'ny tanàna