- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Netizen Report: Mpanao Gazety Meksikana Nahazo Fandrahonana Antserasera, Ary Maty Nisy Namono Avy Eo

Sokajy: Amerika Latina, Meksika, Hafanam-po, Mediam-bahoaka, Zon'olombelona, Feo voarahona, Tatitry ny Mpiserasera, GV Mpisolovava
[1]

Mpanao gazety Meksikana an-jatony no nanao diabe am-pahanginana tao an-tanàndehiben'i Mexico City ho fanoherana ny fakàna an-keriny, famonoana sy ny herisetra nihatra tamin'ny naman'izy ireo manerana ny firenena tamin'ny taona 2010. Sary avy amin'ny Knight Foundation tao amin'ny Flickr (CC BY-SA 2.0)

Manome topi-maso iraisam-pirenena momba ny fanamby, fandresena sy ny vaovao malaza momba ny zo an'aterineto manerantany ny Netizen Report an'ny Global Voices Advocacy

Mpanao gazety efatra no maty nisy namono tao [2] Meksika hatramin'ny 2 Martsa 2017. Na dia tsy fantatra isaky ny tranga aza ny antony namonoan'ireo mpamono olona azy ireo, nitatitra momba ny kolikoly sy ny andian-jiolahy ireo mpanao gazety efatra ireo. Ary nahazo fandrahonana herisetra tamin'ny aterineto sy ivelan'ny aterineto ny telo tamini'izy ireo noho ny asan'izy ireo.

Anisan'izy ireo ilay mpanao gazety menavazana sady bilaogera mpitatitra momba ny heloka bevava, Maximino Rodríguez, izay maty voatifitra teo am-pidirana tao amin'ny toerana fijanonan'ny fiara niaraka tamin'ny vadiny. Vao haingana i Rodiguez, 74 taona no nitsikera [3]momba ny zavatra ataon'ny andian-jiolahy ao an-toerana ary nahazo fandrahonana ho faty avy amin'ny mpamaky iray, andro vitsy talohan'ny namonoana azy.

Nitatitra momba ny ady an-trano tao Honduras sy El Salvador tamin'ny taona 1980 i Maximino Rodríguez ary efa niasa niaraka tamin'ireo fikambanam-baovao isan-karazany tao Meksika. Ao anatin'ny fisotroan-dronono izy no nandray anjara mavitrika tao amin'ny Colectivo Pericú [4], bilaogy ao amimn'ny fanjakana Baja California Sur, izay manangona tatitra zarain'ireo mpamaky tsy mitonona anarana momba ny heloka bevava sy ny kolikoly ao amin'ny faritra. Nanjary niha-nahazatra ao Meksika ity karazana fomba fitaterana heloka bevava ity, indrindra indrindra ao amin'ny fanjakana avaratra, izay saika isan'andro ny herisetra mihatra amin'ireo mpanao gazety sy ny biraon'ny fampahalalam-baovao.

Tamin'ny 2 Martsa, nisy nitifitra im-polo tao amin'ny toerana fanasana fiara ilay mpanao gazety tsy miankina, Cecilio Pineda Birto [5] rehefa naharay fandrahonana ho faty marobe noho ireo tatitra mikasika ny heloka bevava navoakany tao amin'ny pejy Facebook [6] azon'ny rehetra idirana, ary manana mpanjohy maherin'ny 31 000. Nanoratra matetika tao amin'ny gazety nasionaly mpivoaka isan'andro El Universal sy ny La Jornada de Guerrero ihany koa i Cecilio Pineda Birto .

Tamin'ny 23 Marsa indray, maty nisy namono tao amin'ny fanjakana Chihuahua ilay mpanao gazety menazavana mpitatitra momba heloka bevava Miroslava Breach Velducea [7], niasa tamin'ireo fampahalalam-baovao lehibe maromaro izy, anisan'izany ny La Jornada [8] sy El Norte, gazety lehibe ao avaratr'i Meksika izay nitsahatra niasa fotoana fohy taorian'ny nahafatesan'i Miroslava ho fanehoana “hetsika fanoherana” manoloana ny loza mitatao amin'ireo mpitati-baovaon'izy ireo araka ny nofaritan'ny lehiben'ny tonian-dahatsoratra .

Ricardo Monlui Cabrera [9], izay nitatitra momba ny politika sy ny indositirian'ny siramamy ao an-toerana nandritra ny 30 taona kosa no maty nisy namono tamin'ny 19 Marsa [10]tao amin'ny fanjakana Veracruz. Niasa ho lehiben'ny tonian-dahatsoratra tao amin'ny El Político izy ary filohan'ny fikambanan'ny mpanao gazety ao an-toerana. Mbola tsy fantatra ny antony namonoana azy [11]

Milaza ny antontan-taratasy avy amin'ny Komity Mpiaro ny Mpanao Gazety [12]fa i Meksika no hany firenena manerantany izay ahitana famonoana mpanao gazety noho ny valifaty amin'ny asan'izy ireo ny taona 2017. Ny volana Marsa, namoaka ny tatitr'izy ireo taona 2016 [13]ny fikambanana Article19 Mexico manandra-teny ho fahalalahan'ny haino aman-jery ka nandrakitra tranga famoretana mpanao gazety miisa 426 izy ireo, anisan'izany ny fanafihana ara-batana, ny fandrahonana hampiakatra fitsarana sy ny fanafihana amin'ny alalan'ny nomerika.

Miaina herisetra betsaka i Kashmir – ary notapahana ny tolo-pifandraisana fototra

Noho ireo mpanao fihetsiketsehana manohitra ny fifidianana vao haingana [14] sy ny fihanaky ny herisetram-bahoaka ao avaratry ny fanjakana Indiana Jammu sy Kashmir,  notapahana ny fifandraisana 3G sy 4G amin'ny finday tamin'ny 17 Aprily. Mandrisika ny lehiben'ny minisi-panjakana mba handràra ny Facebook sy WhatsApp [15] atsy ho atsy ireo mpitarika antoko politika, mba hampiadana ny fipariahan'ny sary misy fihetsika feno herisetra ao amin'ny faritra, indrindra ny lahatsary malaza iray ahitana mpanao fihetsiketsehana iray [16] nofatoran'ny miaramila Indiana tamin'ny fiaraben'ny miaramila mba atao «olombelona ampinga». Ity no farany [17] tamin'ireo andiana fanapahana somary antonony tamin'ny tranonkala sy ny tolo-pifandraisana tao anatin'ny volana vitsy lasa.

Mpanao sarisokitra Fivaviana tamin'ny 3D voasazy handoa onitra noho ny fanehoana Zavatra Mamoha fady tao Japana

Nosaziana handoa onitra [18] noho ny fiampangana azy tamin'ny zavatra mamoha fady ilay mpanakanto Japoney rehefa nizara sary nomerika 3D misy ny sarin'ny fivaviany ho amin'ny ezaka fanangonam-bola amin'ny asa-kantony. Efa nanatontosa sy nampiseho sarisokitra fivaviana maromaro izy ary tsy nisy olana ara-pitsarana na dia ny iray tamin'ireo sangan'asany aza. «Nihevitra hatrany aho fa tsy manan-tsiny. Saingy ny tahiry 3D no meloka fa tsy ny Decoman (sangan'asa).», hoy i Megumi Igarashi tamin'ireo mpanao gazety taorian'ny nanambarana ny didim-pitsarana.

Miatrika fanenjehana ny mpampianatra ambony Ogandey noho ny “ravim-body miara-roa”

Ogandey mpampianatra ambony sady mpiaro ny vehivavy, Stella Nyanzi no voampanga ho nitarika [19] «fanorisorenana antserasera» sy «fifandraisana manohintohina» tamin'ny lahatsoratra Facebook mampitaha ny filoha Yoweri Museveni amin'ny «ravim-body miara-droa ». Manana mpanjohy 141 000 ao amin'ny Facebook, feo matanjaka momba ny olana ara-pananahana sy ny fahasalamam-behivavy ao Oganda i Stella Nyanzi. Nanampy nitarika fanentanana manerana ny firenena izy mba hanangonam-bola ho amin'ny fiarovana ara-pahasalamana ho an'ny tovovavy mpianatra. Andro vitsy talohan'ny nisamborana azy, nataon'ny polisy famotorana mikasika ny ezaka fanangonam-bola nataony izy. Mijanona any am-ponja izy mandra-pahatonga ny fitsarana azy amin'ny 25 Aprily..

Mety ho nanao fahadisoana ny Polisy Rosiana tamin'ny raharaha “fampihorohoroana”

Voampanga [20] ho nanao antso ho an'ny vahoaka hanao “hetsika fampihorohoroana” ny Rosiana mpampianatra matematika iray raha sendra nahita ny hafatra antserasera tao amin'ny adiresy IP-ny ny polisy Rosiana. Nilaza i Dmitry Bogatov fa tsy izy no nanoratra ny hafatra, ary misy ny porofo mazava fa mety nikambana adiresy IP tamin'i Bogatov ireo tena mpanoratra ny hafatra satria nampiasa Tor (nitantana vonam-pivoahana amin'ny Tor i Bogatov) na karazana teknika hiadiana amin'ny hala-tahaka IP i Bogatov. Nohamafisin'ny mpitsara nisahana ny raharaha tamin'ny 10 Aprily ny fiampangana azy na dia tsy naharesy lahatra aza ny porofo fiampangana ary matanjaka ny fiarovan-tena, ka nohalavaina mandra-pahatongan'ny fitsarana azy amin'ny 8 Jiona ny fanagadrana an'i Bogatov.

Antso Telegram voasakana ao Iran

Tamin'ny 14 Aprily, napetraka tamin'ny fomba ofisialy tao Iran ny antso amin'ny Telegram. Na izany aza, tao anatin'ny 24 ora nametrahana azy, nitatitra ireo mpiserasera fa tapaka ny tolotra. Tamin'ny 17 Aprily, nanambara tamin'ny fomba ofisialy tamin'ny alalan'ny didim-pitsarana [21] ny mpampanoa lalàna ao Iran fa nosakanana ny tolotra antso amin'ny Telegram. Araka ny filazan'ny mpanorina sady tale jeneralin'ny Telegram Pavel Durov [22], sy ireo mpandraharaha maromaro misahana ny finday ao Iran, nosakanan'ny tetezan-kely (passerelle) iraisam-pirenena ampiasain'ny Orinasan'ny Fotodrafitrasam-pifandraisan-davitra ao Iran ny tolotra antso amin'ny Telegram.

Ortodoksia Rosiana sy ny fandraràna ny media sosialy

Miezaka mandroaka [23]an'ilay Rosiana mpanao politika konservativa ara-tsosialy,Vitali Milonov ao amin'ny tambajotra sosialy Vkontakte ireo mpitsikera azy noho ny fampiasana ny andinin-teny “Ορθοδοξία ή θάνατος!” (“Ortodoksa na fahafatesana!” tamin'ny teny Grika), andinin-teny nosokajian'ny fitsarana Rosiana fa “lahateny mahery fihetsika», taona maro lasa izay. Efa nampiasa ity andinin-teny ity tamin'ireo fampielezan-keviny ara-politika i Vitali Milonov, konservativa ara-pivavahana hiringiriny, sy heverina fa mpahay maritrano amam-panorenana lehibe indrindra tamin'ny fandraràn'i St-Petersburg ny “fampielezan-kevitra pelaka”.

Mangataka amin'ireo mpiserasera mba tsy hanjohy ireo mpitsikera ny Fanjakana i Thailandy

Mandrisika ireo mpiserasera aterineto Thailandey ny minisiteran'ny Toekarena sy Fiarahamonina Nomerika ao Thailandy mba tsy hanjohy ireo kaonty media sosialy [24]an'ireo mpitsikera telo any am-pitandranomasina, mpitsikera ny governemanta tohananan'ny miaramila: Somsak Jiamtheerasakul sy Dr Pavin Chachavalpongpun ary koa ilay mpitati-baovaon'ny Reuters teo aloha tao Bangkok, Andrew MacGregor Marshall. Nilaza ny minisitera [25]fa ny Thailandey izay mbola manjohy, na mitia sy mizara ny votoaty antserasera alefan'ireo lehilahy telo ireo dia mety hiharan'ny fanenjehana ara-pitsarana eo ambanin'ny Lalànan'ny Heloka Bevava Antserasera ao Thailandy.

Aza mitsikilo, avelao izahay hisidina

Mandrisika ny Sekreteran'ny Fiarovana Anatiny ao Etazonia, John Kelly ireo mpiaro ny fahalalahana sivily [26] ao Etazonia mba hitsipaka izay lalàna mitaky amin'ireo «mpangataka visa, mpitsoa-ponenana, na vahiny mpitsidika hafa mba hanome ny teny miafin'izy ireo amin'ny kaonty antserasera… ahafahany miditra ao Etazonia», manamafy ihany koa fa ny fitakiana tahaka izany dia manitsakitsaka ny lalàna ao amin'ny firenena sy ny iraisampirenena izay miaro ny fiainana manokana, ary mety “hanohintohina ny fanehoan-kevitra sy ny fitondrantenan'ny olona manerantany».

Fanadihadiana vaovao momba ny fampitoniana ny media sosialy

Ny lahatsary fanadihadiana vaovao mitondra ny lohateny hoe “Ny Mpandrindra tambajotra (moderator) dia mitrandraka ny asa andavan'andron'ireo [27] mpandrindra votoaty izay mamafa ireo sary manafintohina ao amin'ny tambajotra sosialy sy ny tranonkala, manivana ny herisetra, ny sary mamoha fady sy ny karazana votoaty hafa mety hanohintohina ny ankamaroan'ny mpiserasera. Milaza ny fanadihadiana fa olona eo amin'ny 150 000 eo no ampiasaina amin'ny fandrindràna votoaty manerantany, ary monina ao India ny ankamaroan'ireo mpiasa ireo. Fanamarihana: ahitana sary mampihoro-koditra ny lahatsary.

Fikarohana vaovao

 

Misoratana anarana ao amin'ny Netizen Report amin'ny alalan'ny mailaka [30]

 

 

Mahsa Alimardani [31], Ellery Roberts Biddle [32]Oiwan Lam [33], Leila Nachawati [34], Elizabeth Rivera [35]Nevin Thompson [36] sy Sarah Myers West [37] no niara-nanoratra ity tatitra ity.