- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Fijerin'ny Ankizy Ny Ho Avin'i Hong Kong: Trano Ambanin'ny Rano, Fahalotoana, Dia An'Habakabaka ary Fahadiovan-Tsaina

Sokajy: Azia Atsinanana, Hong Kong (Shina), Shina, Mediam-bahoaka, Zavakanto & Kolontsaina

‘Mitia Hong Kong Manorina Hong Kong Miara-manorina Hong Kong’, Chan Sau-yee. Sary avy amin'ny governemanta HK via HKFP.

Ny lahatsoratra dia nosoratan'i Hong Wrong ary nivoaka voalohany tao amin'ny Hong Kong Free Press tamin'ny 16 Avrily 2017 [1]. Ny voatra eto ambany dia nivoaka eto amin'ny Global Voices noho ny fifanarahana fiaraha-miasa.

Mpianatra sekoly fanabeazana fototra miisa 13 no nahazo loka tamin'ny fifaninanana nampanaovin'ny governemanta ho fankalazana ny faha-20 taona nanolorana ny tanàna ho an'i Shina tamin'ny 14 avrily.

Tamin'ny voalohany Jolay 1997 no namindran'ny Fanjakana Mitambatra Britanika ny fiandrianam-pirenen'i Hong Kong ho an'i Shina.

Nihoatra ny 3000 ny isan'ny mpandray anjara nanomboka ny desambra ka hatramin'ny febroary lasa teo, ny lohahevitra tamin'ity fifaninanana afisy dia “Rehefa 20 taona aho”. Nangatahana ireo ankizy mba hanao sary amin'ny afisy sy hizara ny hevitr'izy ireo mikasika izay mety ho fiainana rehefa feno 20 taona izy ireo. Nasaina hanao lahatsary momba ny lohahevitra “ny fiarahana” ihany koa ireo mpianatra amin'ny sekoly ambaratonga faharoa sy ny vahoaka rehetra.

Ny safidin'ny HKFP tamin'ireo afisy voaangona:

Mitia an'i Hong Kong Manorina Hong Kong Miara-manorina Hong Kong avy amin'i Chan Sau-yee (sary eo ambony indrindra)

Chan Sau-yee, 11 taona no nandresy tamin'ny fifaninanana tamin'ny sangan'asany maroloko maneho tanàna misy trano ambanin'ny rano:

To solve the problem of insufficient land supply, the government seeks land both in the urban areas and the countryside to build houses.

Why not think outside the box and build a city at the bottom of the sea by constructing large community houses and luxury flats so that Hong Kong's admirers of the sea can have one more option?

Mba hamahana ny olana amin'ny tsy fahampian'ny tany, mitady tany ao amin'ny faritra andrenivohitra sy ambanivohitra ny governemanta mba hananganana trano

Nahoana raha mieritreritra ivelan'ny boaty ary hanorina tanàna eo amin'ny farany ambanin'ny ranomasina amin'ny alalan'ny fanorenana tranom-piarahamonina lehibe sy trano mihaja feno efitrefitra, amin'izay manana safidy hafa ireo mpankafy ny ranomasin'i Hong Kong?

‘Fandinihana ho an'ny Mponina Hong Kong – Fako Hong Kong’, Lau Tsz-wang. Sary avy amin'ny Governemantan'i HK tao amin'ny HKFP.

Lau Tsz-wang, 11 taona no nahazo ny loka faharoa tamin'ny fomba fijeriny apokalitpika (fara-andro) momba ny ho avin'ny tanàna:

In my painting, Hong Kong has become a city of garbage where the air is toxic and everybody has to wear an oxygen mask, whilst buildings are damaged…

My painting is to remind people of [the importance of] environmental protection, not to generate garbage, so that our future would not look like my painting.

Amin'ny sary hosodokoko, lasa tanànan'ny fako i Hong Kong ka tsy maintsy manao saron-tava miaty ôksizena ny rehetra noho ny fahalotoan'ny rivotra, simba ihany koa tranobe …

Ny sary hosodokoko dia mampatsiahy ny vahoaka ny [maha-zava-dehibe] ny fiarovana ny tontolo iainana, fa tsy hamokatra fako, amin'izay tsy ho lasa tahaka ny sary hosodoko ny hoavintsika.

‘Hong Kong Laharana Voalohany, Manakatra Avo ny Lanitra: Ny tsingerintaona faha-30 taonan'ny Fiverenan'i Hong Kong tamin'ny Tanindrazana (Motherland)’, Chu Ching-fung. Sary avy amin'ny governemanta HK tao amin'ny HKFP.

Azon'i Chu Ching-fung kosa ny loka fahatelo, izay nanana fijery be fanantenana kokoa amin'ny ho avin'ny tanàna

By the time I am 20, I shall be a journalist…The first Hong Kong-built space shuttle (Hong Kong No. 1) was launched on the date of the 30th anniversary as everybody cheered and felt greatly encouraged… This is what I reported on [the] scene.

Rehefa 20 taona aho, ho lasa mpanao gazety… Nalefa tamin'ny daty faha-30 taona ny sambondanitra voalohany namboarina tao Hong Kong (Hong Kong laharana 1), ka nifanoroka ny rehetra ary nahatsiaro nahazo hery tanteraka … Tahaka izany no nitaterako ny zava-misy.

‘Avy ao Hong Kong mankany amin'izao Tontolo izao’, Leah Lai. Sary tany amin'ny governemanta Hong Kong tao amin'ny HKFP. 

Avy ao Hong Kong mankany amin'izao tontolo izao, avy amin'i Leah Lai

Nahazo fahamendrehana tamin'ny afisiny nanana aingam-panahy tamin'ny fitiavany ny tramway (fiaran-dalamby an-tanàna) an'i Hong Kong i Leah Lai, 9 taona .

Trams have not only been running between the east and the west of Hong Kong Island,” she wrote. “When I’m 20, we may take the trams from Hong Kong to the universe to have a wonderful and amazing tram tour.

Tsy miasa eo anelanelan'ny atsinanana sy ny andrefan'ny nosy Hong Kong ihany ny tramway”, hoy izy. “Rehefa feno 20 taona aho, afaka mandeha tramway miala ao Hong Kong mankany amin'izao tontolo izao isika mba hiaina fitsangatsaganana mahafinaritra sy mahatalanjona amin'ny tramway.

‘Mba ho marina sy olon'ny fahavononana’, Wu Lok-yi. Sary tany amin'ny governemanta HK avy amin'ny HKFP.

‘Mba ho marina sy olon'ny fahavononana’, avy amin'i Wu Lok-yi

Toa mijery am-pitsikerana ny vaovao ankehitriny ao Hong Kong i Wu Lok-yi, sivy taona no sady manao sary amin'ity afisy nahazo fahamendrehana ity:

When I am 20, I shall be a mature person. When I am 20, I shall be an honest person. When I am 20, I shall be a person with commitment. When I am 20, I will not be a person that schemes all the time.

I will never be a dirty hypocrite as often reported in the news.

Rehefa 20 taona aho, dia ho lasa olona matotra. Rehefa feno 20 taona aho, dia ho olo-marina. Rehefa 20 taona aho, dia ho olona feno fahavononana. Rehefa 20 taona aho, dia tsy ho olona miala an-daharana mihitsy.

Tsy ho mpihatsaravelatsihy maloto tahaka ny taterina amin'ny vaovao matetika aho.

‘Te ho mpanamory sambondanitra aho rehefa lehibe’, Leung Lai-man. Sary tany amin'ny governemanta HK nandalo HKFP. 

‘Te ho mpanamory sambondanitra aho rehefa lehibe’, Leung Lai-man.

Na dia ahitana sainam-pirenena Shinoa aza ny lohahevitra amin'ny afisin'i Leung Lai-man, 9 taona, nilaza i Leung fa amin'ny faha 20 taonany izany …

I shall be working at NASA of the US in future.

I find a planet that has never been discovered before. After a while, I find a creature in space and I am very excited.

I see the entire Milky Way in space and return to Earth after one year, a very long time indeed.

Hiasa ao amin'ny NASA ao Etazonia aho rahatrizay.

Mahita planeta tsy mbola nisy nahita taloha mihitsy aho. Fotoana fohy aoriana, mahita zavaboary ao amin'ny habakabaka aho ary mientam-po tanteraka.

Mahita ny Vahandanitra manontolo ao amin'ny habakabaka aho ary miverina ety an-tany herintaona aty aoriana, tena ela tokoa.