- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Novonjen'ny Hetsi-panoherana Tao Italia Tamin'ny Fanapahana Ireo Hazo Mihoatra ny Zato Taona Anjatony

Sokajy: Eoropa Andrefana, Italia, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Tontolo_iainana

Sahan'oliva anjato-taonany . Sary: Alessandra Tommasi

Niainga avy tamin'ny sombin-dahatsoratr’ [1]i Rachel Hubbard ho an'ny 350.org, fikambanana nanangana ny hetsika manerantany mikasika ny toetr'andro, ity lahatsoratra ity ary navoaka eto indray ho anisan'ny fiaraha-miasa amin'ny Global Voices.

Vao haingana, nahazo fandresena kely kanefa manan-danja tamin'ny fanentanana anoherana ny fametrahan'ny Trans Adriatic Pipeline (TAP) fantsona lehibe ny fokonolona ao Salento, any amin'ny ‘farany’ atsimon'i Italia, izay tokony hitondra etona avy any Azerbaijan ho ao Italia.

Mila fanesorana ny hazon'oliva fahiny hanomezana lalana ny fantsona ny drafi-panorenana, kanefa naato tamin'ny fiandohan'ny Aprily ny asa taorian'ny hetsi-panoherana nahery vaika.

Ny TAP sy ny Southern Gas Corridor no tetikasan'akoranafo milevina lehibe indrindra izay trandrahan'ny Vondrona Eoropeana. Fantatra fa hitondra etona an'arivony miliara metatra toratelo mankany Eorôpa izany kanefa tsy mifanaraka amin'ny andraikitra ifanarahana mikasika ny toetr'andro ao Eoropa. Araka ny tatitra nataon'ny Tsenan'ny Solika Iraisampirenena [2], efa namoaka karbônina mihoatra noho fetra, nifanarahan'i Eoropa sy ny fitondram-panjakana manerana izao tontolo izao tamin'ny Dinan'ny Toetr'andro tao Paris, azo avoaka ny fanodinana ny akoranafo milevina tsy hiakaran'ny hafanana manerantany. Midika izany fa tokony tsy hisy ny toerana hanaovana tetikasan'akoranafo milevina vaovao, ary indrindra fa amin'ny fotodrafitrasa amin'izao habeny izao, izay mikendry ny hanitarana bebe kokoa  ny tsenan'ny etona any Eoropa.

Hiditra an-tanety ao amoron-dranomasina tsara tarehin'ny tanànan'i San Foca ny fantsona. Matahotra ireo olona sasany fa mety hiteraka fahasimbana goavana amin'ny endriky ny toerana ao an-toerana sy ny morontsiraka ny fametrahana fantsona sy ny toby fandraisana ny etona.

Mbola nikasa ny hanatanteraka izany hatrany ny governemanta Italiana na dia teo aza ny filazana mialoha ny fiantraikan'izany tetikasa izany amin'ny toetrandro sy ny fanoheran'ny olona ary ny mpanao politika tao an-toerana.

Fivoriam-bahoaka teo akaikin'ny toeram-panorenana ao San Foca. Sary: Alessandra Tommasi

Tamin'ny 20 Martsa, nitsangana ny tsatoka rehefa nanomboka nanala ireo hazon'oliva fahiny an-jatony teo akaikin'ny kaominina ambanivohitr'i Melendugno ny orinasa hanangana ny fantsona izay tsy nanana fahazoan-dalana hanao ny asa, araka ny notsikerain'ny ben'ny tanàna tao an-toerana sy ny filohan'ny faritra ao Apulia [3]. Zava-dehibe amin'ny fiveloman'ny olona maro ireo hazo ireo. Tsy izay ihany, fa sarobidy ho an'ireo olona ao an-toerana ihany koa ary efa naniry teo an-jato taonany maro (mihoatra ny arivo taona aza ny sasany amin'izany) .

Vao mainka nirongatra ny fanoherana tao an-toerana isan'andro nanomboka teo, olona an-jatony no nivory teo amin'ny toerana ho fanoherana am-pilaminana ny fanorenana. Nangataka tamin'ny manampahefan'ny faritra ny ben'ny tanàna tao an-toerana mba hampitsahatra ny asan'ny orinasa mandritra ny telo andro, mba hanaovana fanadihadiana ny fahazoan-dalana .

Vahoaka ao Melendugno miaro ireo hazon'oliva amin'ny TAP. Sary: Alessandra Tommasi

Tsy mbola voavaha ny olan'ny fahazoan-dalana ary nitohy hatrany ny asa taorian'ny fiatoana telo andro. Nandefa polisy ny governemanta nasionaly mba hiaro ny tombontsoan'ny orinasa mpametraka ny fantsona, ary nanosika ny vahoaka tamin'ny ampinga sy kibay mba ahafahan'ny orinasa manohy ny fanesorana ireo hazo. Maro no naratra tamin'ny mponina tao an-toerana  araka ny tatitra nataon'ny olona.

Nandritra ireo andro vitsivitsy ireo, maro ireo hazo voaaisotra sy voaongotra tao amin'ny faritra, ka nahavaky fo ireo maro nanatrika izany tao an-toerana.

Nesorina ny hazo rehetra eto amin'ity sary ity nandritra izany fotoana izany. Sary: Alessandra Tommasi

Tsy nanaiky resy anefa ry zareo. Natao tsy tapaka ny famoriam-bahoaka, ary nahasarika vahoaka teo amin'ny 500 ka hatramin'ny 1.000 teo ho eo. Lasa lohateny lehibe tao amin'ny gazety italianina ny fanentanana, ary nalefan'ny vondrona tao Milan, Bologna sy Roma ny hafatra sy hetsika firaisan-kina.

Nanomboka nisarika ny sain'ny fampitam-baovaom-pirenena sy iraisam-pirenena ny hetsi-panoherana, nihanatevina hatrany ny famoriam-bahoaka isan'andro tao amin'ny toerana ary indray alina, nanao barazy tamin'ny vato ireo olona ireo hanakanana ireo fiara tsy hiditra tao amin'ny toerana.

Nanao barazy hanakanana ny asan'ny TAP ny mponina ao an-toerana. Sary: Alessandra Tommasi

Tany am-piandohan'ny volana Aprily, naato ny fanesorana ny hazo noho ny sakana sy ny halehiben'ny hetsi-panoherana. Kely sisa ankehitriny ny herijika tsy hanesorana ireo hazo sisa. Hanomboka ny fitsirian'ny ravina sy rantsana afaka  herinandro vitsivitsy, ary tsy maintsy avela eo mandritra ny vanin-taona mafana ny hazo.

Mitohy isan'andro ny famoriam-bahoaka sy ny fivoriana ho an'ny besinimaro. Tsy misy mahalala izay zavatra hitranga manaraka kanefa tapa-kevitra tanteraka ny hampitsahatra ny TAP ny Komitin'ny “Tsy mila TAP” ao an-toerana. Milaza hatrany ry zareo fa tsy ilaina ny tetikasa, indrindra satria nihena ny tinady etona any Eoropa [4], ary tsy manaraka ny fomba demaokratika ihany koa ny fanorenana no sady noteren'ny governemanta atao na dia tsy eken'ny olona ao an-toerana aza. Milaza  ihany koa ry zareo fa hiteraka olana ara-toekarena sy fahasimbana ara-tontolo iainana lehibe izay tsy ho azo harenina ao amin'ny faritra izany  .

Hoy ny hafatra hoe “né, qui né altrove” – ​​”Tsy mila TAP na eto na aiza na aiza”.

Azonao arahina ao amin'ny Twitter ny fanentanana miaraka amin'ny tenirohy #NoTAP. Ao amin'ny Twitter @no_tap [5] sy ao amin'ny Facebook @MovimentoNoTAP [6] ny komity mpikarakara ao an-toerana. Raha mila fanazavana bebe kokoa momba ny TAP, izay antsoina ihany koa hoe ny Fantsona Goavambe Eoro-Kaspianina, dia jereo ny fanadihadihana ao amin'ny tranonkala Walking the Line [7] izay nataon'ny vondrona mpanentana Counter Balance, Platform London ary Re:Common.