Novonjen'ny Hetsi-panoherana Tao Italia Tamin'ny Fanapahana Ireo Hazo Mihoatra ny Zato Taona Anjatony

Sahan'oliva anjato-taonany . Sary: Alessandra Tommasi
Niainga avy tamin'ny sombin-dahatsoratr’i Rachel Hubbard ho an'ny 350.org, fikambanana nanangana ny hetsika manerantany mikasika ny toetr'andro, ity lahatsoratra ity ary navoaka eto indray ho anisan'ny fiaraha-miasa amin'ny Global Voices.
Vao haingana, nahazo fandresena kely kanefa manan-danja tamin'ny fanentanana anoherana ny fametrahan'ny Trans Adriatic Pipeline (TAP) fantsona lehibe ny fokonolona ao Salento, any amin'ny ‘farany’ atsimon'i Italia, izay tokony hitondra etona avy any Azerbaijan ho ao Italia.
Mila fanesorana ny hazon'oliva fahiny hanomezana lalana ny fantsona ny drafi-panorenana, kanefa naato tamin'ny fiandohan'ny Aprily ny asa taorian'ny hetsi-panoherana nahery vaika.
Ny TAP sy ny Southern Gas Corridor no tetikasan'akoranafo milevina lehibe indrindra izay trandrahan'ny Vondrona Eoropeana. Fantatra fa hitondra etona an'arivony miliara metatra toratelo mankany Eorôpa izany kanefa tsy mifanaraka amin'ny andraikitra ifanarahana mikasika ny toetr'andro ao Eoropa. Araka ny tatitra nataon'ny Tsenan'ny Solika Iraisampirenena, efa namoaka karbônina mihoatra noho fetra, nifanarahan'i Eoropa sy ny fitondram-panjakana manerana izao tontolo izao tamin'ny Dinan'ny Toetr'andro tao Paris, azo avoaka ny fanodinana ny akoranafo milevina tsy hiakaran'ny hafanana manerantany. Midika izany fa tokony tsy hisy ny toerana hanaovana tetikasan'akoranafo milevina vaovao, ary indrindra fa amin'ny fotodrafitrasa amin'izao habeny izao, izay mikendry ny hanitarana bebe kokoa ny tsenan'ny etona any Eoropa.
Hiditra an-tanety ao amoron-dranomasina tsara tarehin'ny tanànan'i San Foca ny fantsona. Matahotra ireo olona sasany fa mety hiteraka fahasimbana goavana amin'ny endriky ny toerana ao an-toerana sy ny morontsiraka ny fametrahana fantsona sy ny toby fandraisana ny etona.
Mbola nikasa ny hanatanteraka izany hatrany ny governemanta Italiana na dia teo aza ny filazana mialoha ny fiantraikan'izany tetikasa izany amin'ny toetrandro sy ny fanoheran'ny olona ary ny mpanao politika tao an-toerana.

Fivoriam-bahoaka teo akaikin'ny toeram-panorenana ao San Foca. Sary: Alessandra Tommasi
Tamin'ny 20 Martsa, nitsangana ny tsatoka rehefa nanomboka nanala ireo hazon'oliva fahiny an-jatony teo akaikin'ny kaominina ambanivohitr'i Melendugno ny orinasa hanangana ny fantsona izay tsy nanana fahazoan-dalana hanao ny asa, araka ny notsikerain'ny ben'ny tanàna tao an-toerana sy ny filohan'ny faritra ao Apulia. Zava-dehibe amin'ny fiveloman'ny olona maro ireo hazo ireo. Tsy izay ihany, fa sarobidy ho an'ireo olona ao an-toerana ihany koa ary efa naniry teo an-jato taonany maro (mihoatra ny arivo taona aza ny sasany amin'izany) .
Vao mainka nirongatra ny fanoherana tao an-toerana isan'andro nanomboka teo, olona an-jatony no nivory teo amin'ny toerana ho fanoherana am-pilaminana ny fanorenana. Nangataka tamin'ny manampahefan'ny faritra ny ben'ny tanàna tao an-toerana mba hampitsahatra ny asan'ny orinasa mandritra ny telo andro, mba hanaovana fanadihadiana ny fahazoan-dalana .

Vahoaka ao Melendugno miaro ireo hazon'oliva amin'ny TAP. Sary: Alessandra Tommasi
Tsy mbola voavaha ny olan'ny fahazoan-dalana ary nitohy hatrany ny asa taorian'ny fiatoana telo andro. Nandefa polisy ny governemanta nasionaly mba hiaro ny tombontsoan'ny orinasa mpametraka ny fantsona, ary nanosika ny vahoaka tamin'ny ampinga sy kibay mba ahafahan'ny orinasa manohy ny fanesorana ireo hazo. Maro no naratra tamin'ny mponina tao an-toerana araka ny tatitra nataon'ny olona.
Nandritra ireo andro vitsivitsy ireo, maro ireo hazo voaaisotra sy voaongotra tao amin'ny faritra, ka nahavaky fo ireo maro nanatrika izany tao an-toerana.

Nesorina ny hazo rehetra eto amin'ity sary ity nandritra izany fotoana izany. Sary: Alessandra Tommasi
Tsy nanaiky resy anefa ry zareo. Natao tsy tapaka ny famoriam-bahoaka, ary nahasarika vahoaka teo amin'ny 500 ka hatramin'ny 1.000 teo ho eo. Lasa lohateny lehibe tao amin'ny gazety italianina ny fanentanana, ary nalefan'ny vondrona tao Milan, Bologna sy Roma ny hafatra sy hetsika firaisan-kina.
Nanomboka nisarika ny sain'ny fampitam-baovaom-pirenena sy iraisam-pirenena ny hetsi-panoherana, nihanatevina hatrany ny famoriam-bahoaka isan'andro tao amin'ny toerana ary indray alina, nanao barazy tamin'ny vato ireo olona ireo hanakanana ireo fiara tsy hiditra tao amin'ny toerana.

Nanao barazy hanakanana ny asan'ny TAP ny mponina ao an-toerana. Sary: Alessandra Tommasi
Tany am-piandohan'ny volana Aprily, naato ny fanesorana ny hazo noho ny sakana sy ny halehiben'ny hetsi-panoherana. Kely sisa ankehitriny ny herijika tsy hanesorana ireo hazo sisa. Hanomboka ny fitsirian'ny ravina sy rantsana afaka herinandro vitsivitsy, ary tsy maintsy avela eo mandritra ny vanin-taona mafana ny hazo.
Mitohy isan'andro ny famoriam-bahoaka sy ny fivoriana ho an'ny besinimaro. Tsy misy mahalala izay zavatra hitranga manaraka kanefa tapa-kevitra tanteraka ny hampitsahatra ny TAP ny Komitin'ny “Tsy mila TAP” ao an-toerana. Milaza hatrany ry zareo fa tsy ilaina ny tetikasa, indrindra satria nihena ny tinady etona any Eoropa, ary tsy manaraka ny fomba demaokratika ihany koa ny fanorenana no sady noteren'ny governemanta atao na dia tsy eken'ny olona ao an-toerana aza. Milaza ihany koa ry zareo fa hiteraka olana ara-toekarena sy fahasimbana ara-tontolo iainana lehibe izay tsy ho azo harenina ao amin'ny faritra izany .
Hoy ny hafatra hoe “né, qui né altrove” – ”Tsy mila TAP na eto na aiza na aiza”.
Azonao arahina ao amin'ny Twitter ny fanentanana miaraka amin'ny tenirohy #NoTAP. Ao amin'ny Twitter @no_tap sy ao amin'ny Facebook @MovimentoNoTAP ny komity mpikarakara ao an-toerana. Raha mila fanazavana bebe kokoa momba ny TAP, izay antsoina ihany koa hoe ny Fantsona Goavambe Eoro-Kaspianina, dia jereo ny fanadihadihana ao amin'ny tranonkala Walking the Line izay nataon'ny vondrona mpanentana Counter Balance, Platform London ary Re:Common.
Sokajy

Tantaran'ny Eoropa Andrefana farany
-
30 Desambra 2020Angletera
Noely COVID : Tena tsy nisy toa azy tokoa va re?
Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 11 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 123 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 128 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...