- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Manome Topi-maso Momba Ny Firotsahan'ny Miaramila Amerikana An-tsehatra Tao Azia Atsimo Atsinanana Ny Mozea Antseraseran'ny CIA

Sokajy: Azia Atsinanana, Filipina, Kambodza, Laos, Thailandy, Vietnam, Ady & Fifandirana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka, Politika, Siansa, Tantara, Teknolojia
[1]

The Airmen’s Bond, Hosodoko amin'ny menaka an'i Keith Woodcock, 2008, Natolotra Am-pitiavana ho an'ny Biraon'ny Fikambanana Air America  Sary: Flickr / U.S. government work

Amin'ireo fitaovana miisa 211 hita ao amin'ny rakitra antseraseran'ny [2]Foiben'ny Sampan-draharaham-pitsikilovan'i Etazonia, 24 amin'ireo no voasokajy ho tanatin'ny hetsiky ny sampan-draharaha tao Azia Atsimo Atsinanana.

Ahitana topi-maso momba ny tantaran'ny sampan-draharaha nandritra ny dimapolo taona lasa ny mozea antseraseran'ny CIA. Natao hanomezam-boninahitra ho an'ireo manamboninahitra tao amin'ny CIA sy ireo “maherifo” hafa an'ny governemantan'i Etazonia ihany koa izany.

Ho an'ireo tsy Amerikana, tranonkala ilaina ahafantarana ny asan'i Etazonia amin'ny famolavolana ny raharaha manerantany ny rakitra. Azo sokajiana ho tsara na ratsy ireo firotsahana an-tsehatra ireo, saingy tsy azo isalasalana fa ny niteraka fiantraikany maharitra teo amin'ny firenena niasany ny asan'ny CIA.

Ohatra amin'izany ny tao Azia Atsimo Atsinanana, faritra nirotsahan'ny Etazonia antsehatra tamin'ny Ady tao Vietnam [3]ary nitarika ny fihitaran'ny bemidin'ny milisin'ny CIA tao Laos sy Kambodza.

Ny sary hosodoko eo ambony dia mampiseho ny hetsika fanavotana an'i Laos nataon'ny Air America, orinasa ara-barotra iasan'ny CIA.

Nandritra ny taompolo 1960, nitarika “ady mangina” tao Indoshina ny CIA mba hanakanana ny avaratr'i Vietnam fehezin'ny komonista tsy hanafika ny atsimo amin'ny alalan'i Laos. Nanofana vondrona milisy ankoatra ny fanomezana fanohanana an'habakabaka ho an'ny tafika manohitra ny komonista ny CIA.

Mampiseho izany fa ny fanazavana ny sary hosodoko ao amin'ny tranonkalan'ny CIA dia manondro an'i Laos ho «iray amin'ireo toerana voadaroka baomba be indrindra teto an-tany». Ny zavatra tsy nolazain'izy ireo dia tsy nipoaka [4]ny ankamaroan'izany baomba izany ary mbola manohy mandratra sy mamono ny mponina ao Laos hatramin'izao ireo baomba tsy nipoaka ireo.

Mampiseho ny bemidin'ny Air America tao amin'ny Lemak'i Jars, toerana arkeôlôjika goavana izay tsy mba nosavasavaina hatramin'izao noho ny baomba navelan'ny CIA 40 taona mahery lasa ihany koa ny sary hosodoko. Tamin'ny herintaon, nitatitra [5] momba ireo drôna nahafahana nijery indray ny Lemak'i Jars avy eny amin'ny habakabaka ny Global Voices.

Kaontera Elefanta

[6]

Kaontera Elefanta. Sary: CIA

Nampiasaina nandritra ny Ady tao Vietnam ny fitaovan'ny CIA fantatra amin'ny anarana hoe “kaontera elefanta” na “Mpanisa elefanta” mba hanarahamaso ny isan'ny olona sy ny entana taterin'ny tafika komonista ao amin'ny lalana Ho Chi Minh avy ao Avaratr'i Vietnam mankao Vietnam Atsimo manamorona ny sisintanin'i Laos sy Kambodza. Saingy maro tamin'ireo mpanaramaso ny lalana nokaramain'ny CIA no tsy mahay manoratra, mamaky teny, sy manisa ka noforonina ny “mpanisa elefanta”. Tahaka izao ny fomba fiasan'ny fitaovana:

The device featured “pictograms,” such as symbols representing troops, trucks, motorcycles, carts, bicycles, tanks, cannons, small artillery, missiles, donkeys, and yes, occasionally elephants, a common beast of burden in Laos. Alongside each pictogram was a knob that could be set to a number, and then the data could be transmitted to an airplane by activating a toggle switch.

Ny fitaovana dia nampiseho «sora-tsary» tahaka ny marika maneho ny tafika, kamiao, moto, sarety, bisikileta, tanky, tafondro, basy aman-tafondro kely, balafombana, apondra, ary mazava ho azy, indraindray elefanta, mpitondra enta-mavesatra iombonana tao Laos. Miaraka amin'ireo sora-tsary ireo ny bokotra izay azo atao tarehimarika, ary afaka ampitaina any amin'ny fiaramanidina avy eo ny tahiry amin'ny alalan'ny famelomana ny karazana fanapihan-jiro.

Sarintany Fandosirana an'i Saigon

[7]

Sarintany fandosirana an'i Saigon. Sary: CIA

Akaiky ny fiafaran'ny Ady tao Vietnam tamin'ny taona 1975, nanomana drafitra fandosirana an'i Saigon, renivohitr'i Vietnam Atsimo ny CIA. Mamantatra ireo toerana 14 fiangonana vonjimaika ao Saigon araka ny hita amin'ny hetsika antsoina hoe “Rivotra Matetika” ity sarintany ity.

Tsatòka Infra-rouge

[8]

Tsatoka Infra-rouge. Sary: CIA

Araka ny filazan'ny CIA:

Modifications by Agency technicians transformed this commercial Coleman lantern into an infrared beacon that could be seen from as far away as 250 feet. Gasoline powered and painted dull black, the beacon emitted a narrow vertical infrared beam as well as some visible light, making it useful for marking air-drop and landing-field locations during the Vietnam war.

Nanova ity fanala Coleman ara-barotra ity ho tsatoka (balise) infra-rouge izay azo ijerena hatreny amin'ny 75 metatra ireo teknisianan'ny sampan-draharaha. Mandeha amin'ny lasantsy sy miloko mainty matroka, mandefa fitambarana infra-rouge tery mijidina sy hazavana sasany hita maso ny tsato-pamantarana, mahatonga azy ilaina hanamarihana ny fitsokan'ny rivotra sy ny toerana fiantsonana nandritra ny ady tao Vietnam.

Famantaran'ny Thailandey Afaka

[9]

Lamba famantarana ny Thailandey Afaka. Sary: CIA

Fantatra ho Biraon'ny Sampan-draharahan'ny Paikadin'ny (OSS) CIA tany am-boalohany, ary iray amin'ireo hetsika voalohany nataony nandritra ny Ady Lehibe faha- II ny fanofanana mpianatra Thailandey tao Etazonia mba hitolona ho fanafahana an'i Thailandy, izay nobodoin'i Japana tamin'izany fotoana izany. Nanampy tamin'ny fametrahana ny Hetsika Fanafahana ny Thailandey ny OSS.

Antsipika fitondran'ny Mpilatsaka An'elonaina

[10]

Antsipika. Sary: CIA

Nanoratra ny CIA hoe:

This OSS paratrooper’s knife, issued to a member of the Free Thai Movement, went into the parachutist’s breast pocket for use in the event he landed in a tree and had to cut himself free of his parachute lines. The blade is spring activated to enable opening it with one hand.

Ity antsin'ny mpilatsaka an'elonain'ny OSS ity, izay nozaraina tamin'ny mpikambana iray ao amin'ny Hetsika Fanafahana ny Thailandey dia napetraka tao amin'ny paosy an-tratran'ilay mpilatsaka an'elonaina mba ampiasaina amin'ny tranga mety hiantonany amin'ny hazo na tsy maintsy manasaraka ny tenany amin'ny elonaina izy. Mandeha amin'ny vimiaina ny lela maranitra amin'ny antsy mba ahafahana manokatra azy amin'ny tanana ila.

Antsy Bolo Miaraka Amin'ny Fonony Hoditra

[11]

Antsy Bolo miaraka amin'ny fonony hoditra. Sary: CIA

Nampiasain'ny OSS sy ny tafika mpiady Amerikana tao amin'ny ala tropikaly tao Azia Atsimo Atsinanana nandritra ny Ady Lehiba Faha-II ny antsy Bolo. Nilaza ny fanazavana tao amin'ny tranonkala fa nampiasaina voalohany taorian'ny adin'i Espaniola-Amerikana (1898-1899) izany, izay mety midika koa fa nampiasain'ny tafika Amerikana nandritra ny fibodoany an'ny Filipina. Fitaovam-piadiana malaza ao amin'ny faritra atsimon'i Filipina ny antsy Bolo.

Antsy Pal An'i Woodsman

[12]

Antsy Pal an'ny Woodsman. Sary: CIA

Nanoratra ny CIA fa anisan'ny fitaovana fanavotan'aina ho an'ny tafika Amerikana tao Filipina, Shina sy Myanmar nandritra ny Ady Lehibe Faha-II ity antsy ity. Voalaza fa tena nilaina tamin'ny fanapahana ala ihany koa ity antsy ity. Amin'ny maha antsy fiadiana azy, nanome toro-lalana momba ny fomba fampiasa ny Pal An'i Woodsman ny mpanamboatra azy mba handresena ny miaramila Japoney manana fitaovam-piadiana sabatra samouraï. Nandritra ny Ady Lehibe Faharoa, nanafika firenena maromaro tao Azia-Pasifika i Japana.

Milina Fandrefesana Tsy Fifandanjana

[13]

Milina fandrefesana tsy fifandanjana.  Sary: CIA

Hoy ny CIA:

Atlantic Research Corporation’s distortion measuring set was used to analyze the percentage of distortion on a communications circuit in Bangkok, Thailand. This unit is dated “9 July 1969.”

Ny milina fandrefesana tsy fifandanjana napetraky ny Orinasam-pikarohana Atlantika dia nampiasaina hanadihadiana ny isan-jaton'ny tsy fifandanjana eo amin'ny hosina fifandraisana ao Bangkok, Thaïlandy. Efa tamin'ny 9 Jolay 1969 ity fitaovana ity. “