- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Moa Mampiseho ny Fifandonana amin'ny Mpitandro ny Filaminana Tato Anatin'ny Herinandro Vitsivitsy Tao Frantsa Ity Sarintany Ity?

Sokajy: Frantsa, Fifidianana, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, NewsFrames

DISO

Niainga avy amin'ny asa fanamarinana nifarimbonan'ny ekipam-panoratana ao Frantsa sy any amin'ny Fanjakana Mitambatra niarahana tamin'ny CrossCheck (Frantsay [1]| Anglisy [2]) ity lahatsoratra ity, fiaraha-miasa tsy mitady tombontsoa iadiana amin'ny fandisoam-baovao an-tserasera, ary navoaka indray noho ny fiaraha-miombon'antoka amin'ny Global Voices.

Niparitaka be tao amin'ny Facebook sy Twitter nandritra ny roa herinandro ny sarintany izay navoaka hanehoana “ny fifandonana teo amin'ny jiolahimboto sy ny polisintsika”. Kanefa dia tamin'ny volana Novambra 2005 no tena namoronana izany, ary tsy misy hifandraisany amin'ny zava-misy amin'izao fotoana izao mihitsy mikasika ny disadisa ara-tsosialy ao Frantsa.

Mitanisa faritra ifanandrinana miisa dimampolo teo amin'ny polisy sy olon-tsotra ity sarintany faikany ity: ny Fifandonana tao Lens tonga tany Perpignan ary nandalo tao Lyon na Marseille: ny fikarohana tao amin'ny aterineto no nahitana ny soritr'ity sary ity tamin'ny 8 Novambra 2005 tao amin'ny lahatsoratra iray tao amin'ny tranonkala “the ipinionsjournal” [3] izay mampiseho amin'ny fomba namboarina ny herisetra an-tanandehibe nitranga tamin'izany fotoana izany tao Frantsa.

Nahitana ity sary torohay ity tao amin'ny gazety britanika iray mivoaka isan'andro Daily Telegraph [4] tamin'ny 8 Novambra 2005 mikasika ny herisetra an-tanàndehibe tao Frantsa rehefa natao ny fikarohana lalina kokoa izay natao tamin'ny alàlan'ny fitaovana Wayback Machine .

Na izany aza, tsy mifanandrify amin'ny zava-misy tamin'ny fifandonana tamin'ny taona 2005 akory anefa ity sarintany ity: hita  tamin'ny sary torohay tao amin'ny gazety Parisien [5] tamin'ny taona 2015 ireto farany .

Nozarain'ny mpanohana an'i Donald Trump any Etazonia ankehitriny ity sarintany faikany ity mba hanohanana ny petra-kevitry ny “no go zones” (ireo faritra lazaina fa tsy misy zo mihatra ao aminy ary voarara ho an'ny tsy miozolomana) sady miroborobo ihany koa any amin'ireo pejin'ny elatra farany havanana isan-karazany ao amin'ny Facebook sy Twitter.

Aiza no misy korontana ao Frantsa?
Raha ny marina, tsara kokoa ny manontany:
Aiza no tsy misy korontana ao Frantsa?

Hahita lahatsoratra miresaka famitaham-baovao hafa sy ny fifidianana ao Frantsa ianao ato [11].