Moa Ve Mampiseho Vahiny Iray Midaroka Mpiasan'ny Hopitaly Roa Ao Frantsa Ity lahatsary Ity?

DISO

Niainga avy amin'ny asa fanamarinana nifarimbonan'ny ekipam-panoratana ao Frantsa sy any amin'ny  Fanjakana Mitambatra niarahana tamin'ny CrossCheck (Frantsay| Anglisy) ity lahatsoratra ity, fiaraha-miasa tsy mitady tombontsoa iadiana amin'ny fandisoam-baovao an-tserasera, ary navoaka indray noho ny fiaraha-miombon'antoka amin'ny Global Voices.

Asehon'ny lahatsarin'ny pejy Facebook SOS racisme-anti-blanc [SOS fanakavaham-bolonkoditry ny fotsy hoditra] ny lehilahy iray midaroka mpiasa roa ao amin'ny hopitaly izay nozaraina in-113.000 izay efa nisy nijery maherin'ny in- 7,8 tapitrisa hatramin'ny 18 Martsa teo. “Karakarainay izy ireo ary toy izao ny porofo namaliany ny fikarakarainay azy ,” hoy ny mpanoratra ny lahatsoratra izay tsy namaritra ny toerana sy ny fotoana nangalana ny sary. Kanefa, miteny Rosiana ireo olona miresaka ary ny fikarohana navadika tao amin'ny Google no nahafahana namantatra fa nalaina tao Rosia ao Novgorod ny sary .

Fanavaozam-baovao tamin'ny 20 Aprily : nisy namafa ny pejy orizinalin'ny SOS fanavakavaham-bolokoditry ny fotsy hoditra tany am-boalohany ary tsy ela dia nosoloina pejy mitovy anarana amin'izany ihany. Ao amin'ity farany ity,  efa nisy nijery tsy latsaky ny in-9.000 ny lahatsary ary nozaraina tsy latsaky ny in-200 . Ankoatra izany, tsy nanonona ny fihavian'ilay mpidaroka ny fanazavana.

Nanontany ny maha-azo antoka sy ny fihavian'ity lahatsary ity ihany koa ireo mpisera aterineto maro tao amin'ny fanehoan-kevitry ny lahatsoratra. Araka ny tranonkala MetroNews amin'ny teny Rosiana ,  nitranga tao Novgorod ny zava-niseho (Avaratra andrefan'i Rosia) tamin'ny 23 Febroary 2017, andron'ny mpiaro ny tanindrazana izay matetika ankalazaina amin'ny alàlan'ny tranganà herisetra. Mamo tampona ilay lehilahy tompon'andraikitra tamin'ny herisetra, nidaroka an'ilay mpiambina aloha izy tamin'ny voalohany, araka ny hita tao amin'ny sombim-baovao tamin'ny fahitalavitra nalefa an-tserasera tao amin'ny lahatsoratr'i MetroNews. Avy eo izy dia nandratra mafy ny mpanampy mpitsabo iray sy ny iray hafa izay niezaka ny hanelanelana. Tsy maintsy naiditra hopitaly ireo vehivavy roa ireo ary tonga ny polisy nisambotra an-dralehilahy tao amin'ny hopitaly. Voampanga ho nanao “fanafihana sy herisetra” ary “fandratrana manampahefana” izy.

Nifampizaràna be tao amin'ny Twitter ihany koa ny lahatsary .

“Eritreritra mitodika any ‘min'ny mpiasan'ny hopitaly rehetra , izay tsy maintsy mizaka ny hadalana rehetra eto an-tany, tonga naka ny C.M.U”

Hahita lahatsoratra miresaka famitaham-baovao hafa sy ny fifidianana ao Frantsa ianao ato.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.