- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Moa Ve Nalaina tamin'ny 17 Martsa Tao Amin'ny Sisintany Frantsay-Italiana Ity Sarin'ny Mpitsoa-ponenana Ity?

Sokajy: Mediam-bahoaka, NewsFrames

DISO

 

Mifototra amin'ny asa fanamarinana tarihin'ny fiaraha-miasan'ny famoaham-baovao any Frantsa sy ny Fanjakana Britanika amin'ny alalan'ny CrossCheck (teny Frantsay [1]| teny anglisy [2]) ity lahatsoratra ity , fiaraha-miasa tsy mitady tombontsoa mba hiadiana amin'ny vaovao faikany an-tserasera, ary navoaka eto indray ho anisan'ny fiaraha-miasa amin'ny Global Voices.

 

Nozaraina in-2000 mahery tamin'ny faran'ity herinandro ity tao amin'ny pejy Facebook«SOS racisme-anti-blanc» na “SOS fanavakavaham-bolonkoditry ny fotsy hoditra” ny sarin'ny andiam-pitsoa-ponenana maro be izay heverina fa handeha ho any Frantsa. Araka ity pejy ity,  mampiseho ireo mpitsoa-ponenana an'arivony izay miezaka ny hiampita ny sisintany Frantsay-Italiana tamin'ny faha 17-n'ny volana Martsa teo akaikin'ny kaominina Menton any amin'ny faritra atsimon'i Frantsa ny sary. Tany amin'ny faha-18-n'ny volana Septambra 2015 ho any ny sary raha ny marina, ary nalain'ilay mpaka sary avy ao amin'ny sampam-baovao Reuters tany akaikin'ny tanàndehiben'i Edirne ao Torkia.

 

Frontera italiana… justo antes de Menton el 17 de marzo 2017.

Sisintany Italiana… aloha kelin'i Menton tamin'ny 17 Martsa 2017.

 

Ny fotoana nangalana ny sary dia tao anatin'ny faratampon'ny krizin'ny fifindra-monina, an'arivony ny mpitsoa-ponenana avy any Syria, Afghanistan sy ny firenena hafa ho any Eoropa . Nisy ireo mpitati-baovao no nanaraka ny dian'izy ireo, anisan'izany i Osman Orsal [3], mpakasary tao amin'ny Reuters izay naka ity sary ity. Mampiseho mazava tsara ny fanadihadiana ny sary lalina kokoa fa mandeha manaraka ny lalambe Tiorka O-3 mampifandray an'Istanbul amin'ny Edirne, any akaikin'ny sisintany Grika sy Boligara ireo vondron'olona ireo. Manondro ny lalana ho any amin'ny “Otogar” any Edirne ny takelaby famantaran-dalana. Milaza amintsika avy hatrany ny fandikan-teny an-tserasera fa ny teny hoe Otogar [4] amin'ny Tiorka raha adika ho teny malagasy dia midika hoe  “fiantsonan'ny fiara fitateram-bahoaka”.

 

Azonao atao ny mamaky ato [5]momba ireo vaovao noforonina hafa sy momba ny fifidianana Frantsay.