
“NASA Earth's Light” tao amin'ny Flickr avy amin'ny mpisera Goddard tamin'ny Febroary 2010 (CC BY 2.0)
Mifantoka amin'ny fomba hiampitan'ny vaovao noforonina na diso amin'ny sisintany ny endrika iray amin'ny tetikasanay.
Ny fifidianana ho filoham-pirenena frantsay taona 2017
Lohahevitra roa no nipoitra tao amin'ny vaovao mampisalasala na noforonina miompana amin'ny fifidianana ho filoham-pirenena frantsay taona 2017: ny fomba fijery ny fandotoana avy amin'ny vahiny (Arabia Saodita, Rosia) sy ny fitantaram-pankahalana vahiny mampiseho fandavana an'i Frantsa maro kolontsaina. Indro ohatra vitsivitsy amin'ny karazana tantara nanaovan'ny mpiara-miasa aminay ao amin'ny CrossCheck fanadihadihana:
Momba Herim-panintonana vahiny :
- DISO : “Ny lazaina fa famatsiam-bola amin'ny fanentanan'i Macron avy amin'i Arabia Saodita” ( Frantsay | Anglisy)
- DISO : ” Nisioka tamin'ny sarimiainan'ni Masha sy Michka ve i Marine Le Pen?” ( Frantsay| Anglisy)
- DISO : “Emmanuel Macron est-il “soutenu” par Al-Qaïda ?” (français | anglais)
Mikasika an'i Frantsa maro Kolontsaina :
- DISO : “Nalaina tamin'ny 17 Martsa tao amin'ny sisintany Frantsay-Italiana ve ity sarin'ny mpitsoa-ponenana ity?” (Frantsay| Anglisy| Espaniola)
- DISO : “Maneho ny fifandonana tamin'ny polisy tao anatin'ny herinandro vitsivitsy ve ity sary ity?” (Frantsay| Anglisy)
- DISO: “Misy 44% Amin'ny Miozolomana Mpianatry ny Lisea Tokoa Ve Mieritreritra fa Azo Ekena ny “Mandray Fitaovam-Piadiana Hiarovana ny Fivavahany”(Frantsay| Anglisy)?
- DISO : “Mampiseho vahiny iray midaroka mpiasan'ny hopitaly roa tao Frantsa ve ity lahatsary ity (Frantsay | Anglisy)?