Tahaka Izao Ny ‘Solomaso Mpanavakava-bolonkoditra” Raha Atao ao Rosia
Tamin'ny Janoary 2016, namoaka sarimihetsika fohy mitondra ny lohateny hoe “Racist Glasses,” na “Solomaso mpanavakava-bolonkoditra” ilay Amerikana mpanao hatsikana antserasera Rudy Mancuso, izay mampiseho lehilahy iray nahita solomaso ka mahatonga izay olona hita ao amin'ny solomaso ho hita amin'ny fitsarana an-tendrony ataon'ny mpanavakavam-bokoditra. Lasa ninja ny lehilahy Aziatika, lasa mpanankarena mieboebo ny olona fotsy hoditra, ary niova ho mpandihy mihiakiaka mitafy sombrero ilay mampiseho an'i Mancuso (lehilahy Latina) tenany.
Tamin'ity herinandro ity, namokatra ny voatra manokana avy tamin'ny lahatsarin'i Mancuso ilay Rosiana mpanentana, Alexey Yurevich — sarimiaina mitovy toerana saingy amin'ny endrika Rosiana ihany.
Ny lahatsarin'i Yurevich mitondra ny lohateny hoe “Solomaso mpankahala mpiray firenena” dia mampiseho lehilahy Rosiana iray manao izany solomaso majika izany ihany koa ary manova ireo vondrona ara-poko isan-karazany amin'ny fitsarana an-tendrony amantarana azy ireo.
Raha nametaka ny solomaso sy nijery manodidina izy, nandihy Lezginka tampoka ny vondron-dehilahy Kaokaziana Tavaratra mijorojoro am-pilaminana teo amin'ny manodidina ary niomana hiherisetra amin'ny ondry iray. Lehilahy Aziatika Afovoany iray mipetraka am-pahanginana ao amin'ny sezan'ny zaridaina no hita eny rehetra eny ankehitriny, manafangaro simenitra hanamboarana moron-dalana. Fotoana fohy taoriana, rehefa nanaovana indray ny solomaso, [poritra izy ka namany]. Nivadika ho lehilahy Arabo ilay olona teo akaiky, izay mitifitra amin'ny basy sy manapoaka baomban'akanjo. Avy eo izy nitodika any amin'ilay lehilahy hita ho Okraniana, izay hita mitsambikimbikina manao ny kodiarana ho fehikibo sy ny fanatatavanana ho fiarovan-doha. Heno tsara ny hiakia-tarigetra, ary nanipy cocktail Molotov izy — vonam-pifandraisana amin'ny revolisionera Maidan.
Tamin'io fotoana io, nihazakazaka hody any an-trano hijery fitaratra ao amin'ny efitra fandroany ilay lehilahy nahita ny solomaso, ka nahita ny tenany lasa Rosiana be volombava mpisotro toaka mitafy ushanka sy mihazona tavoahangy vodka.
Saika mitovy tanteraka amin'ny sarimihetsika “Solomaso Mpanavakava-bolonkoditra” an'i Mancuso ny sarimiaina, saingy ao an-toerana ao Rosia ny fitsarana an-tendrony aseho.
Tamin'ny antsafa iray niarahana tamin'ny tranonkala TJournal, nilaza i Yurevich fa nanova ny lohatenin'ny filma mihitsy izy mba hampifanaraka izany amin'izay hitany fa toetra mampiavaka ny fifanandrinana ara-poko ao Rosia. “Ao amin'ny [lahatsariko], marina kokoa ny filazana hoe ahoana ny fomba fahitan'ny nasionalista ny zava-drehetra,” hoy izy nanazava ny antony nanesorany ny voambolana “mpanavakava-bolonkoditra”.
“Sahaza kokoa ho an'ny Etazonia fa tsy i Rosia ny olan'ny fanavakavaham-bolokoditra”, hoy i Yurevich tamin'ny TJournal, mametraka fanavahana fa maro ny Amerikana mety hitolona vao mahatakatra [izany].
Ny studio-ntsarimihetsikan'i Yurevich, “Animaction Decks,” dia fantatra indrindra amin'ny andian-tsarimiaina Flash diso mahery setra antsoina hoe “Ninja Action” [Hetsika Ninja], izay ahitana adin'ny ninja tompon-toerana iray mandritra ny 10 -15 minitra ahitana famonoana ho faty amin'ny endrika fitetezana “lalao video”.
Namokatra lahatsary maro misy endrika politika ahitana olona fanta-bahoaka miady ao amin'ny Mortal Kombat ihany koa ny Animaction Decks. Hita ao amin'ny lahatsary ny ady misy maty sy velona eo amin'i Vladimir Potinina sy i Barack Obama, i “Motorola” mpisintak'i Donbass sy i Dmitry Yarosh nasionalista Okrainiana, ary ny hafa. Mampiasa feo tena izy i Yurevich hampisy tsirom-panebahana bebe kokoa.
Ohatra, rehefa hotolomin'i Potinina i Alexey Navalny mpitarika ny mpanohitra, dia nandohaliky ny faharesena avy hatrany ity farany, raha vao nanomboka ny ady. Rehefa nanandratra ny tanany hihora-pandresena i Potinina, dia nanambara ny feo avo hoe, “Mpangatra i Potinina,” fa tsy ilay mahazatra hoe“Nandresy [i Potinina]!” Nivandravandran'hagagàna i Potinina, ary avy eo izy nanao antso tamin'ny besandriny, izay nidaroka ilay mpanao filazana tsy hita amin'ny efijery, mandra-panitsiany sy nilazàny tamin'ny farany hoe, “fandresena tsy misy hokianina.” (Ireo fehezateny rehetra ireo dia teny fohy avy amin'ny lalao andohalambo navoakan'i Midway voalohany tamin'ny taona 1992 avokoa.)
Fampitandremana: ahitana sary mampivoarahontsana ny lahatsary eto ambany
Tamin'ny Marsa 2016, herinandro vitsy taorian'ny fanapahan-doha nataon'ilay Ozbeka mpitaiza zaza tamin'ilay ankizivavy efa-taona tao afovoan-tanànan'i Moskoa, dia namorona sariitatra fohy hafa izay tena naharomotra ny mpiray tanindrazana aminy efa nivoarahontsana tamin'ilay famonoana mampihoron-koditra i Yurevich.
Ny lohateny nomeny ny lahatsary dia hoe “Valibontana atao amin'ny mpampihorohoro any amin'ny firenen-tsamihafa,” izay anoritsoritany an'i Etazonia ho toerana itifirana avy hatrany ny “mpampihorohoro” raha vao taza-maso, i Eoropa ho toerana feno jihadista, ary i Rosia ho toerana tsy taitra amin'izay nosoritsoritany ho herisetran'ny mpampihorohoro.
Fampitandremana: ahitana sary mampivoarahontsana ny lahatsary eto ambany.
Naotin'ny tonia: Hita taty aoriana fa tsy salama ara-tsaina i Gyulchehra Bobokulova, ilay mpitaiza izay nanapaka ny lohan'ilay zaza efa-taona Anastasia Meshcheryakova, ka tsy jerena ho asam-pampihorohoroana ankehitriny amin'ny ankapobeny ny heloka bevava nataony.
Raha niresaka tamin'ny TJournal i Yurevich dia nilaza ny fijeriny fa tahaka sarimiaina ratsy indrindra nataony tamin'ny Animaction Decks ny “Valibontana atao amin'ny mpampihorohoro any amin'ny firenen-tsamihafa”. “Na dia niainga avy amin'ny zavatra tena nisy aza ny lohahevitra, dia tsy niezaka ny hamelabelatra izany tao amin'ny sarimiaina aho. Iraisana ny sarin'ny ‘mpampihorohoro’, fa tsy sary mivaingana,” hoy ny nolazainy.
Nilaza tamin'ny TJournal ihany koa i Yurevich fa nitsahatra tamin'ny fanaovana votoaty politika izy, raha tsy hoe nisy zavatra tena nanaitra ny fahazoany sary an-tsaina. “Ny andian-dahatsary nataoko indrindra, ny Hetsika Ninja, no iasako ankehitriny,” hoy izy, ary nampiany fa mety haharitra amam-bolana ka hatramin'ny taona maromaro ny famolavolany fizaran-tantara iray.
Atombohy ny resaka

Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...