- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Loza Mahatsiravina Tao Sri Lanka, Azo Nosorohana Tanteraka

Sokajy: Azia Atsimo, Sri Lanka, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Mediam-bahoaka, Politika, Voina, Vonjy Voina
[1]

Tendrombohitry ny fako ao Sri Lanka. Pikantsary avy ao amin'ny YouTube

Ny Alatsinainy lasa teo, tafakatra ho 28 [2] ny isan'ny olona maty tamin'ny Zoma 14/04 avy amin'ny fihotsahan'ny Meethotamulla, ilay tendrombohitry ny fako ao Sri Lanka. Lazain'ireo mpiasa mpanavotra fa mbola misy olona 30 hafa voafandrika any ambany fotaka sy korontan-javatra any, na dia efa mihakely aza ny fanantenana hoe mbola hahitàna ireny olona ireny velona. Trano teo amin'ny 145 teo no rakotry ny fako tao amin'ny tanàna tsizarizary ao Colombo.

Ny sary nomen'ny Tafika an'habakabaka ao Sri Lanka avy amin'ny fihotsahan'ilay Tendrombohitry ny Fako ao Meethotamulla , 10 raha kely ny olona maty & mbola tsy hita, manodidina ny 150 ireo trano rava

Tafkatra ho 19 ny maty tamin'ny fihotsahan'ny tendrombohitry ny fako Meethotamulla, miaraka amin'ny vatana mangatsiaka 3 hitan'ny tafika io tolakandro io

Raha mankalaza ny #Aurudu2017 ireo olona ao #Srilanka, ny olona ao #Kolonnawa kosa mijaly noho ny fako nariantsika

Nikorotsaka [13] tamin'ny Zoma 14/04 lasa teo ilay fako misavovona 90 metatra, ary mihanaka aminà velarana 180 metatra, rehefa nisy afo nipoitra tampoka tao. Mihoatra ny 100 ireo mpiasa mpanavotra, anisan'izany ireo olon'ny tafika mitam-piadiana [14], niasa nanadio izay sisa tavela. Saika olona maro  — 980 olona avy aminà fianakaviana 228 — no eritreretina fa niharan'ilay loza mahatsiravina, ary nesorina [15] sy nampiantranoina vonjimaika any amin'ny sekoly iray tsy lavitra eo ny olona tsirairay avy ao amin'ilay faritra nampididoza.

Araka ny fanambaràn'ny polisy, efa miezaka ny mamantatra ny anton'ilay fihotsahana ireo mpanadihady nalefan'ny fanjakana, raha nataon'olona na tonga ho azy.

Torohevitry ny Fikambanana Nasionaly Mpanao Fikarohana momba ny Asa Fanorenana ny hanesorana ny olona amin'ireo trano 130 manakaiky ny Fanariana Fako ao Meetotamulla mba hisorohana ny mbola mety ho fisianà fihotsahana

Fanavaozana avy aminà loharano azo antoka momba ny filàna famonjena ho an'ireo fianakaviana nafindra toerana avy ao #meetotamulla

Malaza i Meethotamulla noho ireo tendrombohitry ny fako 2 hektara sy sasany [22] ananany, ary ny fofona mavesatra miakatra avy ao ka mameno ny rivotra aminà kilaometatra maro.

Azo lazaina ho isanandro, 800 taonina eo ho eo ny fako tonga avy any amin'ireo fakon'ny [22] renivohitra aterin'ireo mpanangona fako ao Meethotamulla, mazàna no atsipitsipy fotsiny tsy manaraka ny toromarika fototra momba ny resaka fiarovana. Io no zavamisy nandritry ny efa ho roapolo taona lasa, ary ireo mponina monina ao amin'ilay faritra dia efa ela no nanahy fa mety ho tototry ny fako, raha sanatria misy loza voajanahary miseho.

Taona maro lasa izay, efa nihevitra ny hamongotra ilay toerana fanariana fako ireo manampahefana ary hamadika azy ho “toerana iray mahafinaritra [23].” Tsy tanteraka mihitsy anefa ity drafitra iray be fangirihana ity,  ary ankehitriny dia miatrika ilay tahotra faran'izay ratsy indrindra noeritreretiny ireo mponina ao an-toerana.

Raisa Wickrematunge, mpitatitra vaovao ao amin'ny Groundviews, manoratra [24] momba ireo drafitra marobe efa an-dàlam-piketrehana amin'izao fotoana izao ho famindràna ny fako:

Manahirana sy efa noresahana nandritry ny fotoana elabe ny olan'ny fanariana fako, sy ny fomba hamahàna azy. Tamin'ny 2015, nisy drafitra iray hamindràna ireo fako nafatratra [25] tao Meethotamulla ho any Puttalam, izay nihantona vonjimaika noho ny hetsipanoherana nataon'ireo mpiaro ny tontolo iainana, satria latsaka ao anatin'ny faritr'i Wilpattu ilay toerana vaovao ao Arawakkalu. Naverina natomboka indray [26] tany aminà toerana hafa ilay tetikasa, saingy miaraka aminà drafitra mamela ny fako ao Meethotamulla ho lò potipotika aloha. Ny drafitra sasany nahitàna fanisàhana tsotra fotsiny ny fako [27] ho aminà toerana hafa toy ny ao Ja-Ela.

Tsy ela kory fa vao tamin'ny Martsa tamin'ity taona ity [28], nihetsiketsika nanohitra ilay fanariampako ny mponina. Nandritra izany ireo manampahefana dia niteny tsy nitsahatra [29] hoe miasa miroso mankany amin'ny vahaolana maharitra ry zareo, miaraka amin'ny fanampian'ireo manampahaizana vahiny.

Na teo aza ireny drafitra sy fifampiresahana ireny, mitombo ary mitombo hatrany ny fako ao Meethotamulla. Araka ny tatitra [15] iray nataon'ny Roar.lk, ny Filankevitry ny Tanànan'i Colombo no miandraikitra ny toerana fanariana fako nandritra ny taona roa farany teo, ary tsy nahavita nikarakara ilay toerana hatramin'ny Tafika ao Sri Lanka efa zatra nandray an-tànana ny raharaha.

Milaza [30] ny governemanta ao Sri Lanka fa hanome fanonerana mitentina 100,000 ropia Srilankey ($660) ho an'ireo fianakavian'ny namoy ny ainy tamin'ilay loza mahatsiravina tao Meethotamull, ary hatramin'ny 2,5 tapitrisa ropia ($16,500) noho ny faharavàm-pananana.

Maro anefa ireo mpisera amin'ny aterineto no naneho hevitra miiba momba ilay valinkafatry ny fanjakàna.

Rehefa misy loza mahatsiravina aty #SriLanka [6] #lka [5]

Sariitatra nataon'i Gihan de Chickera #meethotamulla [17]

Raha ny fahitàna azy, tsy misy mpitsabo tonga ao #meethotamulla [17] mba hanampy ireo iraka mpanao asa famonjena. Fitiavana be tokoa ny valalabemandry izany

Taorian'ilay loza mahatsiravina, nanambàra koa ny governemanta ao Sri Lanka fa nandray fanapahankevitra nony farany [34] hanaisotra ny toerana fanariana fako ao Meethotamulla, sy hanomboka ny asa momba ny tetikasa iray hakàna angovo avy amin'ny fako, [35] izay hiantohana fa hoesorina amin'ny fomba madio sy maharitra ireo fako mivaingana avy ao amin'ny tanàna  (municipal solid waste- MSW).