Miraradràraka ny Fanomezana Voninahitra an'i Kishori Amonkar, Iray Amin'ireo Feo Mangan'ny Mozika Klasika Indiana

Kishori Amonkar. Pikantsary avy amin'ny YouTube.

Maty tao an'efitranony tany  Mumbai ny alin'ny 3 Aprly teo, taorian'ny fotoana fohy naharariany i Kishori Amonkar, mpiangaly malaza ny Mozika klasika Indiana. 84 taona izy izay lasa izay.

Feo tsy zoviana amin'ny Hindustani, na ny mozika klasika nentindrazana Indiana Tavaratra i Amonkar, gadona izay nivoatra hatrany amin'ny taonjato faha-12.  Nisaona ny fahalasànany ireo Indiana tety anaty media sosialy ary nahatsiaro ny lova navelany.

Nalahelo tamin'ny nahalasànan'ilay mpihira malaza Kishori Amonkar Ji. Tena famoizana goavana ho an'ny mozika klasika indiana.

Maty i Kishori Amonkar. Ankoatra ny mozikany tena miavaka, mbola betsaka no tsara fantarina: nadi-doha sy tsy nikoso-maso tamin'ny fiarovana ny taokantony

Vaovao mampalahelo. Tsy namantska intsony i Kishori Amonkar avy ao Jaipur Gharana, ilay zokiolon'ny mozika klasika Hindustani! Tena hahatsiaro mafy anao izahay. Mandria am-piadànana!

Gadona amin'ilay karazany khyal no nolalaovin'i Amonkar, ary hatramin'ny karazana mozika klasika maivamaivana antsoina hoe thumri sy bhajan. Izy ihany koa no namorona ny fomba fiangaly gharana avy any Jaipur.

Araka ny lazain'ny bilaogy Tontolon'ny Mozika Hindustani an'i Deepak Raja:

Kishori Amonkar (teraka: 1932) hatreto no vehivavy mpihira Hindustani faran'izay nahery indrindra nipongatra tao anatin'i India mahaleotena. Zanaka no sady mpianatr'i Mogubai Kurdikar, ilay mpitahiry ny (fombandrazana) gharana tao Jaipur-Atrauli izy, saingy nahazo ny toerany avy amin'ny fihazonany ny maha-izy azy manokana tamin'ny naha-mpiventy ny fahendren'ny mozika gharana azy. Amin'ny haikanton'ny fomba gharana nolalaoviny, nataony anjorom-bala ny fanoavana fitsipika mba hanomezany tombony ny haikanton'ny fihetsehampo, nisedràny ny fanakianana avy amin'ireo mpifikitra amin'ny nentin-drazana ary nandreseny. Vokany, ankehitriny ilay fihetsika nitondra fanitsiana nananany no lasa midika famaritana ny fihiràna Jaipur-Atrauli, raha nindaosin'ny tantara kosa ny tosaka ortodoksany.

Na dia fony mbola kely aza i Amonkar no nanomboka nihira, nahazo ny fankatoavan'ny rehetra izy rehefa nanomboka nihira ho anà mpanatrika midadasika kokoa tany amin'ny 1960 sy 1970 tany ho any. Nanomboka tamin'izany fotoana izany, betsaka ny tokantrano indiana no tongan'ireo fampisehoana nataony, tamin'ny alàlan'ny rakipeo. Saingy raha izy manokana, niaina fiainana nitoka-monina izy.

Ilay goavana erantany amin'ny filalaovana tabla, Zakir Hussain, dia nametraka an'i Amonkar ho anisan'ireo mpihira Hindustani goavana indrindra tamin'ny fotoana rehetra rehefa, tamin'ny 2011, niresaka tao anaty fanadihadiana iray nomena lohateny hoe “Bhinna Shadja” (sarimihetsika iray momba an'i Amonkar novatsian'ny Ministeran'ny Raharaham-Bahiny ao India):

Tamin'ny 2013, Harmonium, bilaogy iray miresaka mozika, dia nandinika ny fihiran'i Amonkar toy izao:

Misy feo sasany manana fahafahana mandrenondrenoka ary dia iray amin'izany ny an'i Kishori Amonkar. Manana ity fahatsapana ity aho rehefa mihaino ny rakipeo hoe tsy avy aminy ilay mozika fa izy mihitsy no mozika. Tsy azo sarahina ry zareo. Iray ary mitovy. Mitsingevana miaraka aminy isika. Mahatsiaro ho toy ny volom-borona ary tsy mbola nifandray be kokoa velively. Rehefa mihira izy, isika mitomany sy te-hiolankolana amin'ny feo no sady tsy te-hamotsotra velively.

Nandritry ny fiainany, indroa i Amonkar no nahazo ny loka Indiana fanome ny sivily: ny Padma Bhushan tamin'ny 1987 ary ny Padma Vibhushan tamin'ny 2002. Ety anaty aterineto, tsaroan'ny olona ny lova navelany ary zaraina ireo asa goavana vitany:

Andro iray manjombona. Olona lalintsaina tsy manam-paharoa i Kishori Amonkar . Goavana. Nanome betsaka ho an'i Mozika Indiana.

Tsy mbola nisy mihitsy surila toa anao… ry Kishori Tai! Tsy maintsy faly ireo Andriamanitra

Faratampony sy fatratra tokoa ity Rageshree nataon-dratompokovavy, goavana, Kishori Amonkar ity: https://t.co/1NAPzeddKu
Henoy, dia avereno henoina

Averimberina hatramin'ny maraina ny ‘Mharo Pranam‘ . Mbola mikaroka foana izay teny hamaritana ity Fahadiovana & Firehetampo ity

Tsaroan'ny olona ihany koa ireo fitanisàna tsy hay hadinoina nataony:

Mino aho fa tsy misy afa-tsy fanehoana fihetsehampo iray ny mozika indiana. Raha miteny aho hoe “tiako ianao”, vitanao ve ny handrefy azy io? Mila fotsiny mahatsapa izay hovitrovitra izay ianao

Fifangaroana mahafinaritry ny saina amam-panahy ilay izy, izay ilainao amin'ny zavakanto. Tsy vita fotsiny hoe mpandrevirevy ianao, feno faharanitan-tsaina. Tokony hisy fifandanjana tonga lafatra eo amin'ny haranitan-tsaina sy ny fo.

Nanoratra tao amin'ny Scroll.in i Arnab Chakrabarty:

Ao anaty sehatra iray izay ny ankamaroan'ireo matianina nahita fahombiazana dia nihainohaino fotsiny rehefa tonga teo amin'ny faha-40 sy faha-50 taonany, nitohy hatrany tsy nitsahatra ny fisondrotan'i Amonkar teo amin'ny mozika mandra-pialan'ny fofonainy.

Ny 4 Aprily no nodorana, rehefa avy nanaovana ny fombafombam-pandevenana tao Shivaji Park in Mumbai i Amonkar. Nanome voninahitra azy ny Praiminisitra Indiana, Narendra Modi :

Mandritra ireo taona maro ho avy, hitoetra halaza foana eny anivon'ny vahoaka ny asa vitan'i Kishori Amonkar

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.