- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Sarimiaina Iray Nandeha Tamin'ny Fahitalavitra Poloney Tany Amin'ny Taona 1970 Manampy Mampiroborobo ny Fampianarana Siansa, ny Teknolojia, ny Injenieria ary ny Matematika Amin'izao Fotoana

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Polonina, Fampandrosoana, Fanabeazana, Hevitra, Mediam-bahoaka, Sarimihetsika
[1]

Dobromir mialohan'ny iray amin'ireo fotoana “Eureka!” nolalaoviny. Pikantsary avy amin'ilay sarimiaina.

Fomba ahoana no ahafahan'ny Siansa, ny Teknolojia, ny Injenieria ary ny Matematika, na ireo taranja afohezina hoe STEM, ho lasa mahasarika kokoa ny ankizy?

Andianà sarimiaina iray tao amin'ny fahitalavitra Poloney tany amin'ny taona 1970 tany no nanaporofo fa afaka atao sady fialamboly no malaza ihany koa ireo taranja STEM.

Pomysłowy Dobromir [2] dia andianà sarimiaina iray nalaza novokarin'i Roman Huszczo sy Adam Słodowy tao Polonina nanomboka tamin'ny 1973 hatramin'ny 1975. Dika malalaka amin'ny “Dobromir mahay mamorona”. no lohateny nomena azy.  Ny teny hoe pomysłowy dia afaka midika ihany koa hoe marani-tsaina na mahira-tsaina, raha ny anarana Dobromir kosa indray dia avy amin'ny fototeny “dobro” izay midika hoe “tsara” amin'ny fiteny Slavy rehetra.

Ny mpilalao fototra dia i Dobromir, ankizy iray mahiratra izay misaina vahaolana ho an'ireo olana isankarazany amin'ny fiainana andavanandro ao amin'ny toeram-piompian'ny raibeny. Aorian'ny fandalinany olana iray, manamboatra maodely sy fitaovana mekanika santatra izy. Naseho tamin'ny fomba fampialàna voly sy mahafinaritra ny dingana, ary narahana feo manintona. Saingy ny tena zavadehibe indrindra, hazavainy ireo fitsipika fototra sy ny asan'ireo fitaovana mekanika namboarin'i Dobromir.

Manana andiany  20 ilay sarimiaina ho entina mampiroborobo ny fomba fandraisan'ny ankizy ny siansa. Ny andiany tsirairay dia mampivady ny fotokevitra sy ny fampiharana mivantana mifandraika amin'ny siansa, teknolojia, injenieria ary ny matematika, izay maneho ny fomba fampidirana ny fandaharam-pianarana  STEM [3] amin'izao fotoana izao.

Adam Słodowy no nanoratra ilay andian-tantara filalao ho an'ny fahitalavitra. Mpamoron-javatra izy no sady olon'ny fahitalavitra, izay efa ampolo taona no nampiatrano ny seho “Do-it-Yourself / Ianao ihany dia mahavita azy” tao amin'ny fahitalavitra naìsionaly Poloney.

Ny sasany tamin'ireo fitaovana nasongadina tamin'ireo andiany dia nahitàna ny paompy fampakarana rano, ny fitaovana fijinjàna sy ny famantaranora. Jereo amin'ireto lahatsary eto ambany ireto ny fomba nahaizan'i Dobromir namorona ireny fitaovana ireny avy amin-javatra tsotra kely:

Tsy dia nanana fahafahana firy loatra i Polonina hanondranany ny kolontsainy satria firenena iray any ambadiky ny lambam-baravarana vy [4] nandritry ny vanimpotoanan'ny Ady Mangatsiaka. Kanefa, ny indostrian'ny sarimiaina tao aminy niezaka ny nandingana ireo sisintanim-pireneny sy ny an'ny vondrona Sovietika, ary lasa nalaza nanerana ny Eoropa Afovoany sy Atsinanana, isan'izany i Yogoslavia tsy niandany tamin'ny atsy sy ny aroa.

Marobe ireo sarimiaina Poloney, isan'izany i Dobromir, no zara raha niresaka na tsy niresaka mihitsy an'ireo mpilalao fototra, izay manampy amin'ny fanintonan'izy ireny izao tontolo izao, na efa ampolo taona maro aty aorian'ny nandefasana azy voalohany aza. Ny ankamaroan'izy ireny dia azo jerena ety anaty aterineto amin'ny alàlan'ny fantsona ofisialy ao amin'ny Youtube sy koa amin'ny alàlan'ny dika nalefan'ireo mpankafy mafàna fo.