Misy 44% Amin'ny Miozolomana Mpianatry ny Lisea Tokoa Ve Mieritreritra fa Azo Ekena ny “Mandray Fitaovam-Piadiana Hiarovana ny Fivavahany” ?

DISO

Ity lahatsoratra ity dia niainga avy amin'ny asa fanamarinana nifarimbonan'ny ekipam-panoratana ao Frantsa sy ao Fanjakana Mitambatra niarahana tamin'ny CrossCheck (French | English), fifarimbonana tsy mitady tombontsoa iadiana amin'ny fandisoam-baovao an-tserasera, ary navoaka indray noho ny fiaraha-miombon'antoka amin'ny Global Voices.

Nampita ny voka-pikarohana nataon'ny CNRS momba ny hevi-pivavahana hiringiriny any amin'ny Lisea ny habaka fdesouche.com. Araka ny nolazain'ny habaka, “any amin'ny lisea sasantsasany, 44 % amin'ny miozolomana liseana no mieritreritra fa azo ekena ny «miady hiaro ny fivavahany mitam-piadiana»”. Diso io isa io.

Nifantoka tamin'ny mpianatra miisa 7000, tany amin'ny lisea 21 izay betsaka dia betsaka ny sokajin'olona “tsy nianatra loatra tany amin'ny fianaraka mahazatra noho ny tsy fahampian'ny olona” ny CNRS. Tafiditra amin'izany ohatra ny “tanora avy amin'ny sarangam-balalabemandry na taranaka mpifindramonina“, araka ny voatondro ao amin'ny tatitra. Ny tanjon'ny fanadihadiana ny dia hamakafaka ny antony mahatonga ny tanora ho lasa hiringiriny. Saingy ny tena notazonin'ny fdesouche dia hoe “any amin'ny lisea sasantsasany, 44% amin'ny miozolomana mpianatry ny lisea no mieritreritra fa azo ekena ny miady hiaro ny fivavahany mitam-piadiana“.

Tsy mifandraika amin'ny Miozolomana mpianatry ny lisea mianatra any amin'ny lisea tafiditra ao anatin'ny fanadihadiana io isa 44% io. Milaza sokajim-pianatry ny lisea voafaritry ny tatitry ny CNRS izy io. Navondron'ny fanadihadiana tokoa ny sokajim-pianatry ny lisea avy amin'ny antokom-pivavahana rehetra izay mampifandray ny mason-tsivana “fampanjakazakana tanteraka ny fivavahana” sy “fizakana ny fivilian-dalana/herisetra“. 4% amin'ny mpianatry ny lisea miisa 7.000 no tafiditra amin'ny fanadihadiana tafiditra amin'ireo mason-tsivana roa ireo. Miakatra ho 12% io isa io ho an'ny tanora miozolomana tafiditra ao anatin'ny santionany.

 

Antsafa nifanaovana tamin'i Olivier Galland, sosiology niavian'ny fanadihadiana (tatitry ny CNRS)

 

Noho izany dia ao anatin'ny 4% amin'ny mpianatry ny lisea no ahitana ny 44% mieritreritra fa azo ekena, “amin'ny lafiny sasany amin'ny fiaraha-monina ankehitriny“, ny miady hiaro ny fivavahany mitazona fitaovam-piadiana. Tsy miresaka ny mpianatra miozolomana izany fa miresaka ireo mpianatra ao anatin'ny antokom-pivavahana rehetra. Fitaka roa sosona, noho izany, no ao ambadiky ny lohatenin'i fdesouche.

Tsonga avy amin'ny tatitry ny CNRS

Hahita lahatsoratra miresaka famitaham-baovao hafa sy ny fifidianana ao Frantsa ianao ato.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.