Nisioka Tamin'ny Sarimiainan'i Masha sy Michka Ve i Marine Le Pen ?

DISO

Ity lahatsoratra ity dia niainga avy amin'ny asa fanamarinana nifarimbonan'ny ekipam-panoratana ao Frantsa sy ao Fanjakana Mitambatra niarahana tamin'ny CrossCheck (French | English), fifarimbonana tsy mitady tombontsoa iadiana amin'ny fandisoam-baovao an-tserasera, ary navoaka indray noho ny fiaraha-miombon'antoka amin'ny Global Voices.

Nisy nanely tamin'ny Twitter tamin'ny alahady 26 febroary ny dikasarin-tsioka sandoka nolazaina fa avy amin'i Marine Le Pen, izay itsikeran'ny kandidàn'ny Front national ity sarimiaina malaza Masha sy Michka ity.

Eny ry Marine, Rosiana izy. Tahaka ireo vehivavy rosiana tantsaha dia mitondra foloara ihany koa i Masha. Fa ianao kosa ratsy taiza. Nôrmaly.

Nisy nizara nihoatra ny in-1700 ity siokan'ny kanty anti-Front national “NTM le FN” ity. Niaraka tamin'ny tenirohy #NantesMLP moa izy ity noho ny fiavian'i Marine Le Pen tao Nantes hanatontosa fihaonambe.

Tsy vitan'ny hoe tsy hita ao amin'ny kaonty Twitter an'i Marine Le Pen io lazaina fa sioka io, fa sarotra ihany koa ny mikaroka ny diany any an-kafa ao amin'ny tambajotra sosialy.

Ilay olona niavian'io sioka io, izay nijanona tsy hitonona anarana, dia nanamafy fa faikany ilay vaovao. Nanazava ilay olona fa natao “hampisehoana fa mora dia mora ny mamitaka ao amin'ny Twitter” ary ny nataony dia “manaraka ny dian'ny ady amin'ny tontolo fasista“. Efa nivoaka tao amin'ny Facebook tamin'ny desambra 2016 ity fitaka ity ary efa nisy nankasitraka nihoatra ny in-13.000.

Efa namoaka lahatsoratra momba ity lohahevitra ity ihany koa ny habaka mpanesoeso secretnews.fr  tamin'ny 4 desambra 2016.

Hahita lahatsoratra miresaka famitaham-baovao hafa sy ny fifidianana ao Frantsa ianao ato.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.