‘Zelyonka:’ Ny Famonoana Otrikaretina Manohitra An'i Putin

Alexei Navalny, Mpitarika ny Rosiana mpanohitra. Loharano: Navalny.com

“Zelyonka,” famonoana otrikaretina malaza miloko maitso ampiasaina ao Rosia sy any amin'ny firenena hafa any Eoropa Atsinanana, dia niverina indray eny amin'ny lohateny lehibe: tamin'ny 19 Martsa, notafihana tamin'ny famonoana otrikaretina teny ivelan'ny foiben-toeran'ny fanaovany fampielezankevitra tao amin'ny tanànan'i Siberia any Barnaola i Alexey Navalny mpitarika ny Rosiana mpanohitra sady kandidà amin'ny fifidianana filoham-pirenena, nahatonga ny tavany ho “maitso mangirana” .

Nampiasa ity zava-nitranga ity i Navalny mba hitaonana ireo mpomba azy hanatevin-daharana ny diabe fampielezankevitra manohitra ny kolikoly izay hatao manerana ny firenena ny Alahady 30/03, ary nanomboka nandoko maitso ny tarehin'izy ireo ho firaisankina aminy ireo mpanohana azy — ny maitso mangirana, raha ny marina, dia lasa loko tsy ofisialin'ny hetsika fanoherana ao Rosia.

Fa tsy vao sambany tamin'ny Alatsinainy 17/03 no nivoahan'ny zelyonka, fanafohezana ny teny hoe “maitso” ho eny amin'ny pejy voalohany: nandritra ny taona maro, nanjary nanan-danja tao amin'ny politika any Eoropa Atsinanana ilay famonona otrikaretina.

Maitso Mangirana. Loharano: Wikimedia Commons, CC 1.0.

Hitan'ilay farmasiana Anglisy William Perkin tamin'ny taonjato faha-19, mbola ampiasaina any amin'ny faritra maro any amin'ny Firaisana Sovietika taloha ny zelyonka, ary hahita tahirin'izany ianao any amin'ny ankamaroan'ny tranon'ny Rosiana — famonoana otrik'aretina ampiasain'ny ray amandreny amin'ny ratra sy dona mahazo ny zanany izany.

Fa tato ho ato, nanjary fiadiana ilay famonoana otrik'aretina ho an'ireo te-hamely ny Rosiana mpanohitra. Tsy mankarary izy. Tsy manimba ny fahasalaman'ny tena ilay izy. Tsy mirehitra na kely aza, fa ny tena zava-dehibe, tsy mora miala. Rehefa ampiasaina amin'ireo mpanohitra izy, dia kendrena mba ho fanamarihana an'ohatra izay tsy miala raha tsy afaka andro maromaro.

Ary nisy karazanà zelyonka am-polony nampiasaina mba hanamarihana ireo mpitarika ny mpanohitra tao anatin'ny taona maro. Vao haingana, nisy olom-panjakana sady politisiana izay nitàna ny toeran'ny praiminisitr'i Rosia nanomboka tamin'ny May 2000 hatramin'ny Febroary 2004, voatondraky ny loko maitso tao aminà diabe ho fahatsiarovana an'i Boris Nemtsov, ilay mpitarika ny mpanohitra ary nisy namono tamin'ny Febroary 2017.

Nisy olona tsy fantatra anarana namafy zelyonka tamin'i Mikhail Kasyanov.

Lyudmila Ulitskaya, Rosiana mpanoratra. Loharano: Wikimedia Commons, CC ASA 3.0.

Toy izany koa,  tamin'ny 2016 i Lyudmila Ulitskaya, mpanoratra nankalazaina teo amin'ny sehatra iraisam-pirenena ary mpanohitra mafana fo ny Firaisana Sovietika sy ny fitondran'i Vladimir Putin, dia niharan'ny fanafihana tamin'ny famonona otrik'aretina. Nisy mafana fo mpikatroka avy amin'ny Hetsika Nasionaly Ho An'ny Fanafahana (NOD), vondrona tia tanbindrazana fatra-mpifikitra amin'ny nentin-drazana, nanondraka azy tamin'ny zelyonka raha izy nanandrana niditra tao aminà lanonana fanomezana loka hoanà fifaninanana an-tsekoly nataon'ny Memorian Society, fikambanana iray izay mikaroka ny tahirin-kevitra mahakasika ny heloka bevava nandritra ny vanim-potoana Sovietika ary hiarovana tsy  hiverenan'izany ao anatin'ny Rosia maoderina.

Maria Alyokhina sy Nadezhda Tolokonnikova, mpikambana ao amin'ny tarika Pussy Riot mpiangaly punk, sady vondrona vehivavy mpanohitra an'i Putin, dia nisy nanafika ihany koa: tamin'ny 2014, vondrona mafàna fo mpomba an'i Putin no nanondraka azy roa tamin'ny zelyonka.

Fiadiana politika malaza koa ny Zeylonka any Okraina. Ny Praiminisitra teo aloha Arseniy Yatsenyuk sy ny Sekreteran'ny Filankevitry ny Fiarovam-pirenena amin'izao fotoana izao, Oleksandr Turchynov, dia vonton'ny loko maitso tany atsinanan'ny tanànan'i Kharkiv tamin'ny 2014, ary nanomboka teo, niharan'ny fanafihana ireo Okrainiana hafa mpanao politika, mpikatroka mafàna fo ary mpanao gazety isan-karazany.

Lasa fahazarana ny fanafihana amin'ny Zelyonka any Rosia sy Okraina ary ny mpitarika ny mpanohitra tsy mijery izany ho toy ny loza mitatao. Raha ny marina, manomboka mampiasa ny fanafihana ho toy ny fiadiana politika manokany izy ireo: vetivety dia nanjary lokon'ny mpanohitra ny maitso. Taorian'ny fanafihana an'i Navalny farany teo, nanao hetsika tselatra tamin'ny aterineto ireo mpampiasa haino aman-jery sosialy ary nampiasa ny tenifototra #GreenNavalny (#зеленыйНавальный) ka nandritra izany no nandefasan'ny olona ny sarin'izy ireo maneho ny endriny rakotra loko maitso. Araka izany, toa mampiasa ilay fanafihana amin'ny famonoana otrikaretina atao amin'ny mpitarika azy ho toy ny fitaovana hanetsehana fanohanana manohitra ireo mpitondra ny fireneny ireo mpanohitra any Rosia.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.