- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ezahan'ny Parlemanta Albaney Sarotsaronana Amin'ny Resaka Fanavaozana Ara-pitsaràna Dia Dioviny ireo Politisiana Mpisoloky Ao Aminy, Hoy ireo Mpanakiana

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Albania, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona

Hetsipanoherana tao Tirana, 11 Aprily. Sary natolotry ny pejy Facebook “Tsy mila andininy faha-499, Tsy Mila Famelankeloka ho an'ny Heloka Bevava”. Nahazoana alàlana

Taorian'ireo hetsipanoherana roa nitranga tao an-drenivohitra tamin'ity herinandro ity, toa nahazo fandreseana goavana ireo mpanohitra ilay fanitsiana ny didy aman-dalàna Albaney momba ny heloka bevava, taorian'ny fanapahankevitry ny filoha Bujar Nishani tsy hankato ireo fanavaozana.

Lazain'ireo mpanao lalàna manohana ilay volavola fa fepetra takiana amin'i Albania izy io hahafahany miditra ao amin'ny Fiombonambe Eoropeana, saingy ireo mpikatroka mafàna fo kosa sy ireo mpisolovava marobe dia milaza fa mety vao mainka hampaharefo ny rafi-pitsarana ao amin'ny firenena ireo volavolam-panitsiana kasaina hatao amin'ny Toko faha-499 amin'ny lalàna famaizana ny heloka bevava [1]. Lazain'ireo mpanakiana fa hanakana ny famerenana mandinika ireo didim-pitsaràna ireo fanitsiana ireo, “ raha natao handetehana ny toerana misy ny toriana no tanjona [amin'ny fampakarana].”

Midika “famotsorankeloka” sy tsimatimanota ho an'ireo politisiana no fahitan'ireo mpanakiana azy io, satria hoafahan'ireo mpanao fanadihadiana sy ireo mpitsara mpanao kolikoly ry zareo. Fanangonana sonia tety anaty aterineto [2] no nanombohan'ny fanentanana manohitra ireo fanavaozana, ary taty aoriana kely, ny 8 Aprily, dia nikarakara hetsipanoherana iray natao teo anoloan'ny birao fiasàn'ny filoha, nitakiana taminy tsy hanao sonia ilay volavolan-dalàna.

Hetsipanoherana tao Tirana, 8 Aprily. Sary natolotry ny pajy Facebook “Tsy mila andininy faha-499, Tsy Mila Famelankeloka ho an'ny Heloka Bevava” . Nahazoana alàlana.

Ny 11 Aprily, mpikatroka mafàna fo an-jatony teo ho eo no nanao hetsipanoherana fanindroany, teo anoloan'ny tranoben'ny parlemanta. Naleon'ireo mpanao lalàna nisoroka ny fifanatrehana tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana, ka nivoaka ny trano avy any ambadika.

Noho ny fandavan'ny filoha tsy hanasonia ilay volavolam-panitsiana, miverina any amin'ny parlemanta ankehitriny ilay izy mba hodinihana bebe kokoa ary mety hanaovana fifidianana mba hanafoanana ilay fitsipahan'ny filoha.

Mangetaheta ny hisakanana izany mety ho fifidianana hanafoanana izany, seriny dia seriny ireo mpikatroka tao amin'ny Facebook [3], manantena ny hanao izay tsy hampahomby ireo fanavaozana. Isan'ny tenifaneva fototra ho an'ny vondrona ny hoe “Sarintsarim-panavaozana ny rafi-pitsaràna,” “Tsy mila famotsorankeloka ho an'ireo politisiana mpanao kolikoly,” sy ny “Tsy mila andininy  faha-449.”

Fahanginan'ny fianakaviambe iraisampirenena izay niaro fatratra ny fanavoazana ara-pitsaràna tao Albania

Ny fikarohana nataon'ireo fikambanana toy ny Freedom Housesy ny “Transparency International” no nametraka ireo fifamatorana akaiky misy amin'ireo mpitsara sy ireo politisiana ao Albania. Tamin'ny taona lasa, nilaza olana marobe [4] ny Departemantam-panjakana Amerikàna — tsindry politika, fampitahorana, kolikoly hatraiza hatraiza, ary tsy fahampiam-pitaovana — samy nibahana ny rafi-pitsarana ao Albania daholo ireo.

Noho ny tsindry avy amin'ny Fiombonambe Eoropeana, izay nametraka ny fanavaozana ny rafi-pitsaràna ho fepetra takiana amin'ireo fifampiraharahàna hidiran'i Albania ao, tamin'ny Jolay lasa teo nanaiky tsy nisy nitsipaka ny dingana hanaovana fanovàna ny parlemanta Albaney, nanosika ireo mpanakiana hanadrohadro [5] hoe “ilay parlemanta faran'izay mpanao kolikoly ao amin'ny firenena” no tampoka teo nanokan-tena hanavao ny resaka fanameloaha ny heloka bevava.

Vao mainka niharesy lahatra ireo mpanakiana rehefa nahita ny endrik'ireo fifampiraharahàna, satria tanaty efitrano nihidy no nihaona ireo solontenan'ny Fiombonambe Eoropeana sy Amerikàna, lavitry ny mason'ny daholobe. Na ny filoha Nishani aza dia nanakiana ny tsy fisian'ny mangarahara, raha nandefa taratasy iray misokatra [6] nitarainany hoe nahilika tsy ho ao anatin'ireo fifampiraharahàna ny biraony.

Taloha kely monja ny nandanian'ny parlemanta ireo fanovàna, naboraky ny haino aman-jery EURACTIV [7] ihany koa fa nangataka antoka tamin'ny Fiombonambe Eoropeana sy i Etazonia ireo Albaney mpanao lalàna mba ho voaaro amin'ny tsimatimanota ry zareo hiarovana ny “ainy, ny fianakaviany, ary ny fototry ny fahefany”, na ho inona na ho inona firafitra farany hivoaka amin'ilay lalàna.

Tamin'ny fahavaratra lasa teo, nolavin'ireo manampahefana Eoropeana sy Amerikàna ny hitondra fanehoankevitra momba ireo tatitra an-gazety [8] hoe ireo fanavaozana ny fitsaràna nataon'i Albania dia mifanohitra amin'ireo sosokevitra nataon'ny EURALIUS [9], izay novatsian'ny Fiombonambe Eoropeana vola hanampiana azy hanavao ny rafi-pitsaràny.

Mamaly ny mpanao lalàna

Amin'ny ankapobeny dia notsinontsinoavin'ireo mpampahalala vaovao Albaney ireo hetsipanoherana, saingy Vasilika Hysi, ilay solombavambahoaka sosialista kosa, nandray sy namaly ireny kiana ireny tamin'ny lahatsorany iray tao amin'ny Facebook [10], tamin'ny filazàna fa tsy hampaharefo ny fitsaràna ireo volavolam-panitsiana.

Nilaza ihany koa i Hysi fa tsy hisy famotsorankeloka homena ireo raharaha heloka bevava, toy ny loza mahatsiravina tao Gërdec tamin'ny 2008 [11], nahafatesana olona 26 tamin'ny fipoahan'ilay toby fitahirizana vanja, na ny famonoana ireo efatra nanao hetsipanoherana teo anoloan'ny tranoben'ny praiminisitra tamin'ny 2011 [12].

Marobe ireo mpisolovava sy manampahaizana manokana no nanohitra ny fomba famakin'i Hysi ny lalàna, tamin'ny filazàna fa tena hanolotra famelankeloka tokoa io satria mikirakira koa ireo didy efa navoaka tany aloha ho toy ny vokatra manakery navoakan'ny rafi-pitsaràna ara-dalàna sy miasa tsara.

Takon'ireo olana politika ny hetsipanoherana

“Tsy Mila Famelankeloka ho an'ny Heloka Bevava,” hoy ny vakin'ny soratra anjain'ny lehilahy iray nandritry ny hetsipanoherana tao Tirana. Sary natolotry ny pejy Facebook  “No to Article 499, No to Amnesty for Crimes”. Nahazoana alàlana.

Anaty olana politika i Albania amin'izao fotoana izao, noho ny fifandirana misy eo amin'ny maro an'isa mitondra sy ny Antoko Demaokratika mpanohitra, izay nibodo ny parlemanta ary tsy ela akory izay no nanamafy fa tsy handray anjara amin'ireo fifidianana hoavy, raha tsy “governemanta teknika” no tendrena hitantana ny firenena.

Etsy andaniny ny maro an'isa mitondra ao Albania miampanga ny mpanohitra ho manao lalao ratsy, amin'ny filazàna azy ho miezaka maka tombony politika ho anà fifidianana izay efa tsy ho azy sahady. Nandrahona mihitsy aza ny antoko eo amin'ny fitondrana fa hifidy handany ireo volavolam-panitsiana, na tsy hanatrika aza ny mpanohitra.

Ireo anjatony na mahery, nivoaka nanao hetsika nanohitra ilay fanavaozana dia nilaza fa tsy noheverin-dry zareo ny hahazo fifantohana be tahaka izao avy amin'ireo mpilaza vaovao mahazatra. Nanao hetsika ry zareo, araka ny nolazainy, satria atahoran'izy ireo ireny volavolam-panitsiana ireny sao mety hisy fiantraikany goavana amin'i Albania toy izay nitranga tany Romania, toerana izay tsy ela akory koa no nisehoanà hetsipanoherana.

Nilaza tao amin'ny media sosialy ireo mpanao fihetsiketsehana fa tokony nosorohan'ny Fiombonambe Eoropeana ny fiankinana tafahoatra tamin'ireo politisiana ao Albania rehefa hiresaka momba ny firenena.

Taorian'ny nandàvan'ny filoha Nishani ilay volavolam-panitsiana, niarahaba ireo namany ilay mpikatroka mafana fo, Brizida Gjikondi, noho ny fahombiazana azon'izy ireo, tamin'ny fanoratany [13] tao amin'ny Facebook ho fisaorana “ireo Albaney rehetra nahatsapa ny maha-zavadehibe ity tolona ity ary nanatevina laharana anay.”

Na tsy dia nahataitra ny sain'ny vahoaka loatra aza ireo volavolam-panitsiana ny rafi-pitsarana tao Albania, mbola miezaka foana ny hanafoana ny fanapahankevitry ny filoha ny ao amin'ny parlemanta, ary milaza ny hanohy ny fanoherany ireo mpanohitra ilay fanavaozana.