Mampisalasala ny Revirevy Xiongan An'ny Filoha Shinoa

Torohay an-tsary mampitaha an'i Xiongan amin'i Shenzhen sy Pudong, faritra toekarena manokana. Avy amin'ny Gazetim-panjakana Shinoa mpivoaka isan'andro.

Taorian'ny fitroatroarana voalohany teo amin'ny tsenan'ny tany sy tsenam-bola ho setrin'ny fanambaran'i Shina momba ny faritra vaovao ara-toekarena ao akaikin'i Beijing tamin'ny fiandohan'ity volana ity, nanomboka nipoitra ny ahiahy sy ny fisalasalana amin'ny filoha Xi Jinping .

Nanambara i Shina fa hametraka Faritra Vaovao Xiongan, «paikady lehibe ho an'ny arivo taona» ao Hebei faritany mbola tsy mandroso, izay anisan'ny faritra avaratra maina ao Shina mba hampiroborobo ny fiaraha-mandroso eo amin'ny faritra Beijing-Tianjin-Hebei.

Sokajiana ho zava-dehibe ao amin'ny firenena tahaka ny Faritra Ara-toekarena Manokana Shenzhen sy ny Faritra vaovao Pudong ao Shanghai ao atsimon'i Shina ity fanapahan-kevitra ity – izay antenaina hahalefy kokoa ny teritery ateraky ny isan'ny mponina sy ny toekarena ao amin'ny tanàna manana mponina 22 tapitrisa ao Beijing, araka ny tenimita navoakan'ny Komity Foiben'ny Antoko Komonista sy ny Vaomieram-Panjakana.

Na ny marina kokoa, tokony hampihena ny fitohanana sy ny fahalotoan'ny rivotra ao Beijing malaza feno setroka sy hiteraka famindràna indostria ny drafitra, no sady mampilefy ny fitomboan'ny mponina sy ny fiakaram-bidin'ny trano ao an-drenivohitra.

Fotoana fohy taorian'ny fanambarana, novaina tampoka ho faritra ampiasam-bola ho an'ny tany aman-trano i Xiong, Rongcheng ary Anxin – faritra telo tratra aoriana, 130 kilaometatra atsimon'i Beijing izay nosafidiana ho toeran'ny faritra vaovao ara-toekarena, na dia niezaka hanery fandresen-dahatra amin'ny fametrahana fameram-bidy aza ny manampahefana.

Niitatra tany amin'ny tsenam-bola ny haromotan'ny fampiasam-bola, ka orinasa maherin'ny 40 voalisitra ao Shanghai, Shenzhen ary Hong Kong voakasiky ny faritra vaovao, indrindra indrindra ireo orinasan'ny developera sy momba ny vy sy simenitra no nirongatra tamin'ny herinandro lasa.

Saingy raha hita ny tsy fahombiazana maro nitranga vao haingana tamin'ny fananganana faritra vaovao ara-toekarena tao Shina, inona no mampiavaka ny planina Xiongan an'i Xi?

Ny tsy fahombiazana malaza tamin'ny taom-polo lasa dia ny Faritra Vaovao Caofeidian, nosy miorina 230 kilaometatra atsinanan'i Beijing, izay nokasaina apetraka manodidina ny Renivohitry ny Vy-Tsy, iray amin'ireo orinasam-panjakana lehibe indrindra misahana ny vy ao Shina. Noheverina indray mandeha ho lasa fihaonan-dalan'ny indostria mavesatra izy saingy lasa mitovy amin'ny tanàna haolo maivana fampiasam-bola izy ankehitriny.

Ào Tianjin, kaominina 130 kilaometatra atsimo atsinanan'i Beijing, nampanantena hanangana foibe ara-bola goavana indrindra manerantany, Faritra Vaovao Binhai ny manampahefana. Nipoitra voalohany tahaka ny tetikasa ny Binhai tamin'ny taona 1990 saingy tsy nety niroborobo araka ny niheverana azy.

Tamin'ny volana lasa, nanampy “faritra vaovao ho an'ny tsena malalaka” miisa fito manerana ny firenena ny governemanta Shinoa, natao hampiroborobo ny toekarena ara-paritra voatsindrin'ny fihisaran'ny toekaren'i Shina.

Anebakebantany sy “tratra aoriana”

Na dia eo aza ny haromotan'ny tsena, somary mangingina ireo mpanao fanadihadiana ara-bola hoe manao ahoana ny fahombiazan'i Xiangan.

Nilaza i Liao Qun, lehiben'ny mpahay toekarena ao amin'ny Banky Iraisam-pirenena China Citic fa mitady hivelatra haingana ny faritra amorontsiraka. Naminavina ny fikarohan'i Merrill Lynch fa tsy ahitana fitarikandrom-pampiasambola ara-potodrafitrasa goavana ao Shina ny faritra vaovao. Nanombatombana ireo mpanao fanadihadiana ao amin'ny Nomura fa mety ho eo amin'ny 500 miliara yuan (72,5 miliara dolara) ny fotodrafitrasa mivantana fanampiny isan-taona sy ny fampiasam-bola amin'ny tany aman-trano ao amin'ny faritra vaovao mandritra ny dimy taona manaraka, izay midika fa 0,3 hatramin'ny 0,6% fotsiny ny harin-karena faobe.

Niahiahy momba ny hoavin'ny faritra vaovao ireo Shinoa mpahay toekarena sasany satria miadam-pandeha ny fanovana ara-toekarena sy ara-politika.

Nilaza tao amin'ny Weibo sehatra media sosialy Shinoa  i Li Zuojun, mpiara miasa ao amin'ny Foibem-pikarohana ho an'ny Fampandrosana ao amin'ny Vaomieram-Panjakana hoe:

【新区持续成长的条件】设新区易,使新区持续健康成长难。新区持续健康成长需要以下条件:一是产生和壮大一批有市场竞争力的企业;二是聚集和成长一批有创新意识的创业者;三是建立一整套能激发社会活力的体制机制;四是起步时利用国家倾斜政策但不依赖于囯家政策;五是在开发过程中对资源环境保持敬畏

[Fepetra ho fampandrosoana maharitra ho an'ny faritra vaovao] Mora ny mametraka faritra vaovao, saingy sarotra ny mampaharitra ny fampandrosoana azy. Ireto ny sasany amin'ireo fepetra ilain'ny faritra vaovao mba halovain-jafy ny fampandrosoana: 1. Fahafahana mamokatra sy manome hery orinasa marobe ho afa-mifaninana; 2. Fahafahana manangona ireo mpandraharaha marobe tia fanavaozana; 3.Rafitra hampiroboroboana ny fanavaozana ara-tsosialy; 4. Tsy tokony hiankina amin'ny fanohanan'ny politikam-pirenena ankoatra ny fotoana fanombohana; 5. Tokony hitahiry ireo loharanon-karena sy tontolo iainana mandritra ny fivelarana.

Xiao Feng, mpaneho hevitra malaza momba ny raharaha ankehitriny nampitandrina fa mety ho diso nodokafana be loatra ilay faritra vaovao:

特区“特”在观念。没有体制突破,难称特区。如果没有观念突破,雄安新区不过是另一次概念炒作——深圳当年的兴起,靠的可不是房地产商,而是一大批体制反叛者。而在计划经济色彩浓重的河北,如何能吸引和包容那些体制另类?

Raha tsy manaja ny rafitra efa misy ny hevitra “manokana” ao anatin'ny sehatra fampandrosoana manokana, tsy ho manokana tanteraka izy. Raha tsy mihoam-pefy manoloana ny fakantsika sary an-tsaina, dia hitoetra ho tsirin-kevitra iray hafa notarihana fotsiny ny Faritra Vaovao Xiongan. Tsy niankina tamin'ireo mpikirakira tany aman-trano ny fahombiazan'ny Faritra Ara-toekarena tao Shenzhen, fa tamin'ireo mpikomy marobe te hanova ny rafitra [nalamina tao amin'ny foibe]. Ao Hebei, izay itokisan'ny olona ny toekarena voarafitra, ahoana no ahafahan'izy ireo misarika sy mahazo olona hafa mandeha manohitra ny fanjakazakan'ny efa mijoro ho rafitra?

Mametraka fiisalasalana amin'ny fampandrosoana ny faritra vaovao ihany koa ireo mpisera Weibo mahazatra,  toy izao ny fivakin'ny fanehoan-kevitra ao amin'ny Lohatenim-baovaon'ny Weibo :

又一个大型政府炒房楼盘诞生了!

Misongadina ny tetikasan'ny fananantany aman-trano be tombatombana loatra novolavolain'ny governemanta!

别炒作这些了,踏踏实实做点实业吧,不然什么比肩深圳上海,那就是个笑话,这破地方本来就人文文化,意识形态,商业环境都落后,现在还啥都没干呢先炒房,能发展起来才怪了。

Raha tsy misy dokambarotra sy fampandrosoana matotra kokoa ho an'ny indostria, dia hijanona ho vazivazy ny hevitra hahatrarana an'i Shenzhen sy Shanghai. Ahoana no hahombiazan'i [Xiongan] raha manomboka amin'ny fanombanana avo ny vidy na hofantany aman-trano ao amin'ny faritra izay tratra aoriana amin'ny resaka kolontsaina, foto-kevitra sy tontolo ara-pihariana?…

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.