Milaza Ireo Afrikana Tatsimo Sasany Fa Tsy ny Filaharan'ny Famatsiam-bola Fotsiny Ihany no Tratran'ny Tsy Fanjariana ao amin'ny Firenena

Trano bongo ao an-tanàndehiben'ny Le Cap. Milaza ireo Afrikana Tatsimo sasany fa ireo mainty hoditra voafantina sy ireo fotsy hoditra ihany no mahazo tombontsoa amin'ny famatsiam-bola. Sary Creative tao amin'ny Wikipedia avy amin'i Chell Hill. Creative Commons Attribution ShareAlike 3.0

Nokilasian'ny sampan-draharaha mpanadihady ny tahan'ny fampindram-bola miisa roa S&P Global Ratings sy ny Fitch ho mivarina any amin'ny tratran'ny tsy fanjariana ny fiandrianan'i Afrika Atsimo amin'ny tahan'ny findramam-bola. Nitanisa ny fanesoran'ny Filoha Jacob Zuma ny Minisitry ny Vola nohajaina Pravin Gordhan ho anisan'ny antony iray nahatonga ny fitotonganana tamin'ny laharana ireo sampan-draharaha ireo.

Mety hisy fiantraikany eo amin'ny fahafahan'ny firenena mindram-bola sy hampihemotra ireo mpampiasa vola ihany koa ny fanakilasiana. Tsy hisy fiantraikany eo amin'ny Afrikana Tatsimo ao anatin'ny fotoana fohy ny fanakilasiana araka an'i Chris Malikane, mpampianatra mpahay toe-karena ao amin'ny oniversiten'ny Wits. Hitarika ho any amin'ny fampakarana ny zanabola ao anatin'ny fotoana maharitra kokoa kosa anefa izany na izany aza .

Nanamarika i Malikane fa ny tena zavatra mety ho ateraky ny fivarinana dia:

[…] an increase in the risk premium‚ meaning lenders increase interest rates because of a perceived greater risk in default. The result is households with capital in investments and assets are going to be mostly affected.

[…] ny fitomboan'ny ahiahy amin'ny famatsiam-bola, izay midika hoe miakatra ny tahan'ny zanabolan'ny mpampindram-bola noho ny mety tsy hahatafaverina ny vola hitranga bebe kokoa. Ny vokatr'izany dia fitazonan'ny tokantrano renivola bebe kokoa eo amin'ny fampiasam-bola ary ny fidiram-bola no mety iantraikan'izany be indrindra.

Naneho hevitra mikasika ny vaovao ireo Afrikana Tatsimo, nanome tsiny ny Filoha Zuma noho ny fivarinana, ary nanohitra ny fampilaharana nataon'ireo sampan-draharaha mpanadihady ary nanasongadina ny hantsana ara-toekarena misy eo amin'ny firenena.

Namintina ny mety ho vokatry ny fivarinana ny mpisera Twitter Dabesa:

Vokatry ny #tsyfanjariana
1.Hiakatra ny vidim-piainana
2.Ho very sanda ny renivola.
3. Hihena bebe kokoa ny vidin'ny rand.
4.Ho very mpamatsy vola i Afrika Atsimo ??

Mpisera iray hafa, Chloé, naneso ny Filoha Zuma tamin'ny fanakilasiana:

Nahavita zavatra ihany ny Filoha Zuma ny farany. [tsy fanjariana]

Nanamarika ilay toniandahatsoratra teo aloha tao amin'ny Financial Mail ao Afrika Atsimo, Barney Mthombothi, hoe:

Tsy misy amin'izay ahatsiarovana avy hatrany an'i Zuma no afa-namonjy an'i Afrika Atsimo

Nivazivazy i Nandi hoe:

Nanova ny anaran'i Afrika Atsimo ho Zimbaboe Atsimo isika

Miaina olana ara-bola mafy i Zimbaboe amin'izao fotoana izao.

Nizara sary mampiseho ny tahan'ny famatsiam-bola teo ambany fitondran'ireo filoha samihafa tao Afrika Atsimo talohan'ny Apartheid ny “Dokotera Bibilava Afrikana”:

Zuma, araka ny hitanao, naorin'ireo olona nodimbiasanao ny famatsiam-bolantsika. Tsy zavatry ny fotsy hoditra izy ity. Fa rehareha no nopotehinao.

Namantana ny siokany ho any amin'ny mpanohana an'i Zuma i Moses Mothebe:

Jereo ny fanomezan-tsiny ataon'ny mpanohana an'i Zuma ireo fotsy hoditra noho ny tsy fanjariana

Afrikana Tatsimo mainty hoditra ny ankamaroan'i Zuma sy ny mpanohana ny fitondrana ANC. Nanome tsiny imbetsaka ireo  Afrikana Tatsimo fotsy hoditra noho ny fahantrana sy ny elanelana tao amin'ny firenena i Zuma .

Na izany aza, nanamarika i Duncan Wa Muvenda hoe:

Niaina ny #tsyfanjariana nanomboka tamin'ny taona 1652 ny mainty hoditra ! Mahazo tombontsoa avy amin'ny famatsiam-bola ny mainty hoditra voafantina sy ny fotsy hoditra nahazo tombontsoa! Atsaharo ity zavatra tsy misy dikany ity!

Ny taona 1652 no nanorenan'ny Holandey ny fanorenan'ny voanjo Eoropeana voalohany tao Afrika Atsimo .

Nizara ny sarin'ireo trano bongo miaraka tamin'ity fanamarihana manaraka ity ny mpisera iray hafa :

Tsy afaka milaza ny fahasamihafana eo amin'ny toe-karena AAA sy ny #tsyfanjariana ireo olona miaina ireo fepetra ireo – Ny zava-misy ihany ????

Ny AAA no taha ambony indrindra azon'ny sampan-draharaha misahana ny fanadihadihana ny fampindramam-bola omena ny firenena tsirairay.

Niahiahy momba ireo sampan-draharaha kosa i Phelelani Mpanza  :

Tokony hanadihady ny fitokisana ireo sampan-draharaha mpandahatra ireo isika

Nanontany tena ny mpisera iray hafa :

Nahoana no nahafahan'ny fitondrana Apartheid niavotra tsy nisy ireo “sampan-draharaha mpandahatra” mamono ireo nandritra ny 40 taona mahery .

Naminavina i Mpumelelo Mbatha fa fanafihana amin'ny toe-karen'ny firenena BRICS vao misondrotra ny fivarinana :

Mety ho fanafihana ny BRICS ny fivarinan'i Repoblikan'i Afrika Atsimo ho amin'ny tsy fanjariana. Nivarina ho tsy manjary [ara-toekarena] i Brezila tamin'ny volana Febroary lasa teo ….

Ny BRICS dia fikambanan'ny firenena dimy lehibe eo ampisongadinana ara-toekarena (Brezila, Rosia, India, Shina ary Afrika Atsimo).

Naneho ny fihetseham-pon'i Mbatha i Vuyo Ro:

Navarina i Brezila mba ahafahan'ny vahoaka manakana-manaisotra ny filohany amin-kery. Tsy adala ny Afrikana Tatsimo .

Tamin'ny herintaona, nanambara ny BRICS fa mety hanangana sampan-draharaha mpandahatra ny tahan'ny fampindram-bola hafa hifaninana amin'ny Fitch sy ny hafa ry zareo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.