- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Maha-Aro ny Mpanao gazety Manoloana ny ‘ISIS An-Tanindrazana’ ao Chechnya Ve I Rosia?

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Rosia, Fahalalahàna miteny, Lalàna, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana, Zon'ny Nanova na Mpitia Mitovy Fananahana (LGBT), Zon'olombelona, Akon'ny RuNet
[1]

Alexey Venediktov “tao Grozny.” Sary nataon'i Valery Osipov. Novain'i Kevin Rothrock.

Tany am-piandohan'ity volana ity, namoaka fahitana nanaitra [2] ny gazety tsy miankina Novaya Gazeta fa hoe namory ireo lehilahy pelaka ny mpitandro ny filaminan'ny Repoblika Tsetsenina maro an'isa Miozolomana ao Rosia ary nihazona azy ireo tamin-kerisetra ary namono azy ireo mihitsy aza indraindray. Nampitodika ny fifantohana iraisampirenena ny tatitra, satria nanomboka tamin'izay dia lasa fantatra tamin'ny anarana hoe “toby fihazonana pelaka” ao Chechnya ny tantara.

Tamin'ny 3 Aprily, telo andro taorian'ny nipoahan'ny vaovao tao amin'ny Novaya Gazeta, nivory tao amin'ny moskea foibe ao Grozny ny mpitarika Islamika any ho any amin'ny roapolo any hiresaka momba ny lohahevitra teo anoloan'ny mpivavaka miisa 15 000. Nandritra ny fotoana, niantso ny mpanao gazetin'ny Novaya Gazeta ampahibemaso ho “fahavalon'ny finoantsika” ny mpanolotsainan'i Ramzan Kadyrov, ilay mpitarika mpanao didy jadona ao Chechnya.

Rehefa vita ny fifampidinihana, nahitana izao teny manaraka izao ny fanapahan-kevitra ofisialy [3] nentin'ny mpitondra fivavahana:

Ввиду того, что нанесено оскорбление вековым устоям чеченского общества и достоинству мужчин-чеченцев, а также нашей вере, мы обещаем, что возмездие настигнет истинных подстрекателей, где бы и кем бы они ни были, без срока давности.

Tamin'ny fahitana ny faniratsirana ny fototry ny fiarahamonina Tsetsenina naharitra taonjato maro sy ny fahamendrehan'ny lehilahy Tsetsenina, ary teo ihany koa ny anivaivana ny finoanay, dia mivoady izahay fa hampiharina amin'izay olona nahatonga niavian'izany ny famaizana, na iza izany na iza ary na aiza izy ireo na aiza, na rahoviana izany na rahoviana.

Nilaza ny toniandahatsoratra ao amin'ny Novaya Gazeta fa niteraka onjam-pandrahonana an-tserasera ity fanapahan-kevitra ity, ary niantso ny fampiharana ny lalàna Rosiana ny gazety tamin'ny alakamisy raha nangataka fiarovana.

Vantany vao vita ny antso [4] nataony ho an'ny polisy, dia hita fa tratran'ny fanafihana fandàvana tolotra ny tranonkalan'ny Novaya Gazeta. Nadikan'ny gazety tao amin'ny lahatsoratra Facebook [5] avy eo ilay hafatra nisy ny antso nataony, izay nozarain'ny mpamaky mpankasitraka mihoatra ny in-1.300.

Ny ampitso, namoaka hafatra firaisan-kina [6]amin'ny mpanao gazetin'ny Novaya Gazeta i Alexey Venediktov, lehiben'ny toniandahatsoratra ao amin'ny onjam-peo tsy miankina Ekho Moskvy raha nanoratra tao amin'ny bilaoginy, ary nalefany ho an'ny sampan'ny governemanta federaly Rosiana maro izany .

Вы ждете чего? Пока ваши центры «Э» гоняются за подростками с кедами, у вас под боком выросла наглая, бесконтрольная, вражеская государству сила, которая смеет угрожать гражданам России.

Или она уже настолько выросла, что вы опасаетесь даже приступить к расследованию? Или доморощенный ИГИЛ настолько сильнее вас, а вам остается лишь продолжать беспомощно наблюдать, как они грозят и убивают?

Inona no andrasanareo? Raha mihaza ireo tanora ao Keds ny vondrona “anti-eksitiremistareo “, mipongatra eo anoloanareo ny tafi-panjakana feno fahasahiana, tsy voafehy, feno fankahalana sahy mandrahona ny olom-pirenena Rosiana.

Sa ve tena manana tanjaka lehibe io tafika io ka matahotra ny hanomboka fanadihadiana ianareo? Tena matanjaka kokoa noho ianareo ve ity ISIS an-tanindrazana ity, ka tsy misy azonareo atao afa-tsy ny mijery tsy afa-manoatra, raha mandrahona sy mamono izy ireo?

Raha nanohana ny fampitahana amin'ny ISIS i Venediktov tamin'ny filazana fa mitovy amin'ny fampitandremana farany fanaon'ny Fanjakana Islamika amin'ny mpanangom-baovao ny fandrahonan'ny manampahefana Tsetsenina ny mpanangom-baovaon'ny Novaya Gazeta. “Mora ny manafangaro ireo roa ireo,” hoy izy nanoratra tamin'alahelo.

Nilaza [7] tamin'ny mpanangom-baovao i Dmitry Peskov, mpitondratenin'i Kremlin, tamin'ny zoma fa tsy handefitra amin'ny herisetra amin'ny endrika rehetra atao amin'ny mpanangom-baovao ny governemanta ary nanazava fa na iza na iza manan-kolazaina amin'ny tatitra ataon'ny Novaya Gazeta dia tsy maintsy mamaly izany amin'ny “fampiasana ny fomba fiasa ara-dalàna.”

Mandritra izany fotoana izany, nametraka fitoriana ny Komity Misahana ny Famotorana Federaly ao Rosia ilay mpisolovava miaraka amin'ny Agora vondrona mpiaro ny zon'olombelona, Andrei Sabinin, noho ny tsy fahombiazana tamin'ny famaliana ny tatitra voalohany nataon'ny Novaya Gazeta momba ny famoretana faobe ny pelaka tao Chechnya.

Nilaza tamin'ny mpamoaka vaovao i Peskov raha nanontaniana momba ny fiampangana fisian'ny “toby fihazonana pelaka ” hoe “Tsy manana vaovao marim-pototra momba ny olana ao [Chechnya] izahay. Manara-maso ny tatitra ao amin'ny haino aman-jery izahay , kanefa tsy afaka mandray ireo tatitra ho toy ny vaovao voamarina araka ny tian'ireo olona ataonay izahay. “