Nandray anjara tamin'ny lahatsoratra amin'ny teny Espaniôla niaingàna i Daniela Gallardo. Ny dikanteny Anglisy eto ambany dia namboarina sy nasiana fanavaozana.
Taorian'ny fampielezankevitra mafonja nataon'ireo mpifaninana Guillermo Lasso sy Lenin Moreno, dia ity farany no nambara fa nivoaka nandresy tamin'ny fifidianana ho filohampirenena tao Ekoatora tamin'ny 2 Aprily. Kanefa, ny avy amin'ny fanoherana sy ireo mpomba an'i Lasso dia nilaza fisianà hosoka ary niantso fanaovana hetsipanoherana hitakiana ny famerenana fanisàna iray vaovao.
Ny isa ofisialy nomen'ny Filankevitra Nasionaly misahana ny Fifidianana dia 51.16% ho an'i Moreno ary 48.84% ho an'i Lasso.
Onjam-pihetsiketsehana goavana no hita nandritra ireo andro nanaraka ny fifidianana, voarakitra amin'ny tenifototra #Megafraude (Hosoka-Goavana) sy #LicenciadoMoreno (Moreno “Voahosotra”, anarana iray mahazatra ampiasaina ho an'ireo olona nahazo maripahaizana) mba hanipihana ny zavamisy hoe lavin'ny olona sasany ny hiantso azy ho “filoha-voafidy”:
Algunos ciudadanos de Ecuador han salido a las calles a alzar su voz de protesta. #EcuadorElige2017 #Ecuador #EcuadorVoto2017 pic.twitter.com/lXSBNfYlPl
— Suriel Chacon (@suriel) April 3, 2017
Nidina an'arabe ny sasany tamin'ireo olompirenena Ekoatoriana mba hilaza ny feony sy handrenesana ny hetsika ataony
Nabaribarin'ilay fanentanana ny fizarazaràna goavana misy eo amin'ireo samy mpifidy, eo amin'ireo izay tena mahita an'i Lenin Moreno, ilay mpifaninana avy amin'ny antoko politika eo amin'ny fitondràna, ho toy ny fitohizan'ny fandaharanasa sosialista izay tato anatin'ny fotoana fohy no nitarihan'ny Filoha Rafael Correa azy, ary ireo izay mahita ny mpifaninana natolotry ny antoko CREO, Guillermo Lasso, ho toy ny fanehoana fiovàna stratejika kokoa manaraka ny idealy ara-toekarena napetraky ny mpifikitra amin'ny nahazatra.
Lisette Arévalo Gross sy Sol Borja, mpandalina avy amin'ny media Ekoatoriana GkillCity, no namaritra ny fomba fipetrak'ireo mpifaninana ao anatin'ny tontolo politika feno fifandirana ao Ekoatora, ary koa ny tahotra ananan'ireo Ekoatoriana marobe momba ny fahalalahana maneho hevitra sy ny fiarovana ny demaokrasia. Momba ireo nifidy an'i Lasso, dia hoy i Arévalo Gross :
Hay mucha gente que está de acuerdo con Guillermo Lasso de que al Ecuador hay que salvarlo. Esa es la razón por la que van a votar por él, lo apoyan y siguen. Incluso hay quienes no lo apoyan, ni lo siguen, pero votaron por él en primera vuelta por la simple y sencilla razón de que Guillermo Lasso era el más opcionado para llegar —como en efecto llegó— a una segunda vuelta con Lenín Moreno, el candidato que corre por Alianza País, el partido de gobierno.
Maro ny olona miombona hevitra amin'i Guillermo Lasso amin'ny hoe mila vonjena i Ekoatora. Izany no antony nandehanan-dry zareo nifidy azy, manohana sy manaraka azy ry zareo. Tafiditra amin'izany ireo tsy manohana azy, na manaraka azy, fa nifidy azy tamin'ny fihodinana voalohany noho ny antony tsotra hoe i Guillermo Lasso no toa azo eritreretina ho mety hahatratra kokoa — toy ny efa vitany rahateo — fihodinana iray faharoa miaraka amin'i Lenin Moreno, izay mifaninana amin'ny anaran'ny antokon'ny mpitondra, Alianza País.
Ary momba an'i Lenin Moreno, dia nasongadin'i Borja fa:
[Lenin Moreno] Ha sido presentado como la cara buena de un fenómeno político liderado por un personaje de carácter explosivo, intolerante e impulsivo […] La idea de que Moreno es un patriota es repetida por sus seguidores y pulida por su equipo de campaña. Hay un cerco estricto que hace muy difícil llegar a él y verlo fuera de la imagen heroica que presentan sus asesores.
[Lenin Moreno] no nosalorana ho endrika iray tena maneho ny rivotra politika iray tarihan'ny olona iray manana toetra miovaova, tsy misy fandeferana ary tsy tohinina […] Ny filazàna an'i Moreno ho tia tanindrazana dia averimberin'ireo mpanohana azy sy dilorin'ny tarika mpanao fampielezankeviny. Misy rindrina iray tsy hay hioharana manakana ny fifandraisana aminy sy mamefy azy any ivelan'io sary maha-maherifo ilazan'ny mpanolotsainany azy io.
Mpifikitra tafahoatra amin'ny mahazatra no ahitàn'ny hafa an'i Lasso, ka tsy hahavitra hisarika vatom-pifidianana avy amin'ireo ivo politika, izay mety nampiova ny vokatra azo.
Lasso no le tocaba convencer a nadie…Como sociedad debimos ser contundentes contra el gobierno mas corrupto de la historia…
— ن La bestia… (@JuanM_Miller) April 3, 2017
Tsy ny rehetra no tian'i Lasso homena fahafahampo…Amin'ny maha-fiarahamonina antsika dia tokony tsy hanaiky lembenana isika hanohitra ilay governemanta faran'izay mpanao kolikoly indrindra teo amin'ny tantara…
Feno zavatra tsy nanjary tamin'ny androm-pifidianana. Fitarainana nitety ny media sosialy milaza ny momba ireo birao fifidianana, ary ireo fikambanana toy ny Usuarios Digitales (mpmpiasa ny dizitaly), izay manaraka ny fironan'ireo olompirenena ety anaty media an-tserasera, nampangaina ho nanao lalao maloto tamin'ny fizaràna torohay izay mety nampanahirana ireo mpifaninana akaikin'ny fitondràna.
#AlertaDigitalEC portal Web de Control Electoral https://t.co/q6g6UdCMZb de @CREOEcuador actualmente fuera de línea. Posible ataque DDoS pic.twitter.com/CFX0vUmNFe
— Usuarios Digitales (@usuariosdigital) April 3, 2017
#DigitalAlertEC: Tsy hita an-tserasera izao ny pejy ho fanarahana maso ny fifidianana avy amin'ny antoko politika CREO. Niharan'ny fanafihana DDoS angamba
Nisy fampitahàna natao tamin'ireo toedraharaha politika hafa tany amin'ny faritra Amerika Latina. Ho an'ny maro, ny fiakaran'i Moreno ho eo amin'ny fitondrana dia fitohizan'ny fandaharanasa tsy misy hafa amin'izay tetikady politika sy ara-toekarena hita ao Venezoela amin'izao fotoana izao, izay ivon'ireo adihevitra mafonja nateraky ny olana ara-politika sy toekarena tao aminy.
Que lo sucedido en Vzla, sea un ejemplo para Ecuador, que su voto sea un NO rotundo, a la dictadura del soc. del siglo XXI #EcuadorElige2017
— yajanne palencia (@yapalma) April 2, 2017
Manantena aho fa mba ho ohatra ho an'i Ekoatora izay zavatra niseho tao Venezoela, hoe TSIA manakoako ho an'ny jadona sosialista aty amin'ny taonjato faha-21 no ho valin'ny fifidianana #EcuadorChooses2017
Toy izay ihany, ireo filazàna fisianà hosoka dia mitanisa fiampangàna natao nandritra ny fifidianana tao Venezoela tamin'ny 2013 nifanandrinan'i Nicolás Maduro, filoha amperinasa amin'izao fotoana ao Venezoela, sy Henrique Capriles, izay mpifanandrina mivantana aminy:
Está sucediendo lo mismo en Ecuador que en Venezuela en Abril de 2013, ganaba Capriles y luego CNE proclama a Maduro con 1% arriba. Fraude
— Viva Venezuela Libre (@Chuchulawer) April 3, 2017
Mitranga ao Ekoatora ankehitriny izay niseho tany Venezoela tamin'ny Aprily 2013. Nandresy i Capriles ary avy eo i Maduro no nambaran'ny Filankevitra Nasionaly misahana ny Fifidianana ho nitarika 1%. Hosoka
Lo mismo que le hicieron a Capriles en #Venezuela se lo están haciendo a #GuillermoLasso en Ecuador. No al FRAUDE! #LassoPresidente
— Britboy! (@britboy18) April 3, 2017
Toy izay nataon-dry zareo tamin'i Capriles tany #Venezuela no ataon-dry zareo amin'i #GuillermoLasso ao Ekoatora. Tsy ekena ny HOSOKA! #LassoPresident
Nanambara i Lasso fa hitaky famerenana fanisàna vato izy ary hanaiky raha toa ka resy “na dia vato iray monja aza”.
Amin'ny fahitana mazava ny fisamantsamahana tsy azo ihodivirana misy ao amin'ny firenena, ny sasany mamehy hoe :
Dividir al país en dos pedazos irreconciliables de 50.0% cada uno : El mayor logro de Rafael Correa Delgado.
— Rolando Montesdeoca (@romoced) April 3, 2017
Ny fanapasahana ny firenena ho andaniny roa 50% tsy azo ampihavanina: zavabita tsara indrindra nantaon'i Rafael Correa Delgado.
Justo lo que necesitábamos en crisis económica y política, un presidente cuestionado en la legitimidad de su elección. Vamo’ ahí @cnegobec
— Ramiro García F (@ramirogarciaf) April 3, 2017
Tena ny hany ilaintsika ao anatin'ny krizy politika sy toekarena, filoha iray izay ametrahan'ny rehetra ahiahy ny maha-ara-drariny ny fahalaniany tamin'ny fifidianana. Tohizo e!
Ambadika lavitr'ireo tsahotsaho fisianà hosoka na ny hevitra hoe antoko miha-mitombo hery, mitohy ny ahiahy sy ny fihenjanana ateraky ny kolikoly ary ny fameperana ny fahalalahana maneho hevitra.