- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Manohy Ny Antsony Mba Hanaovan'i Etazonia Fizahana Ifotony ny Trosam-panjakana ny I Puerto Rico

Sokajy: Karaiba, Pôrtô Rikô (Etazonia), Fanoherana, Mediam-bahoaka, Toekarena sy Fandraharahàna

Nandray anjara tamin'ny fiaretan-tory faobe izay natomboka teo anoloan'ny Capitol tamin'ny 3 Aprily 2017 ny fikambanan'olon-tsotra sy ara-pivavahana maro mba ahafahana manao fanamarinana ny trosan'i Puerto Rico, izay mitentina 72.000 tapitrisa dolara, ary nanohy ny diabe mandrapaha-tonga tao amin'ny Plaza de Colón del Viejo San Juan. Nokarakarian'ny vondrona  Mandatehezan'ny Olom-pirenena Hanaovana Fizahana Ifotony ny Trosa sy ny Fiombonana Ara-pivavahana sy Iraisam-pinoana ao Puerto Rico ny fihetsiketsehana.

Nanomboka fanangonan-tsonia [1] tao amin'ny tranonkala ofisialin'ny Trano Fotsy ao Etazonia ihany koa ireo liana tamin'ny fitakiana fizahana ifotony. Hoy ny fangatahana hoe:

The people of Puerto Rico demand for the politicians, bankers and government agencies responsible for the debt to be held liable for their corruption. We demand a financial oversight and management board with no personal interests in the debt, with a fixed salary attune with our financial reality, and working to benefit our economy.
We are being extorted and we are being enslaved. The people of Puerto Rico refuse to pay a debt that is not ours. We will not choose between education or healthcare. Our elders will not have their pensions reduced. We demand immediate action.

Takian'ny vahoakan ‘i Puerto Rico ho tompon'andraikitra amin'ny kolikoly ataony ireo mpanao politika, mpiasan'ny banky sy ny sampan-draharaha-panjakana tompon'andraikitra tamin'ny fitrosana. Takianay ny fanaraha-maso ara-bola sy fitantanan-draharaha tsy misy tombontsoa manokana avy amin'ny trosa, manana karama raikitra izay mifanaraka amin'ny tena zava-misy ara-bola ary miasa ho amin'ny tombontsoan'ny toe-karentsika.

Nandevozina sy nendahina izahay. Mandà ny handoa ny trosa tsy anay izahay vahoakan ‘i Puerto Rico. Tsy manaiky ampisafidianana na fanabeazana na fahasalamana izahay. Tsy ahena ny fisotroan-drononon'ireo zokiolona. Mitaky hetsika avy hatrany izahay.

Miatrika krizy ara-bola lehibe [2] [mg] ilay nosy izay zaratany tsy tafiditra ao anatin'i Etazonia. Tokony asolo ny Birao Mpanara-maso ny Hetra noteren'ny governemanta federalin'i Etazonia apetraka ny Foiben'ny Toekarena Vaovao, fikambanana iray mifantoka amin'ny fampiroboroboana ny sosialy sy ny toekarena ao amin'ny firenena, manolotra ny volavolan-Dalàna Miandraikitra ny Hetra [3]. Izao no antony:

La crisis económica y fiscal de Puerto Rico requiere una reestructuración amplia de la infraestructura fiscal de Puerto Rico. Un esfuerzo impuesto desde afuera sin la participación y convencimiento de los residentes de Puerto Rico corre el riego de enfrentar el rechazo de la ciudadanía.

Mitaky fanavaozana tanteraka ny rafitry ny fandraisan-ketra ao Puerto Rico ny krizy ara-toekarena sy ara-bola ao an-toerana. Mety hiatrika ny fitsipahana zom-pirenena ny ezaka napetraka avy any ivelany raha tsy misy ny fandraisana anjara sy ny fandresen-dahatra avy amin'ny mponina ao Puerto Rico .

Mitondra ny lohateny hoe “Ny fiaretan-torin'ny fahazavana sy ny fahamarinana” ilay hetsika. Ireto misy sary vitsivitsy:

Mpandray anjara tao amin'ny Fiaretan-tory miomana amin'ny diabe izay mifarana amin'ny hetsika. Sary: Alberto Alonso. Nahazoana alàlana .

Algunos de los líderes a su llegada a la Plaza Colón del Viejo San Juan. Fotografía: Alberto Alonso

Ireo mpitarika sasantsasany teo am-pahatongavana tao amin'ny Plaza Colón del Viejo San Juan. Sary: Alberto Alonso. Nahazoana alàlana.