- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Netizen Report: Mitombo Ny Sivana Ao Venezoela’

Sokajy: Amerika Latina, Venezoela, Fahalalahàna miteny, Fanampenam-bava, Fanoherana, Hafanàm-po nomerika, Mediam-bahoaka, Teknolojia, Zon'olombelona, GV Mpisolovava
[1]

Mpianatra mpanao fihetsiketsehana miresaka amin'ireo Mpitandro ny Filaminana ao Venezoela, nandritra ny fihetsiketsehana tamin'ny 2014. Sary avy amin'ny Jamez42 tao amin'ny Wikimedia Commons (CC0) 

Manome topimaso iraisam-pirenena momba ny fanamby, fandresena sy vaovao malaza momba ny zo aterineto manerantany ny Netizen Report an'ny Global Voices Advocacy

Nanao fihetsiketsehana  [2]saika isan'andro ireo mpanao fihetsiketsehana ao Venezoela ary tena marobe hatramin'ny nanafoanan'ny Fitsarana Tampony [3] vonjimaika ny Antenimieram-pirenena tamin'ny 30 Martsa, fihetsika izany sokajian'ny maro  toy ny “fanonganan-mpanjakana manasazy tena [4]. Niteraka tabataba iraisampirenena ny fanovana.

Na dia nanafoana ny fanapahan-keviny [5] aza ny fitsarana andro vitsy taty aoriana ary nametraka indray ny Antenimieram-pirenena, nitohy ny fitroaram-bahoaka, manery ireo manampahefam-panjakana mba hiatrika ny krizy ara-toekarena sy ara-politika efa nanomboka tamin'ny taona 2014 ka hatramin'izao izany. Ankoatra ny korontana ara-politika sy ny fiakaran'ny tahan'ny heloka feno herisetra, nahatonga an'i Venezoela ho ao anatin'ny fidangan'ny vidim-piainana mampiaiky nandritra ny telo taona mahery ny fidinan'ny vidin-tsolika manerantany, vokatra fanondran'ny firenena. Tsy nety nilatsaka ambanin'ny 50% [6] ny fidangan'ny vidim-piainana hatramin'ny taona 2014. Nihoatra ny 100% izany tamin'ny taona 2015, ary tonga 800% [7] tamin'ny faran'ny taona 2016. Nanome tsiny hatrany an'i Etazonia [8] noho ny fidinan'ny tsenan'ny solika ny filoha Nicolas Maduro .

Nanjary zava-dehibe hatrany ho an'ny Venezoeliana ny fampahalalam-baovao an'olo-tsotra nandritra izany fotoana izany, satria mikasa hihazona fanarahamaso henjana [9] ireo fampahalalam-baovao ofisialy sy fampahalalam-baovaon'ny orinasa ny fitondran'i Maduro. Noesorina tamin'ny fantsona fahitalavitra mandeha amin'ny hosina ny CNN [10], lohalaharana amin'ny fanaovana tatitra mitsikera ao amin'ny firenena, tamin'ny Febroary 2017.

Nahatonga ireo fampahalalam-baovao an'olon-tsotra ho anisan'ireo loharanom-baovao miompana amin'ny fihetsiketsehana [11] sy ny famoretana mety hihatra amin'ny mpamaky izany. Ny vokatr'izany angamba, dia mpanao gazety tsy miankina marobe [12] no niharan'ny herisetra sy fandrahonana ara-batana nandritra ny asan'izy ireo tao anatin'ny herinandro vitsy. Elvis Flores, mpakasary ao amin'ny fantsona antserasera no voasambotra nandritra ny fandefasana fandaharana [13]raha naka ny sarin'ireo mpanao fihetsiketsehana tao Caracas. Notazonina vonjimaika nandritra ny sivy ora izy no sady voadaroka. Nosakanana [14] nanomboka tamin'ny 7 Aprily ny VPITV sy ny fahitalavitra antserasera malaza hafa, anisan'izany ny fahitalavitra Vivoplay sy El Capitolio araka ny filazan'ireo mpiserasera Venezoeliana. Ho setrin'ny sivana, nitambatra tamin'ny alalan'ny tenirohy  #VzlaTrancaContraElGolpe (“Manakana fanonganam-panjakana i Venezoela”) ireo mpanao fihetsiketsehana.

Miatrika fandrahonana antserasera ireo mpanao fanentanana momba ny zon'ny vehivavy ao Koety

Nahazo [15]fandrahonana antserasera ilay mpiaro ny zon'olombelona Koesiana, Hadeel Buqrais rehefa nandray anjara tamin'ny diabe mitaky ny zon'ny vehivavy ao Arabia Saodita, tao an-tanànan'i Koety, . Anisan'ny hetsika Namshi Laha, na “Mandeha ho an'ny Vehivavy”, izay natomboka tamin'ny aterineto tamin'ny herinandro lasa ny diabe. Nisy ireo fikasana hanakana ny hetsika, ary lasibatry ny [16]fanevatevana tao amin'ny media sosialy ihany koa ireo mpandray anjara hafa tafiditra tamin'ny hetsika, araka ny filazan'ireo Mpiaro Loharalaharana (Frontline Defenders).

Mampiasa ny fampitahorana “vaovao faikany” ny mpanao lalàna ao Atsimo Atsinanana mba hanamarinana ny fanampenam-bava

Governemanta maro ao Azia Atsimo Atsinanana no nanamaivana ny olana momba ny vaovao faikany tamin'ny fanamarinana ny lalàna henjana kokoa [17] sy hanorisorenana mpanao gazety. Tao Singapaoro, Nilaza i Yaacob Ibrahim, [18] Minisitry ny Fifandraisana sy ny Vaovao fa hanova ny Lalànan'ny Haino Aman-jeriny ny firenena atsy ho atsy mba hiantohana fa ao anatin'ny soatoavin'ny fiarahamonintsika ireo mpamatsy votoaty any ivelany, anisan'izany ny tokony hihazonana ny firindràna ara-pivavahana sy ara-poko.

Ao Filipina, nametraka volavolan-dalàna [19]ny Filohan'ny Parlemanta Pantaleon Alvarez izay mibaiko ireo orinasa media sosialy mba hanamarina ny mombamomba ny mpiserasera alohan'ny hanoratana ny anaran'izy ireo ao anatin'ny tambajotra, izay sokajiany fa ezaka hanakanana mora foana ireo mpiserasera tsy hamorona kaonty faikany sy hanaparitaka vaovao faikany.

Nakaton'ny manampahefana Rosiana ny Zello, tao anatin'ny fihetsiketsehan'ny mpitondra kamiao

Nanambara [20] drafitra hanakanana ny Zello, fampiharana finday tsindrio-iresahana ny mpandrindra ny media ao Rosia, satria nampiasain'ireo Rosiana mpamily kamiao mpandeha lavitra nikarakaràna fihetsiketsehana tao anatin'ny volana vitsivitsy ny Zello. Nilaza ampahibemaso ny Roskomnadzor, manampahefana tompon'andraikitra amin'ny fanarahamaso ny media Rosiana fa tsy nahavita nanome ny vaovaon'ny orinasa ilaina ampidirina ao amin'ny Rejisitra federalin'ny Mpikarakara Fanapariahana Vaovao ” [21], lisitr'ireo sehatra antserasera arahan'ny Roskomnadzor maso ny Zello.

Aterineto ao Iran, eo amin'i Rouhani sy ny toeran-tsarotra

Satria efa akaiky ny fifidianana filoham-pirenena ao Iran, mitombo miharihary ny fifandirana eo amin'ny filoha ankehitriny somary tony fihetsika Hassan Rouhani (izay heverina fa hirotsaka hofidiana indray) sy ireo mpitrifana ara-politika. Tamin'ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety nokarakarain'ny governemanta Iraniana voalohany indrindra mba halefa mivantana ao amin'ny Instagram Live [22], nirehareha tamin'ireo zava-bita maro [23] nataon'ny fitondrany i Rouhani, anisan'izany ny ezaka hanatsarana ny hafainganam-pandehan'ny aterineto ao Iran, izay nahitana fitomboany avo folo heny tokoa. Nilaza ihany koa izy fa raha tsy niezaka tamin'izany ny fitondrany, “mety ho natao sorona avokoa ny sehatra media sosialy rehetra.” Na dia mbola voasakana ao Iran aza ny Facebook, tsy voasivana kosa ny Instagram sy ireo sehatra vahiny malaza tahaka ny WhatsApp sy Telegram nandritra ny fitantanan'i Rouhani.

Na izany aza, nizaka mafy ny fandraisana anjaran'izy ireo tao amin'ny sehatra voalaza ny olona sasany: Tamin'ny 14 Martsa, mpitantana fantsom-baovao ao amin'ny fampiharana fandefasan-kafatra Telegram am-polony no ​​nosamborin'ny Mpiambina Revolisionera hiringiriny [24], izay nilaza fa fandrahonana ho an'ny fiarovam-pirenena ny fantsona tantanin'ireo reformista sy tony fihetsika ara-politika. Ho fahasorenan'ny fitsarana [25], nantsoin'ny filoha Hassan Rouhani ny hanaovana fanadihadiana momba ny fisamborana, ka mampiseho ny hantsana ara-politika eo amin'ny antoko roa tonta.

Manaiky ny fitakian'ny Shinoa mpanampim-bava ny Apple TV

Nandritra ny herinandro voalohan'ny volana Aprily, nakaton'ny tsenan'ny Apple TV ny fandaharana vaovao manesoeso [26]China Uncensored avy amin'ireo mpiserasera monina ao amin'ny Shina tanibe, Hong Kong ary Taiwan. Nilaza ireo mpamorona ny fandaharana fa takatr'izy ireo ny antony nanakanana ny fandaharana ao Shina, saingy tsy mino izy ireo fa azo amarinina ny fanakanana ao Hong Kong sy Taiwan. Nandefa taratasy tany amin'ny Tale Jeneralin'ny Apple, Tim Cook izy ireo, mitaky amin'ny orinasa mba hanokatra ny fandaharana ao Hong Kong sy Taiwan ao anatin'ny 30 andro.

Fikarohana Vaovao

 

Misorata anarana ao amin'ny Netizen Report amin'ny alalan'ny mailaka [30]

 

Afef Abrougui, Mahsa Alimardani [31], Ellery Roberts Biddle [32], Oiwan Lam [33],  Weiping Li [34], Leila Nachawati [35] sy Sarah Myers West [36] no niara nanoratra ity tatitra ity.