- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Hita Hifaninana Amin'ny Fifidianana Ho Filoham-Pirenena ao Iran ny Filoha Malaza Ahmadinejad sy Ilay Favori-n'ny Mpitondra Faratampony

Sokajy: Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana, Iràna, Fifidianana, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana
[1]

Filoha Mpandrendri-bahoaka teo aloha Mahmoud Ahmadinejad nanambara ny fikasany hirotsaka amin'ny fifidianana filoham-pirenena amin'ny volana May 2017. Sary avy amin'i Mohammad Ali Marizad ho an'ny Sampam-baovao Tasnim, izay namoaka ny sary miaraka amin'ny alàlana hizarana izany indray .

Iray volana sisa dia ho avy ny fifidianana Iraniana, izay hatao amin'ny 19 May 2017. Na izany aza, nanamarika ny andro manan-danja ny 11 Aprily, nisokatra ny fisoratana anarana ofisialy ho an'ny kandidà, ary mihoatra ny zato ny kandidà no efa nirotsaka tamin'izany .

Kandidà malaza roa no manaitra ny fifantohan'ny fampitam-baovao: Ebrahim Raisi, ilay endrika antenaina handimby an'i Ayatollah Khamenei ho Mpitarika Faratampony, izay endrika manan-danja indrindra ara-pivavahana sy ara-politika ao Iran ; sy i Mahmoud Ahmadinejad, ilay filohan'ny firenena teo aloha efa nampiady hevitra.

Haharitra dimy andro ny fisoratana anarana, aorian'izany no hanaovan'ny Vaomieran'ny Mpiambina [2] izay sampana henjana ara-pivavahana misahana ny fanadihadihana ireo nisoratra anarana raha mahafeno ny fepetra takiana ara-politika sy Islamika izy ireo. Matetika tompon'andraikitra amin'ny fanintsanana ny ankamaroan'ny mpisoratra anarana ny vaomiera amin'ny fanaovana ny lisitry ny kandidà farany .

Talohan'ny 11 Aprily, nahafahana nahafantatra ireo ho kandidà farany ny fotoana. Nirongatra ny media sosialy Persianina  tamin'ny 6 Aprily, rehefa nanambara ny fikasany hirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena i Raisi, ilay kandidà tena favori hisolo ny Mpitarika Faratampony, ny Ayatollah Khamenei .

Nanambara tamin'ny fomba ofisialy ny firotsahany hofidiana ho filoham-pirenena ilay mpandala ny mahazatra Ebrahim Raisi.

Vetivety dia niparitaka ny fanehoan-kevitra momba ny ahiahy, satria dia manana fahefana lehibe eo amin'ny mpitondra fivavahana i Raisi ary manana fifandraisana akaiky amin'i Khamenei. Hametraka ny fanamby lehibe ho an'ny fifidianana indray ny filoha malaza tony fihetsika Hassan Rouhani izy.

Amin ‘ny anaran’ Andriamanitra, tratran'ny rarintsain'ny fifidianana aho. Miharatsy ankehitriny ny fepetra ho an'ny tony fihetsika.

Tsy mbola nisy filoha nitondra ka tsy nahazo fe-potoana hiasana indroa miantoana teo amin'ny tantaran'ny Repoblika Islamika, izay nanana fifidianana filoham-pirenena miisa 11.  Na dia izany aza, maro no mino fa ho iray amin'ireo tantara tena manan-danja eo amin'ny fitondrana ity fifidianana ity satria ity no vanim-potoana antenain'ny maro hahalasa an'ilay Mpitarika Faratampony marary sy efa antitra tokoa. Ny fotoana farany nifidianana Mpitarika Faratampony dia tamin'ny fotoana nahafatesan'ny mpanorina sady Mpitarika ny Repoblika Islamika Faratampony voalohany, ny Ayatollah Khomeini. Nandritra izany fotoana izany, nifidy an'i Seyyed Ali Khamenei, ilay filoha amperin'asa, mba hisolo azy ny Antenimieran'ny Manam-pahaizana [5], izay natosiky ny zava-misy fa izy ihany koa no nankafizin'i Khomeini manokana .

Tany am-piandohan'ity herinandro ity,  nanao ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ny Filoha Rouhani izay nahitana azy namadika fanontaniana momba ny fikasany hirotsaka hofidiana fanindroany.

Indroa i Rouhani no namily fanontaniana raha hirotsaka hofidiana izy ary nilaza hoe “andraso aloha hojerena ao anatin'ny 5 andro rehefa misoratra anarana ny kandidà.

Raha tsy miresaka momba ny fandraisany anjara amin'ny fifidianana hoavy, toa tahaka ny efa manao fanentanana sahady i Rouhani tamin'ny valandresaka niarahany tamin'ny mpanao gazety. Nanokana ny ankamaroan'ny valandresaka tamin'ny filazana ny fanatsarana ny fepetran'ny fanampiana ny Iraniana mahantra sy ireo tombontsoa azon'ny firenena tamin'ny ezaka nataony hanafoanana ny sazy iraisampirenena izy.

Efa hita sahady fa ho henjana ny fifidianana ifaninanan'i Raisi sy i Rouhani. Avy eo, tamin'ny 12 Aprily,  tsy nampoizina ny firotsahan'ny filoha teo aloha Ahmadinejad tao amin'ny fifaninanana tamin'ny fanambarany nataony.

Vaovao goavana kokoa mikasika ny fifidianana ho filoham-pirenena 2017 ao Iran [8]#Ahmadinejad [9] sy #Bagahei [10] izay SAMY nirotsaka ho kandidà

Nampalaza indrindra an'i Ahmadinjead ny naha-filoha voafidy azy indray voamaloky ny tsy fetezan-javatra maro, izay niteraka ny Hetsika Maitso tamin'ny taona 2009, ary nahitana Iraniana an'hetsiny nirotsaka an-dalambe hanao fanoherana.

Tamin'ny volana Septambra 2016, nilaza i Ahmadinejad fa tsy handray anjara amin'ny fifaninanana izy, rehefa avy nahazo fampitandremana avy amin'ny Mpitarika Faratampony fa mety hiteraka fifandroritana sy fisaraham-bazana mampidi-doza eo amin'ny fiarahamonina Iraniana ny firotsahany hofidiana. Raha voarara ihany koa i Ahmadinejad tamin'ny taona 2013  tamin'ny firotsahana hofidiana indray, dia nanao fampielezan-kevitra hifidianana an'i Esfandiar Rahim Mashaei, lehiben'ny fiadidiana teo aloha. Na izany aza, tsy afaka tamin'ny fanadihadihan'ny Vaomieran'ny Mpiambina ho tafiditra tamin'ny lisitry ny kandidà ho filoham-pirenena farany i Mashaei.

Nanoratra anarana tamin'ny firotsahany hofidiana ihany koa ny filoha lefitr'i Ahmadinejad teo aloha, Hamid Baghaei, ary milaza ny olona sasany fa mirotsaka izy roa ireo noho ny ezaka mba hampitombo ny herijikan'ny fifidianany, satria nisy ny sahoan-dresaka fa tsy ho avelan'ny fanadihadian'ny Vaomieran'ny Mpiambina ny firotsahan'i Ahmadinejad .

Registration | Day Two | the moment when the one hundred or so photographers and journalists who'd crammed into the basement of the Interior Ministry in #Tehran made a collective ? and ? as Mahmoud #Ahmadinejad was handed his identity papers by his protege and former deputy Hamid Baghaei and prepared to take a seat to register to stand in #Iran's presidential elections. It's a shock move, in defiance of the advice of the Supreme Leader Ayatollah Khamenei and furthermore confounding because Baghaei also registered to stand. The big question now is whether Ahmadinejad actually intends to withdraw and make this a purely symbolic move or whether he wants to wait and see if he will be disqualified from running by the powerful Guardian Council, who are widely expected to reject Baghaei's application for candidacy. #Iran #IranElections #انتخابات [13]

Une publication partagée par Golnar Motevalli (@iamgolnar) le

Fisoratana anarana | Andro Faharoa | ilay fotoana nahitana ireo mpaka sary sy mpanao gazety an-jatony nifanesika teo amin'ny efitra fidirana ao amin'ny Minisiteran'ny Atitany ao #Tehran nifandrimbona  ? ary ? raha nanolotra ny taratasy mombamomba an'i Mahmoud #Ahmadinejad i  Hamid Baghaei izay olona eo ambany fiahiany sady mpisolo toerana azy teo aloha dia naka toerana mba hisoratana anarana amin'ny fifidianana ho filoham-pirenena ao  #Iran. Hetsika nahatohina, tamin'ny tsy fankatoavana ny sosokevitry ny Mpitarika Faratampony ny Ayatollah Khamenei ary nahatonga fisavoritahana avy eo satria nirotsaka ihany koa i Baghaei. Ny tena fanontaniana lehibe mipetraka ankehitriny dia ny hoe moa ve hiala an-daharana i Ahmadinejad ka hanao izany ho toy ny fihetsika saritsariny fotsiny ihany na hiandry izy ka hijery raha toa ka hoesorin'ny Filan-kevitry ny Mpiambina matanjaka tsy ho isan'ny kandidà, izay hantenain'ny maro fa handà ny firotsahan'i Baghaei hofidiana