Fepetra Noraisin'i Shina Hanenjehana Ireo Vahiny Mpitsikilo? Valisoa Goavana (Volabe) Ho An'ireo Izay Manome Vaovao

Biraom-piarovana Nasionaly ao Shina namoaka lahatsary mampitandrina ny olona tsy ho tratran'ny mpitsikilo. Pikantsary.

Manome valisoa volabe ho an'izay mitory ireo vahiny mpitsikilo ny Biraom-piarovana Nasionaly ao Shina

Ny laharana an-tariby ao amin'ny firenena, #12339 dia azo ampiasain'ny olom-pirenena itoriana ireo ahiahiana ho manao fitsikilovana nanomboka tamin'ny Novambra 2015. Saingy nanomboka tamin'ny 15 Aprily, noho ny “Fepetra Hanome Valisoa ho an'izay Olom-pirenena Mitory ireo Mitarika Fitsikilovana”, hahazo vola mitentina hatramin'ny 500.000 yuan, na eo amin'ny 73.000 dolara Amerikana ny olom-pirenena, raha nilaina ny tatitra omen'izy ireo.

Araka ny lahatsoratra tao amin'ny Beijing Morning Post, ny rafitra fanomezam-balisoa dia midika fananganana “rindrim-by iadiana amin'ny fitsikilovana“:

随着我国改革开放的深入,对外交往明显增多,出入境人员逐年递增。境外间谍情报机关和其他敌对势力也借机加紧对我国进行政治渗透、分裂颠覆、情报窃密、勾连策反等破坏活动。
还有一些人出于个人私利,出卖国家利益,给境外间谍情报机关以可乘之机。北京作为首都,是境外间谍情报机关和其他敌对势力对我进行渗透、颠覆、分裂、破坏和窃密等活动的首选地。
基于以上原因和背景,反间谍侦查工作急需创新工作方式和工作方法,广泛发动群众,激发群众维护国家安全的积极性和自觉性,逐渐构筑起反奸防谍的钢铁长城。

Vokatry ny fanitarana ny politika misokatra ato amin'ny firenentsika, nitombo haingana ny fifandraisana tamin'ireo vahiny. Nitombo haingana ny isan'ireo olona miditra sy mivoaka ny firenena. Niditra tamin'ny politikan'ny firenentsika ireo sampan-draharaha Vahiny misahana ny Fitsikilovana sy ny hery hafa feno fankahalana, mitarika fisaraham-bazana sy fikorontanana, mangalatra tsiambaratelo sy manao hetsika fitsikilovana.

Fanampin'izany, misy ireo olona sasany mitady tombontsoa manokana izay nivarotra ny tombontsoam-pirenena tamin'ireo sampam-pitsikilovana vahiny. Toerana laharana voalohany itoeran'ny sampan-draharaha Vahiny misahana ny fitsikilovana sy ny hery hafa mpankahala i Beijing, noho izy renivohtira, mba hikarakarana hetsika ahafahan'izy ireo miditra, manakorontana sy mampisaraka, mamotika sy mangalatra tsiambaratelo.

Noho izany toe-javatra izany, misy ny filàna maika hanaovana fanadihadiana iadiana amin'ny fitsikilovana mba handraisana fepetra vaovao amin'ny alalan'ny fanentanana ny vahoaka, manentana ny vahoaka sy mandrisika azy ireo mba hiaro ny filaminam-pirenena sy hanangana rindrimby iadiana amin'ny fitsikilovana.

Manoritra ny fepetra vaovao fa tsy ho tononina ny mombamomba ireo manome vaovao ary hiharan'ny lamandy ireo tatitra misy fikasan-dratsy.

Namoaka lahatsary tamin'ny fampahalalam-baovao isan-karazany ihany koa ny Biraom-piarovana Nasionaly, mampianatra ny olom-pirenena mikasika izay haraha-maso sy manazava ny antsipirian'ny rafitra fanomezam-balisoa. Nahasarika mpijery maherin'ny 450 tapitrisa tao anatin'ny iray andro ny lahatsary nampiantranoana tao amin'ny kaonty media sosialy Miaopai an'ny CCTv (Fahitalavitra Foibe Shina).

Nanomboka nanoro hevitra ho an'ny vahoakan'i Beijing ireo tompon'andraikitra amin'ny fampielezan-kevitra mba hitady ireo vahiny mpitsikilo tamin'ny herintaona. Mampitandrina ny vehivavy Shinoa mba tsy ho voasariky ny lehilahy vahiny tsy manana anton-dia mazava ny iray tamin'ireo afisy sarimiaina navoakan'izy ireo, mitondra ny lohanteny hoe «Fitiavana Mampidi-doza».

Araka ny lalàna iadiana amin'ny fitsikilovana nolaniana tamin'ny taona 2014 sy ny lalànan'ny fitantanana ONG vahiny nolaniana tamin'ny taona 2016, azo sokajiana ho hetsika fitsikilovana ireo fikambanana mahazo famatsiam-bola vahiny tsy nahazo fankatoavam-panjakana mialoha.

Tao anatin'ny roa taona, nosamborina ireo vahiny maromaro noho izy ireo “lazaina fa loza mitatao” ho an'ny filaminam-pirenena. Tamin'ny Janoary 2016, voaraoka tao Shina i Peter Dahlin, Soedoà mpiaro ny zon'olombelona rehefa nogadraina 23 andro. Ny tranga vao haingana indrindra dia ny fisamborana ilay Taiwaneympikatroka ny zon'olombelona, Lee Ming-cheh, sy ny fanagadrana ilay prefesora Shinoa monina ao Aostralia, Feng Chongyi.

Anisan'ireo ao anatin'ny sehatra media sosialy malaza nidera ny rafitra fanomezam-balisoa ny Ligin'ny Tanora Komonista Shina, nidera izany tamin'ny hira rap. Naneho hevitra momba ny lahatsary ireo mpanjohy ny Ligy ao amin'ny Weibo tamin'ny fanondroana ireo fanehoan-kevitra antserasera miiba avy amin'ireo mpitari-kevitra liberaly ao Shina ho fihetsika fitsikilovana. Ireto ambany ireto ny sasany tamin'ireo fanehoan-kevitra be mpitia indrindra tao anatin'ny fanehoan-kevitra tamin'ny lahatsary:

不白和尚:微博上至少有几十万。日本美国韩国各个国家都用基金会的名义收买他们,让他们带节奏,侮辱民族英雄,侮辱先烈,挑动地域歧视,民族歧视,职业歧视等所有分解民心的行为,并借助新闻事件造谣惑众,推波助澜。营造国家一团糟的氛围。诸如此类背后都有他们活跃的身影。

«Moanina tsy fotsy»: an'aliny fara fahakeliny ireo [mpitsikilo] ao amin'ny Weibo. Ao Japana, Etazonia sy Korea, mampiasa ny karazana toerana rehetra izy ireo ividianana azy ireo mba ahafahany mitarika amboaram-peo manevateva ireo maherifon'ny firenena, ary mandrisika fanavakavahana ara-paritra, ara-poko sy arak'asa. Manararaotra ny vaovao ratsy mba hamoronana tsaho sy hanakorontanana vahoaka ho fanomezana endrika korontana ho an'ny firenena. Mavitrika izy ireo amin'izany rehetra izany.

辰时赏雨:其实,间谍不一定是刺探,也许是卧个槽,以正义的名义来传播负能,以真相的方式来煽动极端。

“Mijery ny orana vao maraimbe”: tsy voatery ireo mitsikilo no tena mpitsikilo. Fa mety ireo manaparitaka hery ratsy manana fahatsapana ho marina, ireo mandrisika fihetsika tafahoatra amin'ny famoahana ny marina.

Nanomboka nanonona ny anaran'ireo manam-pahaizana ho mpitsikilo ireo mpanohana ny Ligin'ny tanora sasany:

橘子洲头12345:我举报教育部语文出版社长王旭明、袁腾飞、贺卫方、茅于轼是美国间谍。哈哈

“Mandarin zhoutou 12345″: Tateriko eto fa mpitsikilon'i Etazonia i Wang Xuming, talen'ny Gazety momba ny Teny sy ny Kolontsaina ao amin'ny Biraon'ny Fampianarana; Yuan Tengfei [mpampianatra tantara sady bilaogera malaza]; He Weifang [mpampianatra lalàna]; ary Mao Yushi [mpahay toekarena malaza].

苏麻离青rua:袁腾飞之流所谓公知,对国家政府冷嘲热讽,含沙射影。大吹欧美民主台湾正硕。这样的怎么举报?

“Su-ma-li-qing rua”: Yuan Tengfei ary ireo antsoina ho manampahaizana malaza, manohy mamazivazy ny firenena sy ny governemanta izy ireo ary manohy midera ny demokrasian'ny tandrefana sy ny traikefan'i Taiwan ho lala-marina. Ahoana no hitoriana izany?

Tamin'ny adihevitra hafa tao amin'ny Weibo, nitsikera kokoa ny fanehoan-kevitra:

还间谍呢,先管管贪官污吏再说吧,可别再走清朝老路了,家门都没清理干净,都不需要间谍,自行垮掉。

Mbola manam-potoana hiresahana momba ny mpitsikilo. Mifantoha amin'ny kolikoly aloha na lasa manaraka ny dian'ny Taranam-panjakana Qing ny firenena. Raha tsy mikarakara ny tranonao manokana ianao, hirodana izany.

看看评论 文革就是这样互相举报互相伤害搞起来的

Vakio ny fanehoan-kevitra. Nanomboka tamin'ny fiampangana sy fifandroritana ny Revolisiona Ara-kolontsaina .

如果微博评论自己的观点,都去捉,那得捉多少人?有言论自由不好? 那些观点跟自己不一样就说要捉别人的人,你们都是些什么人?

Raha mendrika fisamborana ny firesahana ny hevitry ny hafa ao amin'ny Weibo, ho firy ny isan'ny olona hiafara any am-ponja? Ratsy ve ny fanehoan-kevitra malalaka? Karazana olona manao ahoana no te hanagadra ireo olona manana hevitra tsy mitovy amin'ny azy ireo?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.