- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Miverina Indray Ny Politikan'ny Astroturf  Rosiana

Sokajy: Eoropa Afovoany & Atsinanana, Rosia, Fanoherana, Mediam-bahoaka, Politika, Tanora, Akon'ny RuNet
[1]

Tovolahy manao hetsi-panoherana teo ivelan'ny fonja misy an'i Navalny tamin'ny 10 Aprily 2017. Sary: Alexey Abanin / Twitter

Talohan'ny namoahana an'i Alexey Navalny tany am-ponja tamin'ny Alatsinainy, natao lohateny lehibe ny “fihetsiketsehan'ny mpianatra” nokarakaraina hanamaloka ny fiverenany hiseho vahoaka. Afaka i Navalny, ilay mpitarika tsy ofisialin'ny mpanohitra ara-politika tsy ofisialy ao Rosia, rehefa notanàna tany am-ponja nandritra ny 15 andro noho ny tsy fankatoavana ny polisy nandritra ny hetsi-panoherana tamin'ny faran'ny volana Martsa.

Nisy vondrona tanora vitsivitsy nivory teo ivelan'ny fonja nisy an'i Navalny, milanja sora-baventy milaza fa nampanantena azy ireo 10.000 euros izy kanefa tsy nahazo izany. “Nampanantena Ianao? Voafitaka izahay! “, hoy ny sora-baventy iray. “Rahoviana izahay no mahazo ilay 10.000 euros ???” hoy ny sora-baventin'ny lehilahy iray hafa .Nampidirin'ny polisy tao anatin'ny fiaran'ny mpitandro ny filaminana izy ireo avy eo rehefa avy nalaina sary .

Niresaka momba ny “RosEvroSud” (Fitsarana Euro Rosiana) ny sora-baventy, tetikasa iray natombok'i Navalny hanamorana ny fampakarana ny antso any amin'ny Fitsarana Eoropeana misahana ny zon'olombelona (ECHR). Mialoha ny hetsi-panoherana nokarakaraina manerana ny firenena nandrasana fatratra tamin'ny 26 Martsa, nilaza tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana i Navalny fa hanao ny RosEvroSud  ny ekipany ho an'ny olona rehetra izay voatàna tsy ara-dalàna ka hampandoavina lamandy mandritra ilay famoriam-bahoaka tamin'ny faran'ny herinandro. Tao anatin'ny antso nataony ho an'ny besinimaro, nilaza i Navalny fa mety hahazo 10000 euros [2] [mg] any amin'ny Fitsarana Eoropeanina ny olona tsirairay henjehin'ny fitsarana tsy ara-drariny .

Nisioka ireo sary teo ivelan'ny fonja tamin'ny alatsinainy i Ilias Merkuri, mpanoratra sady mpikatroka “Anti-Maidan”  izay efa nandoto rindrina ireo Rosiana mpanohitra tao ambadiky ny anarana misarona hoe  “Dick Riot,” ary niseho tao amin'ny fampahalalam-baovao Rosiana ireo sary ora vitsivitsy taty aoriana, anisan'izany ny gazety mpanala baraka mpomba ny Kremlin “Life”, izay namelona tantara tamin'ny lohateny hoe “ ‘Lyosha: Aiza ny Vola?’ Mitaky ny valisoa nampanantenain'i Navalny ny mpianatra [3] . “

Miandry ny valintenin'i Navalny izy ireo teo ivelan'ny Foiben'ny Fonja Manokana Laharana faha 2.

Tamin'ny Talata, nanambara [6] ilay mpanao gazety Alexander Plushev fa fara fahakeliny, nisy mpianatra iray tamin'ireo mpanao hetsi-panoherana manenjika an'i Navalny — lehilahy iray atao hoe Dmitry Molchanov — no mpianatra ao amin'ny Akademian'ny Filoham-pirenena Rosiana misahana ny Toekarem-pirenena sy Fitantanam-bahoaka raha ny marina, ary mianatra asa ao amin'ny Sampan-draharahan'ny Hetra Anatiny. Nokarohin'i Plushev tamin'ny aterineto mihitsy aza ny antontan-taratasy fahafahan'i Molchanov hanao izany fianarana izany.

Nahita ny kaontin'i Molchanov tao amin'ny media sosialy ihany koa ny kaonty Twitter tsy fantatra anarana iray tao Tomsk, ary nahita ny sarin'ny karatra maha-mpianatra azy, nampiseho ny fisoratana anarany tao amin'ny Academian'ny Filoham-pirenena

[6]

Ny karapanondron'ny mpianatr'i Molchanov.

Taorian'ny hetsi-panoherana an'i Navalny tamin'ny Alatsinainy, namafa vetivety ny kaontiny Vkontakte [7] i Molchanov. Ary nanjavona tamin'ny fomba feno misitery ny firehana misy azy ao amin'ny Molodaya Gvardiya — sampan'ny tanoran'ny antoko politikan'ny fitondrana ao Rosia — rehefa naveriny ny kaonty avy eo.

Tsy zava-tsy fahita ao Rosia ny fihetsiketsehana namboarina toy ny nataon'i Molchanov mba hanehoana an'i Alexey Navalny ho mpamitaka tanora. Matetika ireo mpikambana ao amin'ny fikambanan'ny mpomba ny Kremlin no miseho ho mpianatra na mpanohitra, na mitady ireo mpianatra hosintonina amin'ny antony sandoka mba hiseho imasom-bahoaka ary alain'ny mpanangom-baovao sary izay manoratra ny fihetsiketsehana ho toy ny hoe tena nahimpony no ikatrohany avy eny ifotony.

Vao tamin'ny herinandro teo i Plushev, namoaka firaisana tsikombakomba iray mitovy [8] amin'izany nataon'ny hetsika Anti-Maidan (izay hananan'i Ilias “Dick Riot” Merkuri fifandraisana), nahitana mpikatroka avy amin'ny vondrona miseho ho mpianatry ny oniversite tao amin'ny toerana ahatsiarovana ireo niharam-boina tamin'ny fanapoahana baomban'ny metro tao Saint-Petersburg .

Tamin'ity herinandro ity, nitatitra [9] ny The Moscow Times fa voafitaka tamin'ny fijoroana nitandahatra teo ivelan'ny Fitsarana Tampony Rosiana ireo mpianatra am-polony avy any amin'ny Oniversitem-panjakana momba ny Literatiora ao Moskoa tamin'ny herinandro lasa ka nahita ny fizotran'ny raharaha anoherana ny Vavolombelon'i Jehovah. Niandry vasoka teo amin'ny manodidina ny mpianatra rehefa tsy nahazo niditra tao amin'ny lapa, ary naka sary azy ireo ny mpanao gazety, sy nitatitra vaovao diso taty aoriana izay milaza fa manodidina ny fitsarana ireo andian'olona mandrahona ny Vavolombelon'i Jehovah.