- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Niala tsiny Tamin'ny Vondrom-piarahamonina Rastafari Noho Ny Vono Olona Tamin'ny Taona 1963 Ny Praiminisitra Jamaikana

Sokajy: Karaiba, Jamaika, Fivavahana, Mediam-bahoaka, Politika, Tantara, Zon'olombelona
[1]

Sainam-pirenena Rastafari; Sary avy amin'ny rafitra am-peo dubdem.

Tamin'ny 4 Aprily, nanao fialan-tsiny manan-tantara [2] noho ny “tsy rariny goavana” tamin'ny fanafihana natao tamin'ny Rastafari teo anelanelan'ny 11 sy 12 Aprily 1963 ny Praiministra Jamaikana Andrew Holness  — herintaona taorian'ny nahazoan'i Jamaika ny fahaleovantenany avy amin'i Angletera. Alexander Bustamante [3] no praiminisitry ny firenena avy eo, ary nitarika ny Antokon'ny Mpiasa Jamaika [4] izy — antoko izay tarihan'i Holness ankehitriny ihany. Jamaikana valo no namoy ny ainy [5] tao amin'ny Zaridaina Coral (akaikin'ny Helodrano Montego) tamin'ilay lasa nantsoina hoe “Zoma Ratsy”, satria Paska tamin'izany fotoana izany.

Rastafari miisa 150 no nohodidinina, nosamborina, nodarohana sy niharan'ny herisetra; notapahana ny endrim-bolon'izy ireo (rasta), izay misy dikany ara-pivavahana [6]. Anisan'ny fampijaliana sy fanavakavahana mahazatra ary fankahalana mivantana ny Rastafari nanomboka talohan'ny fahaleovantena ireo andiana zava-nitranga nitarika ny fanafihana ireo, narakitra tamin'ny horonantsary taona 2011 [7], “Zoma Ratsy” avokoa izany rehetra izany.

Vao maraimbe, nisioka ny sekreteran-gazetin'ny praiminisitra, Naomi Francis, hoe:

Mandefa ny fialan-tsininy ofisialy tamin'ny voina tao amin'ny Zaridaina Coral 1963 ny Praiminisitra Holness tao amin'ny parlemanta ary hijery ny Tatitra Fiarovam-bahoaka

Nilatsaka tolakandro tao amin'ny parlemanta avy eo ny fialan-tsiiny, fampahalalam-baovao maromaro no nizara ny fanambarana feno: [10]

Nisioka ny praiminisitra hoe:

Nanambara ny praiminisitra fa fananana lehibe enina ao Pinnacle, ao ambanivohitr'i St. Catherina no nambaran'ny Jamaican National Heritage Trust [15] ho toerana nolovaina voaaro; nampanantena fanampiana ho an'ny Coral Gardens Benevolent Society [16] ihany koa izy, ary nilaza fa apetraka ho tombontsoan'ireo sisa tsy maty ny tahirim-bola tsy latsaky ny 10 tapitrisa dolara J (mihoatra kely ny 75.000 dolara Amerikana). Loharanon'ny fifandirana sasany ny fananana Pinnacle [17]. Sokajiana [18] ho toeram-ponenan'ny Rastafari voalohany tao Jamaika izy ary trano fahinin'i Garveyite Leonard Howell [19], izay heverina tanteraka fa mpanorina hetsika Rastafari. Taorian'ny fahafatesan'i Howell, nanomboka ny ady momba ny lalàna mikasika fananana ny tany ary norahonana fandroahana ny Rastafari  [20]nony farany, tamin'ny taona 2014.

Nankatoa ny fanadihadiana nataon'ilay mpiaro ny vahoaka  Arlene Harrison Henry sy ny tatitra manaraka momba ny raharaha ihany koa i Holness; izay nalefa tao amin'ny parlemanta [21] tamin'ny Desambra 2015. Tao anatin'izany, nanolotra fialan-tsiny sy onitra ho an'ireo sisa velona izy.

Nisioka sary ny fihaonany tamin'ireo Rastafari zokiny ny praiministra Holness:

Manohy ny tolona isika mba hiantohana fa tsy avela hitranga intsony ny zava-mitranga tsy ara-drariny sy ny hetsika fanavakavahana

Mpanao gazety Giovanni Dennis kosa nizara andiana fanehoan-kevitra avy amin'ireo mpitarika Rastafari

Nilaza ny filohan'ny Fikambanana an-tsitrapo #CoralGardens [12], IKA TAFARA, fa ny Rastafari manerana an'i Jamaika dia voakasika avokoa.. fa tsy ireo tao amin'ny #CORALGARDENS [24] ihany.

Saika amin'ny lafiny tsara avokoa ny fanehoan-kevitra avy amin'ireo Jamaikana tao amin'ny media sosialy-indrindra ny avy amin'ireo nanana fianakaviana lasibatra.

Hankatòa izany ny raibeko. Aleo tara toy izay tsy misy mihitsy

Ho an'ny sasany, nitondra fahatsiarovana izany:

#CoralGardens [12] Tsy nety ho anisan'ny andian'ny nanafika ny raiko, polisy. “tsy misy fanitsakitsahana, tsy misy lalàna! Tsy misambotra lehilahy noho ny halavan'ny volo aho”

Nisioka ny hafa hoe:

@AndrewHolnessJM [29] Natoky ny raiko fa lasibatr'ireo andiana #Rasta [30] mahatsiravina ao amin'ny Helodrano Montego ny mpiasa! Nosolain'izy ireo ny lohany  #CoralGardens [12] #RastaApology [11]

Maro ireo nidera ny fanambaran'ny praiminisitra. Jamaikana iray nanondro [32] ny fanambarana halam-bahoaka vao haingana momba ny hetram-pananana:

For Andrew Holness to take the responsibility, and apologize in his tenure to the Rastafarian community is another step towards sharpening our independence. It's the same way children must take responsibility for the ills of their parents, just as they took the harvest of prayers and unmerited blessings so they can alleviate held over bitterness. Well done servant First Minister. History will absolve you for hiking property prices when they find out you were a true statesman. The world is not going to the devil, it is going to God. #thoughtsonimproving [33]

Ho an'i Andrew Holness, ny fandraisana andraikitra sy ny fialan-tsininy amin'ny fiarahamonina Rastafari dia dingana iray hafa mankany amin'ny fampitomboana ny fahaleovantenantsika. Tahaka ny ankizy tsy maintsy mandray andraikitra amin'ny aretin'ny ray aman-drenin-dry zareo izany, tahaka ny nahazoan'izy ireo valim-bavaka sy fitahiana tsy sahaza mba ahafahan'izy ireo manamaivana ny fahorian'izy ireo. Tsara ry Minisitra Voalohany amin'ny fanompoana. Hanadio anao tamin'ny fampakarana ny vidim-pananana mifaka ny tantara raha mahita izy ireo fa olom-panjakana marina ianao. Tsy hankany amin'ny devoly izao tontolo izao, ho any amin'Andriamanitra izy.

Raha nankasitraka ny fihetsiky ny praiminisitra i Peter Phillips, izay vao avy noraisina tamin'ny fomba ofisialy [34]ho mpitarika vaovaon'ny mpanohitra ao amin'ny parlemanta, Jamaikana iray nanondro am-piesoesoana ny andro fahatanoran'i Phillips ho nandalo ny Rastafari:

So our PM has done more for Rastafarian in the 18 months he is in power, compared to the leader of the opposition who himself was a Rastafarian. #leadership [35] #coralgardens [36] #goodgovernance [37]

Nanao zavatra maro ho an'ny Rastafari ny praiminisitrantsika teo amin'ny 18 volana nitondrany, tsy tahaka ilay mpitarika mpanohitra izay Rastafari ihany koa taloha.

Nisioka momba ny fahatsiarovana ny hetsika fanaon'ny Rastafari isan-taona ilay mpikatroka ny zon'olombelona Rodje Malcolm:

ANKEHITRINY: manao diabe mba hahatsiaro ny Famonoana Rasta tao amin'ny Zaridaina Coral ny Rastafari.

Mandritra izany, nisioka ny hafa hoe:

@AndrewHolnessJM [29] Fanapahan-kevitra tsara efa tara ny fanomezana an'i  i Pinnacle ho toerana nolovaina voaaro ary “nampandrosoana ho “tanàna sy foibe ara-kolontsain'ny Rasta”.

Misy ihany koa ny fanentanana mandeha mba hanambarana ny volana Aprily ho volan'ny Rasta ao Jamaika:

AMIN'IZAO FOTOANA IZAO: Miresaka fanangonan-tsonia hanambaràna ny Aprily ho Volan'ny Rasta i Susan Stowe