Latsaka Anelanelan'ny Tahotra Ny Tazovony Sy Ny Sivan'ny Gazety i Rio de Janeiro

Hetsika fanohanana an'i Caio Bezerra. Sary avy amin'i Thiago Dezan/The Intercept Brasil, nahazoana alàlana

Vetivety foana dia voaroaka tao amina gazety iray tany Rio de Janiero ilay mpitati-baovao iray taorian'ny nanoratany tantara iray saropady momba ny valintenin'ny fitantànana ny tanàna mahakasika ny firongatry ny valanaretina tazovony. Ny ben'ny tanàna, Marcelo Crivella, no nampangaina fa nitaky ny fandroahana azy.

Navoakan'ny gazety O Dia tamin'ny 16 Martsa ilay tantara nosoratan'i Caio Barbosa momba ilay filaharana lavabe sy ny tsy fahampian'ny fanefitry ny tazovony tany amin'ny hopitalim-panjakana any Rio. Nirongatra be ny tazovony tany amin'ny fanjakana manakaiky an'i Minas Gerais. Hatramin'izao (22 MArtsa), 117 no maty ka nampisahotaka ny mponina any Rio de Janeiro ary nanosika azy ireo hitady malaky fanefitra ho azy ireo sy ny zanany.

Nahatezitra ny mponin'i Rio ny fandroahana an'i Barbosa. Taorian'ilay fandroahana,  nampahatsiahivin'ny lehiben'ny mpitandro filaminana, Orlando Zaccone, ny fitondràna miaramila tany Brezila tamin'ny 1964 ka hatramin'ny 1985. Nanoratra, tao amin'ny pejy Facebook-ny i Zaccone :

O que resta da ditadura? Tudo, menos a ditadura.
[…]
Temos que nos mobilizar urgentemente para produzir uma vacina contra o arbítrio do poder político em nosso país, democratizando os meios de comunicação.

Inona no navelan'ny fitondrana jadona ? Ny zava-drehetra afa-tsy ny fitondrana jadona.
[…]
Tsy maintsy mihetsika haingana isika hamokatra fanefitra manohitra ny sitrapon'ny hery ara-politika eto amin'ny firenentsika, ny fanalalahana ny haino aman-jery.

Ny mpanao gazety, Cid Benjamin, izay nilaza fa niresaka tamin'ilay mpanao gazety voaroaka, no voalohany nilaza ilay vaovao momba ny fandroahana an'i Barbosa. Namoaka andianà lahatsoratra tao amin'ny pejy Facebook-ny i Benjamin, izay nilazàny, mitanisa an'i Barbosa, fa i Crivella no nitaky nivantana tamin'ny tompon'ny gazety mba handroaka an'i Barbosa noho ilay tantara, izay efa nesorina tao amin'ny haban-tranonkalan'ny O Dia.

Araka ny filazan'i Benjamin, mbola i Barbosa ihany no resaka, dia efa novàna tsy tahaka ny tamin'ny niandohany ilay tantara, talohan'ny nanalàna azy. Raha toa ka navoaka tao amin'ny gazety an-tsoratry ny O Dia ilay tantara niandohana, dia haino aman-jery hafa mpanome vaovao , toy ny Agência Brasil kosa no namoahana idray ilay dika nasiam-panamboarana. Ilay mpisera amin'ny Facebook, Mariana Claudino kosa, na izany aza, dia tafiditra tamin'ilay dika fiandohana tamin'ny alàlan'ny Google cache ary nandefa ireo dikasary vitsivitsy tamin'ny pejy Facebook-ny.

Cid Benjamin (ankavia) sy Caio Barbosa (ankavanana) nohodidinin'ireo mpanao hetsi-panoherana tany Rio de Janiero. Sary avy amin'i  Thiago Dezan/The Intercept Brasil, navoaka rehefa nahazoana alàlana

Loholon'ny fanjakan'i Rio de Janiero teo aloha i Marcelo Crivella ary tamin'ny 2016 dia voafidy ho ben'ny tanàna  avy amin'ny antoko izay manana fifamatorana akaiky amin'ny “Eglise Universelle”,  Fiangonana tsy miankina amin'ny antokom-pinoana izy, Fiangonana evanjelika lehibe indrindra any Brezila. Mpanompo voahosotra ao amin'ilay Fiangonana i Crivella. Tamin'ny Alahady, namoaka filazàna mitsipaka ny asa ratsy rehetra izy :

“É falsa a informação divulgada nas redes sociais atribuindo a mim o pedido de demissão do jornalista Caio Barbosa do Jornal O Dia. Jamais faria isso. Declaro de forma veemente que respeito os profissionais de comunicação e a liberdade de imprensa. Repudio, tenho desprezo e nojo a perseguições políticas, e no meu primeiro discurso depois de eleito, roguei a Deus que nos livrasse da praga maldita da vingança.

Diso ny vaovao vohizina amin'ny tambajotran'ny haino aman-jery sosialy milaza ahy ho nangataka ny fandroahana an'i Caio Barbosa mpanao gazetin'ny O Dia. Tsy nanao izany mihitsy aho. Hizingiziniko indray fa manaja ny mpiasa matihanin'ny  haino aman-jery sy ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety aho. Hàlako, laviko ary maharikoriko ahy ny fanenjehana ara-politika, ary tamin'ny kabariko voalohany fony aho vao voafidy, nivavaka tamin'Andriamanitra aho mba hanafaka antsika amin'ny ozona ratsin'ny valifaty.

Novalian'i Barbosa tao amin'ny pejy Facebook-ny ny filazàn'i Crivella:

A nota oficial do prefeito é uma mentira. Não apenas sobre mim. Sobre ele. Mente do início ao fim. Uma pena. Mentir é pecado. Deve ter sido escrita por um assessor. Espero.
Errar e reconhecer o erro é virtude que Deus perdoa. Insistir na mentira é feio.

Lainga ilay filazàna ôfisialy avy amin'ny ben'ny tanàna. Tsy ny momba ahy ihany. Ny momba azy. Mandainga hatrany am-boalohany ka hatramin'ny farany izy. Henatra. Fahotana ny mandainga. Mpiara-miasa iray no tsy maintsy nosoratana azy io. Antenaiko. Ny manao hadisoana ka miaiky izany, dia hatsaràna izay amindràn'Andriamanitra fo. Heloka ny fihizingizinana amin'ny lainga.

Ny ben'ny tanàna Marcelo Crivella. Sary avy amin'i Midia Ninja, azo ampiasaina malalaka.

Vary raraka ny fanohanana an'i Barbosa tao amin'ny haino aman-jery sosialy sy tao amin'ny bilaogy nandritra ny faran'ny herinandro sady nisy hetsi-panoherana maika, nataonà olona tokotokony ho 50 eo ho eo izay nanohana azy nanoloana ny biraon'ny O Dia tao afovoan-tanànan'i Rio ny 20 Martsa.

Anisan'ny mpanohana, ny profesora Mauricio Santoro izay niteny tao amin'ny Facebook :

O prefeito do Rio de Janeiro mandou demitir um repórter do Dia, Caio Barbosa. O jornal seguiu a ordem. Ambos os gestos são inaceitáveis e perigosos em país que se esforça em ter maior transparência e prestação de contas de políticos, mas cujos líderes insistem em não entender essas demandas sociais.

Nandroaka ny mpitati-baovaon'ny O Dia, Caio Barbosa, ny ben'ny tanànan'i Rio de Janeiro.  Nanaraka ny baiko ny gazety. Samy fihetsika tsy azo ekena sy mampidi-doza ao anatin'ny firenena iray miezaka hampitombo bebe kokoa ny mangarahara sy ny fampandraisana andraikitra ireo mpanao politika izany, nefa manizingizina ireo mpitarika azy fa tsy mahalala ireo zavatra takian'ny fiarahamonina ireo.

Nampian’ilay mpanao gazety, Cecilia Oliveira, tamin'ny filalaovana ny teny filamatry ny fampielezankevitr'i Crivella [‘Ndao ho karakaraina ny vahoaka]  :

Vamos cuidar das pessoas, desde que elas digam o que vc permite. Certo, Marcelo Crivella?

INADMISSÍVEL.

‘Ndao ho karakaraina ny vahoaka mba hahafahany hiteny izay avelanareo ho lazainy. Sa tsy izany, ry Marcelo Crivella ?
TSY AZO EKENA.

Latsaka anaty olana ny gazety O Dia hatramin'ny nandraisan'ny vondrona Portiogey Ongoing ny ampahany betsaka. Nampiasain'ny fikambanan'ny haino aman-jery ny maha-Breziliana ny vadin'ny filohany mba hanararaotana hialàna amin'ny fameperan'i Brezila ny fampiasàna renivola vahiny any amin'ireo orinasa haino aman-jery. Amin'izao fotoana izao, miatrika olana ara-bola ny Ongoing  ary efa ho bankiropitra ny O Dia. 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.