- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Anisan'ireo Orinasa 100 Voalohany Mandoa Ny ‘Hetran'ny Google’ Ao Rosia Ny Facebook

Sokajy: Fitantanam-pitondrana, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Teknolojia, Akon'ny RuNet

Sary: Pixabay

Tamin'ny Alahady teo, nitatitra [1] ny gazety Vedemosti fa handoa ao Rosia ilay antsoina malaza hoe “hetran'ny Google” ny Facebook, hetra 18 isanjaton'ny hetra fanampiny (TVA) amin'ny orinasa vahiny mivarotra votoaty elekitronika ao Rosia. Nanatevin-daharana ny Apple, Microsoft, Netflix, Bloomberg ary ireo orinasa vahiny hafa  manodidina ny zato eo izay efa voasoratra anarana handoa ny TVA amin'ny Sampan-draharahan'ny Hetra Federaly Rosiana i Facebook.

Takiana amin'ny orinasa izay mivarotra hira, e-books, anaran-tsehatra [2] lalao video, ary entana sy tolotra an-tserasera hafa isan-karazany ny hetra izay neken'ny parlemanta Rosiana tamin'ny faran'ny fahavaratra ary nanan-kery nanomboka tamin'ny 1 Janoary. Milaza ny manampahefana Rosiana fa mitovy amin'ny TVA izay naloan'ny mpamatsy votoaty an-tserasera ao amin'ny Vondrona Eoropeana, Japana, ary Korea Atsimo ny hetra.

Hanampy hatrany amin'ny 10 lavitrisa robla (manodidina ny 174 tapitrisa $ ) amin'ny tetibolam-panjakana isan-taona ny orinasa efa voasoratra anarana antenain'ny manampahefana fa handoa ny hetra, ary tsy maintsy manao ny fandoavam-bola voalohany izay atao isaky ny telo volana alohan'ny 25 Aprily.

Misy ireo orinasa no manitsy ny hetra amin'ny alàlan'ny fampitomboana ny vidin-javatra ao amin'ny votoaty an-tserasera izay amidiny, ary namindra ny saran'ny hetra any amin'ny mpanjifa Rosiana : nampitombo [3] 18 isanjato tamin'ny vidin'ny tolotra ao amin'ny Google Drive ohatra i Google, tamin'ny herintaona taorian'ny nandanian'ny parlemanta ny hetra. Tsy nampiakatra ny sarany ao Rosia kosa ny Apple mandritra izany. Nilaza toy izany koa, ny orinasa lalao video Wargaming fa tsy hizaka ny vesatry ny hetra vaovao ny mpisera ao aminy .

Nanontany ny mpamiliny izay nisoratra anarana ho fikambanana ara-dalàna miavaka ao Rosia aloha i Uber tamin'ny voalohany ary nampandoa hetra ny tsirairay, mba ho fandraisana anjara vonjimaika tamin'ny vola lany tamin'ny hetra. Na izany aza  nofoanan'ny orinasa ilay politika rehefa niala tamin'ny hetsi-panoherana ny mpamily sasany ary nilaza fa handoa [4] ny hetra izy ireo.