- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mpiasan'ny ONG Taiwan Nanjavona, Nankany Beijing ny Vadiny Hanavotra Azy

Sokajy: Azia Atsinanana, Shina, Taiwan (ROC), Fanoherana, Fifandraisana iraisam-pirenena, Mediam-bahoaka, Politika, Zon'olombelona
[1]

Valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety notontosain'ny fikambanana tsy miankina Taiwaney mikasika ny fanjavonan'i Lee Ming-cheh tamin'ny 31 Martsa 2017. Avy amin'ny pejy Facebook Where is Lee (Aiza i Lee) ?.

Nanjavona tamin'ny 19 Martsa ilay Taiwaney mpiasan'ny ONG sady mpikatroky ny zon'olombelona Lee Ming-cheh raha niditra tao Shina avy any Makaô. Ankehitriny, nanapa-kevitra handeha ho any Beijing mba hijery azy ny vadiny.

Folo andro taorian'ny nanjavonany, nilaza i Ma Xiaoguang, mpitondratenin'ny Biraon'ny Fiandraiketan-dRaharaha Taiwan ao Shina, fa natao fanadihadiana noho ny “ahiahy mampidi-doza ny filaminam-pirenena” i Lee. Saingy tsy nilaza ny toerana misy azy ny manampahefana Shinoa.

Nanambara [2] ny vadiny, Lee Ching-Yu tamin'ny 31 Martsa fa nandeha tany Beijing izy mba hanavotra ny vadiny. Nanazava ny fanapahan-keviny tamin'ny fanambarana an-gazety izy (izay nadikan'ny tranonkala mpiaro ny zon'olombelona ao Shina, China Change [3]):

我知道在白色恐怖歷史裡面,在一個國家的法治依然沒有達到國際水平的時後,任何的法律辯護,都是沒有用處的。我們只作人道與人權辯護。因為該特別法不是建立在普世的價值之上。
因此,我很慎重的向大家宣布,我將放棄聘請律師,不做法律性的無謂辯護。
所有的人權工作者,所有把希望帶到任何一個需要人權伸張的角落,都是無罪的。因為此類奉獻行為將增益人類文明。
我先生帶著這樣無私的對人類的愛,我相信他的行為絕對是值得被尊敬的
我決定,親自前往北京,去瞭解狀況,去營救我的先生。

Fantatro avy amin'ny tantaran ‘ny Horohoro Fotsy (White Terror) tany Taiwan fa rehefa tsy mifanaraka amin'ny fenitra iraisampirenena ny rafitra tan-dalàna ao amin'ny firenena iray, dia tsy ilaina ny ezaka rehetra hanome fiarovana voalazan'ny lalàna. Afaka manome fiarovana ho an'ny olombelona sy ny zon'olombelona ihany izahay – saingy ny rafi-dalàna ao amin'ny firenena tahaka izany dia tsy mifototra amin'ny fomba fijery manerantany momba ny zon'olombelona.

Noho izany antony izany no nahatonga ahy nanao ity fanambarana ity: Tsy handeha hanakarama mpisolovava aho, ary avy eo hiditra amin'ny adilahy ara-pitsarana tsy misy fotony.

Tsy manan-tsiny ireo mpiasan'ny zon'olombelona rehetra, ireo rehetra mitondra fanantenana ho an'ny vazan-tany efatr'izao tontolo izao izay mila nanohana ny zon'olombelona. Noho ny fanampian'ireo olona ireo indrindra no mampandroso ny mahasoa ny olona sy ny sivilizasiona.

Tsy tia tena ny vadiko rehefa manao zavatra fa manao zavatra amim-pitiavana ho an'ny olombelona, ​​ary matoky tanteraka aho fa ny zavatra rehetra nataony dia mendrika fanajana lehibe indrindra.

Nanapa-kevitra aho ny handeha ho any Beijing, mba hijery izay zava-mitranga, ary hanavotra ny vadiko.

Teraka tamin'ny taona 1975, mpiasa taloha tao amin'ny Antoko Demokratika Tia Fivoarana (DPP) i Lee ary mpiaro ny zon'olombelona ao Shina. Nanomboka nampiasa WeChat izy tamin'ny taona 2014 mba hizara amin'ireo namana ao amin'ny Shina tanibe ny tetezamita nandalovan'i Taiwan miala amin'ny fanjakana didy jadona mankany amin'ny demaokrasia. Teo anelanelan'ny taona 2015 sy ny fiandohan'ny taona 2016, niditra mpikambana mpilatsaka an-tsitrapo tao amin'ny fikambanana tsy miankina mpiaro ny zon'olombelona, Covenants Watch [4] izy.

Nanomboka tamin'ny Febroary 2016, nanomboka niasa ho an'ny oniversiten'ny vondrom-piarahamonina tao an-tanànan'i Taipei izy

Fanjakana mahaleotena tsy ara-dalàna i Taiwan nanomboka tamin'ny taona 1949, rehefa resin'ny Antoko Komonista Shinoa tamin'ny ady an-trano ny Kuomingtang tao amin'ny Repoblikan'i Shina, ary nandositra nankany amin'ny nosy. Nitaky fiandrianana ao Taiwan hatrany i Beijing ary nandray ny fanjakana nizaka tena ho faritra mpikomy hiray amin'ny tanibe.

Hatramin'ny nandresen'i Tsai Ing-wen, avy ao amin'ny mpanohana ny fahaleovantenan'i Taiwan (DPP) tamin'ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny herintaona, nampitsahatra ny fifandraisana tamin'ny fomba ofisialy i Beijing. Sokajiana ho fahavoazana mianjady eo amin'ny fitondrana roa tonta ny fisamborana an'i Lee Ming-cheh.

Tsy ela taorian'ny nanamafisan'i Beijing ny fisamborana an'i Lee Ming Cheh, niampanga [5] an'i Beijing ho nitàna azy am-pahanginana noho ny antony tsy fantatra i  Lee Ching-Yu sy ny vondrona zo sivily maromaro, ary nitaky ny famotsorana avy hatrany. Nanipika toy izao ny vadin'i Lee nandritra ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety tamin'ny 30 Martsa:

Lee Ming-che has shared Taiwan’s democratic experiences with friends through the Internet. He pays attention to human rights issues and spreads hope to people who need warmth. Those behaviors are not criminal in any civilized country.

Nizara ny traikefa demokraotikan'i Taiwan tamin'ny namana tamin'ny alalan'ny aterineto i Lee Ming-che. Manome lanja ny olana momba ny zon'olombelona izy ary mampiely fanantenana ho an'ny olona mila hafanana. Tsy heloka bevava ao amin'ny firenena mandroso rehetra izany fitondran-tena izany

Fikambanana zon'olombelona Amnesty International nandrisika [6]an'i Beijing mba hanome fanazavana bebe kokoa mikasika ny fitànana azy:

The Chinese authorities’ detention of a Taiwanese NGO worker on vague national security grounds raises fears the authorities are broadening their attack against those carrying out legitimate activism.

Ny fihazonan'ny manampahefana Shinoa an'ilay Taiwaney mpiasan'ny fikambanana tsy miankina noho ny antony tsy mazava mikasika ny fiarovam-pirenena dia miteraka tahotra fa manitatra ny fanafihan'izy ireo amin'ireo izay manao fikatrohana ara-dalàna ny manampahefana

Wang Dan, mpikatroka tamin'ny hetsika manohana ny demaokrasia tao Tiananmen tamin'ny taona 1989 tao Shina tanibe kosa mihevitra [7] fa ny fisamborana an'i Lee’ dia misy ifandraisany amin'ny lalàna momba ny fitantanana fikambanana tsy miankina vahiny lany vao haingana:

從目前外界掌握的資訊來看,李明哲被中共國安部門拘留,最大的可能就是與中國去年新通過的規範管理境外NGO在中國國內的活動的新法規有關。這個新法規嚴格限制境外的非政府組織的活動性質,特別加入了類似「不能違反國家利益」這樣的條款。了解中國政府的人都知道,這樣的條款因為用詞和定義模糊,幾乎就是一個大框,什麼都可以往裡面裝。

政府看誰不順眼,都可以給他扣上「損害國家利益」的大帽子。李明哲長期關心中國人權狀況,在微信上發表支持民主自由的言論,在中共眼裡,這就是「損害國家利益」。

Araka ny vaovao rehetra misy, azo inoana tanteraka fa ny fisamboran'ny sampam-piarovana CCP an'i Lee Ming-cheh dia misy ifandraisany amin'ny lalàna momba ny fitantanana fikambanana tsy miankina vahiny nolaniana tamin'ny herintaona tao Shina. Mametra ny asan'ny fikambanana tsy miankina ny lalàna, ahitana filazana toy ny hoe “tsy mahazo manitsakitsaka ny tombontsoam-pirenena”. Ireo izay mahafantatra tsara ny fanjakana Shina dia mahalala fa ny rafitra toy izany dia azo ampiasaina hamerana ireo asa isan-karazany.

Afaka manome ny marika “manimba ny tombontsoam-panjakana” ho an'ny olona izay tsy tiany ny fanjakana [Shinoa]. Nanaraka akaiky ny zon'olombelona tao Shina i Lee Ming-cheh ary naneho mivantana ny heviny mikasika ny demaokrasia sy ny fahalalahana tao amin'ny WeChat. Azo heverin'ny CCP  ho “mampidi-doza ny tombontsoam-panjakana” izany fihetsika rehetra izany.

Niahiahy [8] kosa ilay Taiwaney mpiasan'ny fampahalalam-baovao, Tsai-Ching Yu, fa ny tsy fahombiazan'ny governemanta Taiwaney miaro ny olom-pirenena dia mety hiteraka krizim-pitantanana:

李明哲的妻子李凈瑜放棄聘請律師,要親自前往北京救援丈夫。這說明目前海基陸委會跟海協國台辦系統聯繫是完全中斷的,體制內的所有辦法無效,家屬才需要揚棄官方管道自力救濟,尤其選擇自行前往北京,就是希望自己去建立聯繫管道。…如果政府沒有政策,官僚應對鄉愿,救援留在口頭,以小見大,民進黨不只失去救援李明哲的時機,也正在流失民眾對政府處理兩岸關係的信心。

Tsy niantso mpisolovava ny vadin'i Lee Ming-cheh, Lee Ching-Yu, ary nankany Beijing mba hanavotra ny vadiny. Mampiseho izany fa tapaka tanteraka ny fifandraisana eo amin'ny Orina Fifankalozana ao Andilan-dranomasina sy ny Vaomieran-dRaharahan'ny Tanibe, sy eo amin'ny Fikambanana misahana ny Fifandraisana Manerana ny Andilan-dranomasina Taiwan sy ny Biraon'ny Fiandraiketan-dRaharahan'i Taiwan ao amin'ny Filan-kevi-panjakan'i PRC. Tsy misy ny fantsona ofisialy handaminana ny raharaha, izay nahatonga ny fianakavian'i Lee tsy niditra tamin'ny fantsona ofisialy ary nankany Beijing hitady fomba hafa hifandraisana… raha tsy manana paikady mahomby sy manohy mandray an-tanana ny raharaha amin'ny fomban'ny any anaty birao ny governemanta Taiwaney […] dia tsy ny fahafahana hiaro an'i Lee Ming-cheh ihany no votsotry ny DPP fa tsy hatoky ny fahafahan'ny governemanta mandamina ny fifandraisana manerana ny andilan-dranomasina intsony ihany koa ny vahoaka.