- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny Fomba Fiarovan'ilay Kiorda, Mpiaro Ny Tontolo Iainana Ny Leoparda Persianina Ao Iraka (Lahatsary)

Sokajy: Iràka, Mediam-bahoaka, Siansa, Tontolo_iainana, Vaovao Tsara
[1]

Leoparda Persianina tsy fahita firy. Sary avy amin'i Patrick Bentley/SolarAid Photos CC 2.0.

Ity lahatsoratra avy amin'ny Todd Reubold   [2]ity dia navoaka voalohany [3] tao amin'ny Ensia.com [4], gazetiboky manasongadina ny vahaolana momba ny tontolo iainana manerantany, ary navoaka eto indray noho ny fifanarahana fifampizarana votoaty.

Eny ambonin'ny tendrombohitra ao amin'ny faritra Kurdistan, avaratra antsinanan'i Irak, miasa mba hiaro ny leoparda Persianina (toy ny matoatoa tsy mety hita) i Hana Raza, mpiaro biby sy ny ekipa mpikaroka miaraka amin'ny fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana Nature Iraq [5] .

Mivezivezy manerana an'i Afrika sy Azia ny zana-karazana fianakaviana midadasika leoparda [6], miisa eo anelanelan'ny 800 sy 1000 ny leoparda Persianina (Panthera pardus saxicolor), araka ny filazan'ny Fikambanana Iraisam-pirenena Miaro ny Tontolo Iainana ary tandindonin-doza ireo noho ny fihazana, ny fahaverezana sy fisarasarahan'ny toeram-ponenany, ary ny fihenan'ny remby (sakafo).

Nahoana ity karazana leoparda manokana ity no zava-dehibe loatra? Araka ny nolazain'i Raza tamin'ny lahatsary, “ny leoparda Persianina no biby mpiremby hany sisa tavela ao amin'ny tontolo iainana [Kurdistan]”, ary miankina amin'ny fisian'ireo biby mpiremby marobe mivelona ny fahasalaman'ny tontolo iainana.

Kely na tsy misy mihitsy ny erijika ahafahana tena mahita ny leoparda Persianina any anaty ala, ka rehefa nahita tamin'ny lahatsary ny ekipa fa nahavita naka sarina saka be tamin'ny fakan-tsary miafina, dia feno fifaliana i Raza.

Liana amin'ny fampisehoana ny endriny hafa amin'ny fireneny ilay biolojista tamin'ny fanofanana an'i Raza, fa tsy “ady sy fifandirana” ihany no misy amin'ny fireneny. Nandray anjara tamin'ny fanadihadiana ifotony momba ny biby sy ny fandaharanasa fanabeazana niaraka tamin'ny Nature Irak nandritra ny enin-taona farany izy. Mpikambana ao amin'ny Vondrona Misahana Manokana ny Saka, IUCN/SSC [7]  ihany koa izy nanomboka tamin'ny taona 2013, ary efa niasa tamin'ny ezaka fametrahana faritra voaaro ho an'ny biby ao amin'ny faritra Kurdistan.

Sebastian Meyer [8], mpaka sary sy mpamokatra sarimihetsika efa nahazo loka no namokatra ity lahatsary tao amin'ny Ensia ity. Efa navoaka tamin'ny gazety iraisam-pirenena marobe ny sangan'asany, anisan'izany ny gazety TIME, Gazetiboky Sunday Times, FT Magazine, Washington Post ary ny New York Times. nanatontosa sarimihetsika ho an'ny National Geographic, PBS, CNN sy ny HBO ihany koa i Meyer. Nanomboka tamin'ny 2009 hatramin'ny 2014, nonina tao Irak Avaratra i Meyer ary niara nanorina ny Metrography [9], orinasan-tsary Irakiana voalohany.
Todd Reubold [2] no talen'ny famoahana sy mpiara manorina ny Ensia.