Tian'ny Mpanao Lalàna Rosiana Tsy Hahazo Hiditra Media Sosialy ny Ankizy, Ary Takiany ny Fisoratana Amin'ny ‘Anarana Tena Izy’
Misy volavolan-dalàna vaovao ao Rosia te-handrara ny fananganan'ny ankizy latsaky ny 14 taona kaonty ao amin'ny media sosialy ary mitaky amin'ny olon-dehibe hampiasa ny tena anarany, voamarina avy amin'ny torohain'ny pasipaoro, rehefa misoratra anrana amin'izay sehatra media sosialy tiany idirana ry zareo.
Hanamarika fialana tanteraka amin'ny fomba fanao amin'ny RuNet amin'izao fotoana izao ao izany, sy amin'ny sehatra media sosialy malaza indrindra ao Rosia, dia ny VKontakte, izay tsy itakiana fisoratana anarana amin'ny tena anarany izany.
Ny Antenimiera mpanao lalànan'ny Oblast Leningrad izay misolotena ny faritra lehibebe an'i St. Petersburg, no voatatitra fa hametraka ity lalàna ity ao amin'ny Duma, parlemanta fereralin'i Rosia. Koa satria efa voasoratra amin'izao fotoana izao ny lalàna, dia mety hiatrika fanasaziana ara-panjakana amin'ny fandoavana onitra hatramin'ny 300.000 robla ($5.350) izany.
na dia mbola tsy mazava aza hoe ho tahaka ny ahoana no hampiharan'ny manampahefana ny lalàna, indrindra rehefa eo amin'ny sehatra media sosialy tantanin'ny vahiny izany, ny lalàna dia voatondro hampiharina amin'ny olom-pirenena rosiana sy amin'ny vahiny monina amin'ny tany rosiana, araka ny nolazain'ny gazety Izvestia.
Ny lalàna-drafitra dia hamela ny tanora anelanelan'ny 14 ka hatramin'ny 17 taona hanana kaonty ao amin'ny media sosialy, saingy handrara tanteraka azy ireo tsy hiditra amin'ny vondrona na fiaraha-monina mizara votoaty tsy natao hozaraina amin'ny ankizy, tafiditra amin'izany ny zavatra “majika-maizimaizina”, ny torohay momba ny “fangaro fifohana,” ary ny lazaina ho “propagandy pelaka.”
Tian'ilay lalàna hohamafisina ihany koa ilay fepetra efa nisy izay mandrara ny mpisera aterineto tsy hizara fampahafantarana momba ny fihetsiketsehana an-dalambe “tsy nahazo fankatoavana avy amin'ny manampahefana”, amin'ny fanazavana miharihary ny maha-heloka bevava izany karazan-javatra tadiavina hozaraina izany. Ary apetraka ho tsy ara-dalàna ihany koa ny mamoaka taratasy nifanoratana tamin'ny mpisera media sosialy hafa ka tsy nahazo fankatoavana avy amin'izany mpisera izany, fepetra iray izay angamba nahazoana aingam-panahy avy amin'ireo fahatafintohinana ara-politika nateraky ny fifandraisana miporitsaka eo amin'ny samy olona fanta-daza nitranga vao haingana.
Raha lany io lalàna io dia hihatra manomboka amin'ny fiandohan'ny taona 2018.
Maro ireo firenena manerana izao tontolo izao — hatrany Jordania sy Korea Atsimo ka hatrany Zambia [mg] — no efa nampiditra ity lazaina ho tsy maintsy misoratra amin'ny “tena anarana” ity na eo amin'ny sehatra an-tserasera na amin'ny karatra finday SIM, ka misy ny mahomby na tsia. Amin'ireo tranga rehetra ireo, mandresy lahatra ny mpanao lalàna fa hanatsara ny zavatra ataon'ny mpanao heloka bevava an-tserasera ny fampiharana ny lalàna. Saingy manamora ny fanaraha-maso ataon'ny governemanta amin'izay zavatra ataon'ny mpisera aterineto rehetra, tsy ijerena hoe misy zavatra mahavoaheloka bevava ve ataony ny fanangonana ireo torohay ireo. Mety hiteraka olana na fanamby ihany koa ny fitehirizana io karazan-dahatahiry io. Nihemotra tamin'ny fitakiana ny tena anarana rehefa misoratra anarana i Korea Atsimo rehefa niporitsaka noho ny fisovohana lohamilina notantanin'ny fanjakana ny mombamomba ireo mpisera aterineto ampolony tapitrisa tamin'ny taona 2011.
“Tsy misy te-hampiditra sivana na famerana ny fahalalaham-pitenenana eo,” hoy i Vladimir Petrov, depiote iray avy ao amin'ny antenimieran'ny fanaovan-dalànan'ny Oblast Leningrad, tamin'ny Izvestia. “Tsy misy afa-tsy hanatsara ny lanjan'ny fifandraisana virtoaly sy ny hevitry ny tsirairay ny vokatry ny fanamarinana sy ny fanarahamaso manokana ny tena anaran'ny mpisera.”
“Arakaraka ny mahakely ny fialana andraikitra ao anatin'ny tsy fahafantarana anarana no mahatsara azy,” hoy i Vitaly Milonov, depioten'ny “Duma”-mpanjakana nalaza ratsy tamin'ny fitarihan-dalana famolavolana ny lalàna anti-LGBT tao Rosia. “Tsy azo avela hitolo-batana ho an'ireo mpametaeta ankizy, mpampihorohoro ary jiolahy mpanao heloka bevava io tontolo io.”
Nilaza tamin'ny Izvestia i Milonov fa raha tafiditra hodinihina ao amin'ny Duma ny lalàna, dia betsaka ny erijika hahalaniany.
Anisan'ny RuNet Echo, tetikasan'ny Global Voices handikana ny teny Rosiana an'aterineto ity lahatsoratra ity. Lahatsoratra rehetra ·
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy

Atombohy ny resaka
Anisan'ny RuNet Echo, tetikasan'ny Global Voices handikana ny teny Rosiana an'aterineto ity lahatsoratra ity. Lahatsoratra rehetra ·
Lahatsoratra notsongain-ny GV Mpisolovava, tetikasa iray miaraka amin-ny Global Voices, miaro ny fahalalahana miteny sy miady amin-ny sivana antserasera ity. · Lahatsoratra rehetra
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...