- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Miketrika Hamantatra Hafatra WhatsApp sy Facebook Faikany ny Teknisianina Ambony Indiana

Sokajy: Azia Atsimo, India, Hafanàm-po nomerika, Hevitra, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Teknolojia, GV Mpisolovava

Mozilla L10N Hackathon ao Punjab, India. Sary: Subhashish Panigrahi tao amin'ny Wikimedia (CC BY-SA 4.0)

Nanangana tranonkala iray manampy amin'ny famantarana hafatra faikany zaraina betsaka ao amin'ny Facebook sy ny WhatsApp ny Indiana mpikaody miisa roa. Fantatra amin'ny hoe check4spam.com [1], miantehitra amin'ny fikarohana sy famotorana ataon'ny ekipan'ny check4spam miaraka amin'ireo mpisera mpilatsaka an-tsitrapo ny tranonkala.

Manantena  ny hanitatra ny fahaiza-manaon'ny vavahadin-tserasera ny ekipa mba hanomezana tolotra amin'ny alàlan'ny fitaovana ara-teknika. Toy izao manaraka izao no hamaritany ny tetikasa :

We verify any known posts with the below actions:

1. Contact the person/organization mentioned in the post
2. Do an extensive search (online and offline) to find any further fine information about the news

- How We Work [2], check4spam.com

Manamarina ireo lahatsoratra rehetra amin'ireto dingana eto ambany ireto izahay:

1. Mifandray amin'ilay olona/fikambanana voalaza ao amin'ny lahatsoratra
2. Manao fikarohana matevina (an-tserasera sy ivelan'ny serasera) mba hahitana fanamarinana bebe kokoa momba ny vaovao

- Ahoana Ny Fomba Fiasanay [2], check4spam.com

(SPAM) Ireo Antoko Politika Mpanolikoly 10 Voalohany Manerantany taona 2017 avy amin'ny BBC

Nahitana fitomboana haingana tamin'ny fampiasana Aterineto i India, eny fa na dia eo amin'ireo zokiolona aza. Maro amin'ny mpisera vaovao no tsy mbola mahay manavaka ny loharanom-baovao tena izy sy ny faikany na ireo mpisompatra hafa. Ary misy ny mampidi-doza amin'ny alàlan'ny fanjonoana kitika, ny vaovao mamitaka na rindrambaiko hafa manokatra ny lalan'ny mpisompatra (Trojan=cheval de Troie)  natao hangalarana loharanom-baovao avy amin'ny fitaovan'ny mpisera.

Teknisianina manam-pahaizana roa Bal Krishn Birla sy Shammas Oliyath [6] monina any Bengaluru, tanàndehibe Indiana iray, no namorona ny tranonkala. Amin'ny fananana vina antsoina hoe “Tolotra tsy misy fepetra ho an'ny olombelona [2]” sy iraka “hahatonga ny fiainana ho mora ho an'ny olon-tsotra sy mikorontana ho an'ny mpanao spam[mpandoto rindrina]”, nirotsaka hanabe ny olona ao India lasibatry ny hafatra faikany ao amin'ny media sosialy izy ireo, ary miezaka mampahafantatra ireny hafatra ireny.

[7]

Karazana fanamarinana iray. Sary tao amin'ny Tranonkalan'ny  Check4Spam.

Efa nametraka laharana WhatsApp ho an'ny olona izy ireo tamin'ny volana Aogositra 2016  mba handefasana hafatra hanamarinana ny zava-misy, mahazo hafatra mangataka fanamarinana miisa 100 isan'andro izy ireo. Mamaky ireo hafatra mandritra ny fotoana isakafoanana antoandro lavabe izy ireo hoy i Shammas [8], ary nanomboka nikaroka ny lalana.

Tetikasa mamelo-tena ara-bola [9] ny Check4Spam. Mahazo fidiram-bola  avy amin'ny dokambarotra ao amin'ny tranonkala izy izay miditra amin'ny vola lany amin'ny fampandehanana azy, anisan'izany ny fandefasana fampahafantarana ao amin'ny Facebook.

#Check4Spam [10]
1 Ampidiro ao amin'ny findainao ny +9035067726  .
2. Adikao ny votoaty izay mampiahiahy anao.
2 Alefao amin'ny WhatsApp. Hilaza aminao izy na faikany na tsia izany. RT

Ny hafatra amin'ny endrika soratra, sary ary soratra sy sary miaraka ihany no zakan'ny check4spam.com amin'izao fotoana izao. Mifarimbona [13] amin'ny famantarana hafatra mpandoto rindrina amin'ny alalan'ny fangatahana ny olona hitatitra [14] hafatra spam hitan'ireo mpisera ihany koa izy ireo. Amin'izao fotoana izao, sokajiana ho tsaho, loza mitranga, asa, fitsaboana, fanjavonana, fikasan'ny governemanta, ary fisondrotana [na fihenam-bidy] ireo hafatra  an'aterineto mampiahiahy.

Mahazo mpitsidika dimy hetsy [15] isam-bolana ny pejin'ny tranonkala.