Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

06 Avrily 2017

Tantara tamin'ny 06 Avrily 2017

Ny Fomba Fiarovan'ilay Kiorda, Mpiaro Ny Tontolo Iainana Ny Leoparda Persianina Ao Iraka (Lahatsary)

Miasa mba hiaro ny leoparda Persianina i Hana Raza, mpiaro biby sy ny ekipa mpikaroka miaraka amin'ny fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana Nature Iraq .

Fianakaviana Filipino Tsy Manan-kialofana Mibodo Fonenam-Bahoaka Miisa 6000 Tsy Misy Mipetraka

"Jereo ireo trano ireo, tsy ampiasaina. Mihalava ny bozaka, ary manomboka feno tany ny trano. Maninona no tsy mamela ny tsy manan-kialofana honina ao ry zareo?"

Tian'ny Mpanao Lalàna Rosiana Tsy Hahazo Hiditra Media Sosialy ny Ankizy, Ary Takiany ny Fisoratana Amin'ny ‘Anarana Tena Izy’

GV MpisolovavaAkon'ny RuNet

Tian'ny mpanao lalàna ao amin'ny faritr'i St. Petersburg tsy hisy ankizy latsaky ny 14 taona ny media sosialy an-tserasera, ary hofoanana ny fanafenana anarana amin'ny aterineto.

Miketrika Hamantatra Hafatra WhatsApp sy Facebook Faikany ny Teknisianina Ambony Indiana

GV Mpisolovava

Maro amin'ny mpisera vaovao no tsy mbola mahay manavaka ny loharanom-baovao tena izy sy ny faikany na mpisompatra.