- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Manao Famoretana ny Mpanakana Tranonkala Rosiana Mialoha ilay Hetsi-panoherana Iadiana Amin'ny Kolikoly

Sokajy: Rosia, Fahalalahàna miteny, Fanoherana, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Lalàna, Mediam-bahoaka, Politika, Vaovao Mafana, Zon'olombelona, Akon'ny RuNet

Mpanao fihetsiketsehana nivory tao amin'ny hetsika manohitra ny kolikoly tao Nizhny Novgorod tamin'ny 26 Martsa 2017.

Nangataka tamin'ny sampan-draharaham-panjakana misahana ny fanivanana fampitam-baovao, Roskomnadzor, ny lehiben'ny Fampanoavana ao Rosia tamin'ny zoma mba hanakana ny tranonkala izay voalaza fa mitarika amin'ny fanakorontanana ny vahoaka amin'ny alalan'ny fanasana ny olona hanatevin-daharana ny famoriam-bahoaka izay kasaina hatao ao afovoan'i Moskoa tamin'ny alahady.

Nangataka ny Roskomnadzor mba hanakatona tranonkala miisa dimy izay “miantso amin'ny fandraisana anjara amin'ny hetsika faobe (ho an'ny vahoaka) tamin'ny 2 Aprily 2017 ao amin'ny Kianja Mena ao Moskoa sy any an-tanàndehibe rehetra hafa ao amin'ny Federasiona Rosiana” i  Viktor Grin, lefitry ny lehiben'ny fampanoavana  tao anatin'ny fangatahana an-tsoratra iray.

Natao taorian'ny fihetsiketsehan'ny mpanohitra lehibe indrindra [1] tao Rosia nanomboka tamin'ny taona 2011-12 ny fangatahana, rehefa nivory ireo mpanao fihetsiketsehana mba hanohitra ny vokatry fifidianana solombavambahoaka izay voalaza fa hosoka [2] tamin'ny taona 2011 sy ny fanapahan-kevitry ny filoha Vladimir Putin tamin'ny firotsahana ho fidiana fanintelony tamin'ny taona 2012. Olona enina alina no nivory tao an-tanàndehibe manerana an'i Rosia tamin'ny alahady ho fanoherana ny kolikoli-panjakana, ary maro no tezitra tamin'ny Praiminisitra Dmitry Medvedev, izay nanaovan'ny lehiben'ny mpitarika mpanohitra sady mpikatroka miady amin'ny kolikoly Alexei Navalny famoahana fanambarana fananana mikasika azy tao amin'ny fanadihadiana navoaka [3] tamin'ny fiandohan'ny volana Martsa.

Nangataka fanakanana loharanom-baovao maro natokana ho an'ny hetsi-panoherana tamin'ny 2 Aprily avy amin'ny Roskomnadzor ny Biraon'ny Lehiben'ny Fampanoavana. Scan-n'ny fangatahana.

Nosamborin'ny polisy i Navalny, izay mbola any am-ponja ankehitriny, ary mpanao fihetsiketsehana miisa 1000 eo ho eo [6] tao amin'ny famoriam-bahoaka tao Moskoa, sy mpanao fihetsiketsehana maro tany amin'ny fihetsiketsehana tany amin'ny tanàndehibe Rosiana miisa 82 [7] no notànana , anisan'izany ny tany Siberia sy tany amin'ny Farany Atsinanana.

Mpilatsaka an-tsitrapo avy amin'ny Orina Mpanasoa Miady amin'ny Kolikoly an'i Alexei Navalny sady mpiasa ao amin'ny sehatra fampitam-baovao NewscasterTV nosamborina tao amin'ny hetsi-panoherana natao tao Moskoa tamin'ny 26 Martsa 2017. Sary tao amin'ny: Twitter, CC 4.0

Niantso ireo mpanao hetsi-panoherana mba hanatevin-daharana ny fihetsiketsehana tao amin'ny Kianja Mena tany am-boalohany [8] ny vondrona VKontakte [9] “Mangataka Fanovana Rafitra Ankapobeny ato amin'ny Firenena Izahay,” iray amin'ireo tranonkala dimy izay nanaovan'ny Biraon'ny Lehiben'ny Fampanoavana fangatahana tamin'ny Roskomnadzor mba ho sakanana, na dia nafindra tany  akaikin'ny Kianja Manezhnaya  aza ny toerana misy ny hetsi-panoherana. Nilaza ny mpanao fihetsiketsehana mihoatra ny 2000 fa hanatevin-daharana ny hetsika izy ireo, izay hanomboka ny alahady mitataovovonana.

Maro ny mpanara-maso no nahatsikaritra [10] ny isan'ny tanora Rosiana nandray anjara tamin'ny hetsi-panoherana tamin'ny 26 Martsa , ary toa hita fa ny tanora no tena hikarakara betsaka ny fihetsiketsehana amin'ny fihodinana manaraka : nilaza ny mpikarakara ny “Mangataka Fanovana Rafitra Ankapobeny ato amin'ny Firenena Izahay”, Viktoria Potapova, 21 taona avy ao Moskoa, izay manana pejy VKontakte [11] nangatahan'ny biraon'ny mpampanoa lalàna  mba hosakanan'ny Roskomnadzor ihany koa , fa ny  “Economics LTD” no mampiasa azy.

Ireto avy ny takian'ny [12] Ny “Mangataka Fanovana Rafitra Ankapobeny ato amin'ny Firenena Izahay” : ny fametraham-pialan'i Medvedev; ny fananganana ny rafitra natao mba hanamorana ny fifanakalozan-kevitra eo amin'ny mpanohitra sy ny manampahefanan'ny governemanta; ny fampihenana ny fandanian'ny fiarovam-panjakana; ny fanafoanana ny lalàna henjana napetraka iadiana amin'ny fampihorohoroana izay mametra [13] amin'ny fomba hentitra ny fikatrohana sivika sy ny fahalalahana maneho hevitra an-tserasera; ny fanadihadiana ofisialy ireo manampahefana ampangain'ny Famatsiam-bola iadiana amin'ny kolikoly natsangan'i Navalny ho nanao kolikoly, anisan'izany i Igor Sechin, Filohan'ny Rosneft sy i Yury Chaika, Lehiben'ny Fampanoavana; ary ny famerenana ny fijerena indray ny rafitra fitantanana ny hetran'ny kamiao izay efa notsikerain'ny mpitondra kamiao Rosiana manao dia lavitra .

Nangataka ny hanakanana ny lahatsary [14] YouTube mitondra ny lohateny hoe ” ‘Ny Tanora ao Moskoa’ Mivory ao amin'ny Famoriam-bahoakan'ny Kianja Mena Mitaky ny Fialan'i Medvedev” sy ny lahatsoratra tao amin'ny Live Journal mampiroborobo [15] ilay lahatsary ihany koa ny biraon'ny mpampanoa lalàna. Efa nisy nijery in-60.000 mahery ny lahatsary .

Tafiditra anatin'ny lisitra hosakanan'ny mpampanoa lalàna ihany koa ny Lahatsary YouTube iray hafa : “Hisy ve ny Famoriam-bahoaka na ny Fijoroana ao amin'ny Kianja Mena Amin'ny 2 Aprily 2017?,” izay efa nisy nijery tsy latsaky ny 3000 .

Mitanisa ny lalàna Rosiana mandrara ny fizarana ny vaovao fandrisihana hetsi-bahoaka sy ireo fandraràna ny hetsika ao amin'ny Kianja Mena tsy nisy  fankatoavana avy amin'ny filoha ny taratasin'i Grin ho an'ny Roskomnadzor. Mangataka ny Roskomnadzor ihany koa izy mba hanakatonana ireo tranonkala mizara ny kopia na fanazavana mitovy raha vao voasakana ireo tranonkala voalaza etsy ambony ireo.