- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Mandrahona ny Fifidianana Solombavambahoaka ao Armenia ny Faikam-Baovao sy ny Fifidianana Savaranonandon'ny Shenanigans

Sokajy: Azia Afovoany sy Kaokazy, Armenia, Fifandraisana iraisam-pirenena, Fifidianana, Fitantanam-pitondrana, Hafanàm-po nomerika, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Politika

Antenimieram-pirenenan'i Armenia. Sary Wikimedia creative commons.

Nikasa  hanamarika fandresena [1] tamin'ireo latsabato natao ny Alahady 2 Aprily teo ny antoko repoblikana tsy mivadika amin'ny Filoha Armeniana teo aloha Serzh Sargsyan, saingy voahelingelin'ireo lazaina fa andianà fandikandalàna ilay fifidianana, toa ezaky ny fanjakana mba hanakantsakanana ny asan'ireo mpanao gazety sy mafana fo ety anaty aterineto, ary farafahakeliny trangana vaovao sandoka iray.

Zava-dehibe hatrany ny fifidianana raha toa ka ny fahalanian'ilay fanovàna lalam-panorenana tamin'ny 2015 [2] dia midika fa hofidian'ny parlemanta ny filoha Armeniana, raha toa ny biraon'ny praiminisitra ka lasa ho ny mahery indrindra ao amin'ny firenena .

Efa nilaza i Sargsyan fa tsy nataony hahazoana tombondahiny ireo fiovana noketrehany tamin'ilay fitsapankevibahoaka nahabe resaka, na dia nanantena azy handray ny toerana praiminisitra azy ny sasany raha mahazo ny maro an'isa ao amin'ny parlemanta ny antokony.

Rosia no tery amin'ny lohalaharana nanopy maso tsara an'ilay fifidianana, ary mpanao gazety maro monina ao amin'ny firenena sy ny faritra midadasika ao Kaokazy no nitatitra fisianà vaovao diso naparitak'ireo kaonty Twitter izay niseho taminy endrika boto miaraka amina fandaharam-potoana pro-Kremlin matanjaka.

Lazaina fa fitanana an-tsoratry ny USAID miantso ny vondrona sivily hanohana ny mpanohitra ilay sary nozarain'ireo kaonty. Talohan'io ny solontenan'i Washington any Armenia dia efa nampahafantatra ny maha-sandoka ilay fitànana an-tsoratra [3], fa mbola niverina niparitaka ihany izy ny alina nialoha ny fifidianana.

Mahaliana. Kaonty Rosiana manomboka manaparitaka #armvote17 [4] miaraka amin'ilay fitànana an-tsoratra sandoka @USAID [5] izay efa nodisoan'ny @usembarmenia [6]#armelections2017 [7] pic.twitter.com/hBbQ4wlD3V [8]

Tsy ijerena ny hoe i Maosko sa tsia , izay manohana an'i Sargsyan, no tao ambadik'ilay fandisoam-baovao, nisy porofo be dia be manaporofo ny andrana avy ao an-toerana hanodinkodina ny fifidianana.

Endrika iray malazan'ny fiarahamonim-pirenena, Babken DerGrigorian, [10] no nitatitra fampatsiahivana avy amin'ny Google fa niezaka ny hijirika ny kaonty email-any ireo mpijirika tohanan'ny fanjakana, raha toa ka mpanao gazety maro, mpitarika, no nahita hoe voabahana ny fidiran'izy ireo tamin'ny Twitter mialohan'ny fifidianana.

Taty aoriana dia niverina nivoha ny kaontin'izy ireo taorian'ny fanentanana niraisan'ireompandefa Armeniana mpibitsika .

Loharanom-baovao fanta-daza, inc. @CivilNetTV [11] & @Hetq_Trace [12] avy any Armenia no nihantona ny kaontiny ny alina mialoha ny #fifidiananaarmeniana17 [4]

Ny fanadihadiana lalina mikasika ireo tatitra ireo dia nangonin'ny Laboratoara Fikarohana Siantifika sy Teknika momba ny Niomerika an'ny Filankevitry Atlantika, izay namokatra fampahafantarana fohy antsoina hoe Boto Faikany sy Fibahanana any Armenia [14]. Namarana ilay lahatsoratra hoe:

Miaraka amina fifidianana iray miavaka efa antomotra, mora tratrana fanodinkodinana sy fandisoam-baovao ny habaka aterineton'i Armenia. Ireo ezaka fantatra hatreto dia kelikely velarana sy voafetra ihany no takany, saingy maneho ireo fomba isankarazany izay ahafahan'ny mpiantsehatra amin'ny aterineto miezaka ny hanodinkodina ny habaka niomerika.

Manodidina ny ampahatelon'ny olom-pirenena ao amin'ny repoblikan'i Kaokazy Atsimo izay misy vahoaka 3 tapitrisa no miaina anaty fahantrana. Tamin'ny 2015 i Yerevan renivohitra dia nohozongozonina hetsi-panoherana nanoherana ny fisondrontambidin'ny filàna izay lasa nomena anarana hoe Electric Yerevan [15] ary naneho ny tsy fahafahampo tamin'ny kolikoly raiki-tampisaka ao amin'ny firenena.