Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Ny Firaisankina (Peroviana) no Hery Manoloana ny Tondradranon'ny Volana Martsa

Pikantsary avy amin'ny lahatsary nozarain’ i Carlo Paredes tao amin'ny YouTube “Evangelina Chamorro: Tolona sy Herimpo.”

Nanomboka tamin'ny fiandohan'ny volana Martsa, tanàna maromaro tao Però no nitolona tamin'ny orambe, tondra-drano, fihotsahan'ny tany, fahatapahan-dalana toa tsy misy fiafarana, ary fikatonan'ny sekoly avy eo, andro vitsy monja taorian'ny fisokafan'ny taom-pianarana 2017. Satria mbola mitohy ny fahavoazana, miha betsaka ireo olon-tsotra—ao Però sy any ivelany—manatevin-daharana ny ezaka an-tserasera mba hizara ny tantaran'ireo niharam-boina sy mampita hafatra ara-piarovana, amin'ny alalan'ny fampiasana ny tenirohy #FuerzaPerú (Herin'i Però) sy #UnaSolaFuerza (Hery Tokana).ao amin'ny media sosialy.

Miaina toetr'andro ratsy fantatra amin'ny anarana hoe Niño costero (Ankizilahin'ny Morontsiraka) i Però. Tamin'ny 16 Martsa, niteraka famoizana aina miisa 62 sy niharam-boina miisa 62.000 ny loza tamin'io vanim-potoana io. Voalaza fa miaritra io toetr'andro io ihany koa i Ekoadaoro.

Vaovao tamin'ny Asabotsy 18 Martsa. Saika mikasika ny orana avokoa ny lohateny rehetra. Sary avy amin'ny mpanoratra, nahazoana alalana.

Nampiasa ny kaontiny Twitter ny filoha Peroviana Pedro Pablo Kuczynski mba handefa hafatra ho an'ny vahoaka Peroviana, mizara ny zavatra nataony nandritra ny voina sy tolo-kevitra ankapobeny sasantsasany :

Nanao fandaminana aho mba hanomezana S/ 4,400 millones [eo amin'ny 1,3 miliara dolara Amerikana] ho an'ny fiadidiana ao an-toerana, ao amin'ny fiadidiam-paritra ary ny fiadidiam-pirenena mba hanombohana ny fanarenana ireo faritra niharam-boina.

Nikarakara sy niomana hiatrika ny hamehana izahay. Aoka isika hilamina ary ataovy izay lazain'ny manampahefana.

Hifarana ity hamehana ity, saingy mila malina hatrany isika. Aza sahisahy foana amin'ny zavatra mampidi-doza, tahaka ny mandeha amin'ny lalana tondra-drano na tetezana simba

Vondrona sy fikambanana maro no nanangona fanomezana ho an’ ireo faritra tena voa mafy indrindra, izay nihazakazaka niantsena ireo mponina ao aminy noho ny tsaho sy ahiahy fa tsy hisy ny entana. Nisy mihitsy aza ny tatitra milaza filaharam-be teny amin'ireo toeram-pivarotana lehibe hividy rano, taorian'ny fahatapahan'ny tolotra.

Nankany amin'ny toeram-pivarotana Megaplaza ny Limeana mba hizara fanomezana.

Filaharana hameno rano amin'ny siny. Tahaka izao manerana ny tanàna. Parinacochas Ave, La Victoria – Lima.

Rano amin'ny tavoahangy efa lafo, filaharana tsy misy fitsaharana eny amin'ny toeram-pivarotana. ENY, ilaina ny misoroka – Aza mikoropaka. Azo antoka ny famatsiana sakafo sy entana ilaina andavanandro.

Evangelina Chamorro: mariky ny fifaharana

Tamin'ny herinandro lasa, vehivavy iray antsoina hoe Evangelina Chamorro no nibahana tamin'ny vaovao, rehefa nipoitra ara-bakiteny avy tao anaty fotaka taorian'ny huayco (Fihotsaham-potaka) tao amin'ny distrikan'i Lima ao Punta Hermosa, toerana onenany miaraka amin'ny fianakaviany.

Evangelina Chamorro, 32 taona, nieren-doza taorian'ny famelezan'ny huayco de Punta Hermosa ary lasa mari-pamantaran'ny voina tao Però.

Mitsabo tena any amin'ny hopitaly i Evangelina amin'izao fotoana izao, tafavoaka tamim-pahagagana tamin'ny ratra mahafaty noho ny fihotsaham-potaka.

Horohoro!
Ity no pejy voalohany amin'ny vaovao androany, Alakamisy 16 Martsa 2017.

Niteraka aingam-panahy sary vaovao avy amin'ilay mpanakanto Kolombiana Humberto Álvarez, fantatra kokoa amin'ny hoe Alter Eddie, mpanoratra ao amin'ny tranonkala Se lo explico con plastilina (Hanazava azy amin'ny tanimanga fanao volavola aho) ny tantaran'ilay nieren-doza.

Tanjaka ho an'i Però. Evangelina. Lima anaty hamehana. Evangelina Chamorro, endrey izany ohatry ny tolona sy ny herimpo.

Koa satria miatrika fanamby mampivarahontsana ny firenena tamin'ity volana ity, dia lasa tarigetram-pirenena ilay fehezanteny malaza iray, vita sokitr'ilay mpahay tantara Jorge Basadre, manao hoe : “Mbola lehibe noho ny olany i Però.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.