- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Breziliana Iray Mpampiasa Facebook Voampanga Noho Ny Famoahana Vazivazy Mombanà Mpanao Pôlitika

Sokajy: Amerika Latina, Brezila, Fahalalahàna miteny, Hafanàm-po nomerika, Hehy, Mediam-bahoaka, Politika, GV Mpisolovava

Pejy mpanao hatsikana malaza ao Brezila ny Legado da Copa. Sary: Pikantsary

Nampandoavina onitra 5000 reais Breziliana ny mpandrindra pejy iray isan’ny be mpahafantatra indrindra any Brezila noho ny famoahany lahatsoratra maneso an'i Celso Russomano, mpanao lalàna federaly, raha nilatsaka ho ben’ny tanàna tany Saõ Paulo izy tamin’ny faraparan’ny taona 2016.

Tsy ny fanalam-baraka mety nataony no nanenjehana ilay mpandrindra, fa noho ny fandikàny ny lalànan’ny tsy fanononana anarana any Brezila.

Hita tanatin'ilay lahatsoratra ny pikantsary iray namboarina mampiseho resaka tamin’ny Facebook Messenger nataon'olon-tsy fantatra sy Russomano, mpilatsaka ho fidiana ho ben’ny tanàna tamin'izany fotoana. Tanatin'ilay resaka namboarina, niteny i Russomano fa raha mahazo bokotra « tiako » valo alina, fanehoankevitra iray alina ary fizaràna dimy arivo ny pikantsarin'ilay resaka navoaka dia hiala an-daharana izy.

Nozarain’ny pejy Legado da Copa (Lovan’ny Amboara Eran-tany) tamin’ireo mpanaraka azy miisa efatra hetsy ilay pikantsary sandoka ary poa toy izay dia nahazo fizaràna roa alina, pikantsary izay voatatitra fa i Cauê Madeira, mpampiasa Facebook, no nanamboatra ary namoaka azy voalohany.

Notorian’i Russomano ny Facebook sy Cauê Madeira ary Raphael Evangelista, ilay tompon’ny pejy Legado da Copa [1]. Manameloka an'i Evangelista ho nandika ny lalàm-pifidianana any Brezila ny didim-pitsarana iray tamin’ny Oktobra [2], milaza fa mivoy dokambarotra ratsy navoakan'olon-tsy fantatra ilay pikantsary. Nampihatra ny andininy ao amin’ny lalàm-panorenana Braziliana mandrara ny tsy fanononana anarana ilay didy, satria tsy hitan’ny besinimaro ny anaran’i Evangelista ao amin’ilay pejy Legado da Copa. Nampakarin'i Evangelista ny didy, kanefa nisy didy faharoa tamin’ny Martsa nataon’ny Fitsaram-pifidianan’i São Paulo, tanatinà latsabato 4-3, izay nanohana io didy io.

Ny andininy fahadimy ao amin’ny Lalàm-panorenan'i Brezila tamin’ny 1988 dia mirakitra ny fahafahana maneho hevitra saingy kosa mandrara ny tsy fanononana anarana amin’ny asa soratra. Voalazan'ny Lalàm-pifidianana Breziliana [3] fa voarara ihany koa ny tsy fanononana anarana amin’ny zavatra mifandray amin’ny fampielezankevitra. Na izany aza, ny Lalàm-panorenana ihany koa dia miaro ny zon’ny mpanao gazety hanonona loharano avy amin'olon-tsy fantatra.

Nilaza [4] ilay didy tamin’ny Oktobra fa:

Se o usuário da rede mundial de computadores não identifica na página do perfil visitado quem é o responsável pela postagem. O anonimato estará caracterizado, não importando, a possibilidade de sua posterior identificação, após a intervenção judicial, a partir dos dados cadastrais ou do I. P. utilizado”.

Raha tsy fantatra eo amin’ny takelaka tokony hirakitra ny mombamomba azy ny mpampiasa ilay tambajotra manerantany izay tompon’andraikitra amin’ilay lahatsoratra, dia tsy fanononana anarana izany. Tsy maninona na misy mahafantatra aza aty aoriana ny mombamomba ilay olona namoaka hevitra, aorian’ny fitsarana, tamin’ny alàlan’ny fahalalàna nomeny nandritra ny fisoratana anarana na ilay IP nampiasainy.

Saingy nasehon'ilay fifidianana tery tao amin’ny fitsarana rejionaly ny mampanjavozavo ireo lalàna rehefa ampiharina amin’ny tontolon’ny media sosialy.

Mivaky toy izao ny tatitry ny mpitsara Cauduro Padin, izay nifidy ny famelàna an’i Evangelista:

Entendimento contrário, defendido pelo representante, ensejaria o despropositado arremate de que todos os perfis do Facebook seriam irremediavelmente anônimos e, por conseguinte, toda e qualquer manifestação em tal rede social vedada constitucionalmente. Evidentemente não é assim.

Destarte, apesar da suposta “aparência” de anonimato existente na rede social Facebook, a especificação do usuário foi possível nos presentes autos por força dos dados obrigatoriamente disponibilizados quando da realização do respectivo cadastro.

Ilay fiheverana mifanohitra, izay arovan’ny solontena, dia mety hitondra any amin’ilay tsoakevitra tsy mitombina fa tsisy fanantenana ny ahitàna ny mombamomba ny mpampiasa rehetra ny Facebook ary ny fanehoankevitra rehetra ao amin’io tambajotra sosialy voalaza io dia mety ho voarara araky ny Lalàm-panorenana avokoa. Mazava ho azy fa tsy izay no mitranga.

Eto am-boalohany, na eo aza ilay voalaza ho “sarintsarinà” tsy fanononana anarana ao amin’ny Facebook, azo natao ny famantarana ilay mpampiasa tamin'ity tranga iray ity noho ny angondrakitra izay miforona amin'ny fotoana fisoratan'ilay mpampiasa anarana.

Zava-dehibe ny manamarika fa raha avelan’ny Facebook mitondra anarana tsy mifandray mivantana amin’ny anaran’ny mpandrindra azy ireo pejy, dia tsy mitombona tanteraka ny voalazan’I Padin —  ny tompon’ny kaonty Facebook tsirairay dia tsy maintsy mampiasa ny anarany ara-dalàna (na ny “tena anarany” araka ny teny fampiasan'izy ireo) amin’ny kaontiny.

Ilay pikantsary sandoka misy ny resak’i Celso Russomano, mpilatsaka ho fidiana tamin'izany fotoana, sy ny mpampiasa tambajotra iray anaty aterineto. Sary: Pikantsary nozaraina ho an’ny daholo be, navoaka teo ambany fampiasana ara-drariny.

 

 

 

 

 

Mpampiasa: Salama, manao ahoana ianao ry mpilatsaka ho fidiana? Mety tsy ho raisinao ho matotra ity, kanefa izao ny fandehany: Bokotra “Tiako” firy no ilainao mba hialanao amin’ny fifaninanana ho ben’ny tanànan’i São Paulo? Hamoaka pikantsary miaraka amin’ny valinteninao aho rehefa kelikely eo.

Sarintsarin’I Russomano: Matotra ve ity, ry zandry? Mila ben'ny tanàna toa ahy ny tanànan’i São Paulo. Tsy mino aho hoe hahazo ianao na dia bokotra “tiako” iray aza amin’ity boerikao ity, saingy omeko fahafahana ianao. Mahazoa bokotra “tiako” valo alina, fanehoankevitra iray alina ary fizaràna dimy arivo dia miala tsy hilatsaka ho fidiana aho. Mirary soa.

Afaka madiodio tamin’ny fanapahankevitra rehetra i Cauê Madeira, izay namorona voalohany ilay vazivazy, noho ny famoahany ilay vazivazy tamin’ny anarany ihany, ary tsy nandika ny lalànan’ny tsy fanononana anarana izany. Facebook koa dia afaka madiodio satria noesoriny avy hatrany ilay lahatsoratra vao nisy didy savaranonando navoakan'ny fitsarana.

Tamin’ny Oktobra, nanangana hetsi-panentanana fanangonam-bola [5]i Evangelista entina anangonana 7650 reais andoavana ny onitra asaina efainy sy ireo vola ilaina amin’ny fitsarana. Nanomboka teo dia nahangona mihoatra ny 8000 reais ilay hetsi-panentanana.

Natsangana tamin'ny 2014 ilay pejy Legado da Copa mba hanesoana ny lovan’ny Amboara Eran-tany tany Brezila tamin’io taona io, ary lasa takelaka fanaovana hatsikana izay mamoaka lahatsoratra mahatsikaiky amin'ny ankapobeny. Namolavola kolontsaina iray manokana ireo mpanaraka ity pejy ity, izay mampiseho fa isaky ny lahatsoratra mivoaka, na inona na inona ny resaka ao, dia hilaza zavatra mifandray amin’ny faharesen’i Brezila 7-1 tamin’i Alemaina foana ireo mpaneho hevitra, ary ifaninanan-dry zareo ny fitadiavana rohy tsara indrindra eo amin’ilay resaka sy ilay faharesena nateraky ny vintan-dratsy.

Russomano, izay mpanolotra fandaharana amin’ny fahitalavitra teo aloha, dia voafidy ho ao amin’ny Antenimieram-pirenen'i Brezila tamin’ny 2014 niaraka tamin’ny PRB an'i Brezila, antoko iray mifandray mivantana amin’ny Fiangonana Manerantany, izay fiangonana evanjelika lehibe indrindra any Brezila nahazo hery tsikelikely tanatin'ireo andrim-panjakana ao an-toerana, ka mampatahotra mpanao fihetsiketsehana tsy ara-pinoana maro. Milaza ny mpisolovavany [2] fa efa nametraka fitoriana 30 mahery taminà vohikala sy pejy izy nandritra ny fampielezankevitra ho fidiana ben’ny tanàna tamin'ny 2016. Tamin'ny farany, nahazo 13% tamin'ny vato i Russomano ary resin’i João Dória, mpilatsaka ho fidiana avy amin'ny PSDB.