- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Ny Fankalazàna Eran-tany Ny Andro Iraisampirenena ho an'ny Fanamarinam-baovao: #FactCheckIt!

Sokajy: Afrika Mainty, Amerika Avaratra, Amerika Latina, Eoropa Afovoany & Atsinanana, Eoropa Andrefana, Afrika Atsimo, Brezila, Espaina, Etazonia, Italia, Kenyà, Fahalalahàna miteny, Fanabeazana, Hafanàm-po nomerika, Hevitra, Mediam-bahoaka, Vaovao Mafana, Vaovao Tsara
[1]

Sary an'i Gianluca Costantini [2] ho an'ny Andro Iraisampirenena Ho An'ny Fanamarinam-baovao, fampiasàna nahazoan-dàlana. Raha hijery bebe kokoa, tsidio ny bit.ly/factcheckit [1].

Raha toa ka mankalaza ny vazivazy sy ny lainga masina ny 1 Aprily, dia lasa andro fandinihana sy fanamarinam-baovao kosa ny 2 Aprily. Tahaka ny tamin'ity taona ity, nampahafantatra ny andro fialàny sasatra ireo mpikatsaka ny marina manerana ny tany — dia ny Andro Iraisampirenena ho an'ny Fanamarinam-baovao izany.

Mety avy amin'ny Saturnalia [3] Romàna no niavian'ny fankalazana ny Andron'ny Lainga [4], Fetibe iray izay hifamadihan'ny saranga sosialy, ary hanekena ireo asa voarara andavanandro tahaka ny loka. Roa arivo taona aty aoriana, mbola miendrika Fetibe firavoravoana sy fiovàn'ny fitondran-tena fenitra izany, mamela ny fanaovana ireo sangy ratsy sy lainga masina.

Ampiroboroboan'ny Tambanjotra Iraisampirenena Fanamarinam-baovao natsangan'ny Ivontoerana Poynter tanatin'ny fiaraha-miasa tamin'ireo fikambanana ampolony maneran-tany mpanamarina vaovao [5] ny Andro Iraisampirenena ho an'ny Fanamarinam-baovao [6]. Tsy hetsika tokana ny Andro Iraisampirenena ho an'ny Fanamarinam-baovao, fa hetsika maro samihafa natao mba hanairana ny vahoaka momba ny lanjan'ireo vaovao — sy ny fanamarinana azy ireo — anatin'ny pôlitika, ny fanaovangazety, ary koa ny fiainana andavanandro.

Toy izao ny bitsik'i Bill Adair, Mpampianatra ny Fanaovangazety sy ny Pôlitikam-bahoaka any amin'ny Anjerimanontolo Duke, sady mpamorona ny PolitiFact:

Folo taona lasa izay, mbola vitsivitsy ireo vohikala fanamarinam-baovao; ankehitriny, mankalaza ny Andro Iraisampirenena ho an'ny Fanamarinam-baovao ireo vohikala 115 maneran-tany. Andro iray lehibe!

Mampiasa ny tenifototra #FactCheckIt [8] ny olona mankalaza ny Andro Iraisampirenena ho an'ny Fanamarinam-baovao mba hampiroboroboana ireo fihetsiketsehana izay miainga avy amin'ireo hetsika ho an'ny daholobe sy ireo atrikasa ka mankany amin'ny hazakazakà vaovao tsy marina tarihan'ny PolitiFact [9].

Mankalaza ny andro iraisampirenena ho an'ny fanamarinam-baovao izahay. Anio alina dia hamarininay ny momba ireo mpanao pôlitika avy any ivelany.

Nampiasa ny pejiny ao amin'ny Twitter hiraketany sy hampahafantarany ny momba ireo hetsika maro eran-izao tontolo izao manodidina ity andro ity i Alexios‏ Mantzarlis, talen'ilay Tambajotra Iraisampirenena Fanamarinam-baovao:

Ao Braamfontein, nasain'ny @AfricaCheck [13] “nifidy tamin'ny alàlan'ny tongony” ireo mpianatra mba hahafantarana raha diso na tsia ny vaovao iray

Ao Rio, milaza ireo mpianatra momba ny Fanaovangazety nanatrika ny atrikasan'ny @agencialupa [18] fa tokony hampidirina anaty fandaharam-pianarana ny fanamarinam-baovao

Ao Milan, mihazona atrikasa efatra mifanesy momba ny fanamarinam-baovao miaraka amin'ireo mpianatry ny sekoly ambaratonga faharoa ny @factcheckers_it [22]

Ao Nairobi, nanatontosa zaikabe ahitàna ireo paika momba ny fangatahana fanamarinam-baovao mikasika ny fitantanambolam-panjakana ny @PesaCheck [25]

Nanomana fandaharam-pianarana maimaimpoana [29], izay efa nadika tamin'ny teny 12 sy maro hafa mbola ho avy, ireo mpikambana ao amin'ny tambajotra fanamarinam-baovao, izay mahatsapa ny filàna maika hampiditra ny fampianarana mikasika ny media ary indrindrindrindra ny fanamarinam-baovao.

Ampahafantaro ny mpianatrao ireo fahalalàna fototra mikasika ny fanamarinam-baovao, ary ampio izy ireo hamakivaky ranomasimben'ny vaovao, tsaho, fanambakàna sy lainga, amin'ny alàlan'ny fandaharam-pianarana. Novolavolain'ireo mpanamarim-baovao io fandaharam-pianarana io ary neken'ireo mpamolavola fampianarana. Natao ho anà mpianatra 14-16 taona ilay izy saingy afaka ampiasaina amin'ireo mpianatra anatin'ny sokajin-taona hafa ihany koa.