Ny Fankalazàna Eran-tany Ny Andro Iraisampirenena ho an'ny Fanamarinam-baovao: #FactCheckIt!

Sary an'i Gianluca Costantini ho an'ny Andro Iraisampirenena Ho An'ny Fanamarinam-baovao, fampiasàna nahazoan-dàlana. Raha hijery bebe kokoa, tsidio ny bit.ly/factcheckit.

Raha toa ka mankalaza ny vazivazy sy ny lainga masina ny 1 Aprily, dia lasa andro fandinihana sy fanamarinam-baovao kosa ny 2 Aprily. Tahaka ny tamin'ity taona ity, nampahafantatra ny andro fialàny sasatra ireo mpikatsaka ny marina manerana ny tany — dia ny Andro Iraisampirenena ho an'ny Fanamarinam-baovao izany.

Mety avy amin'ny Saturnalia Romàna no niavian'ny fankalazana ny Andron'ny Lainga, Fetibe iray izay hifamadihan'ny saranga sosialy, ary hanekena ireo asa voarara andavanandro tahaka ny loka. Roa arivo taona aty aoriana, mbola miendrika Fetibe firavoravoana sy fiovàn'ny fitondran-tena fenitra izany, mamela ny fanaovana ireo sangy ratsy sy lainga masina.

Ampiroboroboan'ny Tambanjotra Iraisampirenena Fanamarinam-baovao natsangan'ny Ivontoerana Poynter tanatin'ny fiaraha-miasa tamin'ireo fikambanana ampolony maneran-tany mpanamarina vaovao ny Andro Iraisampirenena ho an'ny Fanamarinam-baovao. Tsy hetsika tokana ny Andro Iraisampirenena ho an'ny Fanamarinam-baovao, fa hetsika maro samihafa natao mba hanairana ny vahoaka momba ny lanjan'ireo vaovao — sy ny fanamarinana azy ireo — anatin'ny pôlitika, ny fanaovangazety, ary koa ny fiainana andavanandro.

Toy izao ny bitsik'i Bill Adair, Mpampianatra ny Fanaovangazety sy ny Pôlitikam-bahoaka any amin'ny Anjerimanontolo Duke, sady mpamorona ny PolitiFact:

Folo taona lasa izay, mbola vitsivitsy ireo vohikala fanamarinam-baovao; ankehitriny, mankalaza ny Andro Iraisampirenena ho an'ny Fanamarinam-baovao ireo vohikala 115 maneran-tany. Andro iray lehibe!

Mampiasa ny tenifototra #FactCheckIt ny olona mankalaza ny Andro Iraisampirenena ho an'ny Fanamarinam-baovao mba hampiroboroboana ireo fihetsiketsehana izay miainga avy amin'ireo hetsika ho an'ny daholobe sy ireo atrikasa ka mankany amin'ny hazakazakà vaovao tsy marina tarihan'ny PolitiFact.

Mankalaza ny andro iraisampirenena ho an'ny fanamarinam-baovao izahay. Anio alina dia hamarininay ny momba ireo mpanao pôlitika avy any ivelany.

Nampiasa ny pejiny ao amin'ny Twitter hiraketany sy hampahafantarany ny momba ireo hetsika maro eran-izao tontolo izao manodidina ity andro ity i Alexios‏ Mantzarlis, talen'ilay Tambajotra Iraisampirenena Fanamarinam-baovao:

Ao Braamfontein, nasain'ny @AfricaCheck “nifidy tamin'ny alàlan'ny tongony” ireo mpianatra mba hahafantarana raha diso na tsia ny vaovao iray

Ao Rio, milaza ireo mpianatra momba ny Fanaovangazety nanatrika ny atrikasan'ny @agencialupa fa tokony hampidirina anaty fandaharam-pianarana ny fanamarinam-baovao

Ao Milan, mihazona atrikasa efatra mifanesy momba ny fanamarinam-baovao miaraka amin'ireo mpianatry ny sekoly ambaratonga faharoa ny @factcheckers_it

Ao Nairobi, nanatontosa zaikabe ahitàna ireo paika momba ny fangatahana fanamarinam-baovao mikasika ny fitantanambolam-panjakana ny @PesaCheck

Nanomana fandaharam-pianarana maimaimpoana, izay efa nadika tamin'ny teny 12 sy maro hafa mbola ho avy, ireo mpikambana ao amin'ny tambajotra fanamarinam-baovao, izay mahatsapa ny filàna maika hampiditra ny fampianarana mikasika ny media ary indrindrindrindra ny fanamarinam-baovao.

Ampahafantaro ny mpianatrao ireo fahalalàna fototra mikasika ny fanamarinam-baovao, ary ampio izy ireo hamakivaky ranomasimben'ny vaovao, tsaho, fanambakàna sy lainga, amin'ny alàlan'ny fandaharam-pianarana. Novolavolain'ireo mpanamarim-baovao io fandaharam-pianarana io ary neken'ireo mpamolavola fampianarana. Natao ho anà mpianatra 14-16 taona ilay izy saingy afaka ampiasaina amin'ireo mpianatra anatin'ny sokajin-taona hafa ihany koa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.