Arahaba Nahatratra ny Fetin'ny Lainga, Hoy ny Masoivoho Rosiana

Pikantsary tao amin'ny YouTube.

Fetin'ny Lainga omaly—”Andro Fanalana Azy”, ho an'ny tontolo mpiteny Rosiana—ary nanararaotra iny andro iny ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny Rosiana (MFA) mba hanomezana fahafaham-po amin'ny alàlan'ny fanesoana jeopolitika, tamin'ny famazivaziana ny malaza ho fitsabahan'i Rosia tamin'ny fifidianana filoham-pirenena Amerikana taona 2016.

Namoaka lahatsary vazivazy iray tao amin'ny fandraketana ny famelan-kafatry ny Masoivoho Rosiana tao amin'ny pejiny Facebook tamin'ny marainan'ny voalohany avrily ny MFA ary nahitana soratra hoe: ” Namolavola fandraketam-peo famelan-kafatra feno ho an'ny iraka diplomatika Rosiana rehetra any ivelany ny Minisiteran'ny Raharaham-bahiny Rosiana”.

Добрый день! Вы позвонили в посольстве России. Если Вы хотите заказать звонок российского дипломата Вашем политическим конкурентам, нажмите 1. Чтобы воспользоваться услугами русских хакеров, нажмите 2. По вопросам вмешательства в выборы, нажмите 3 и ждите начала избирательной кампании. В целях повышения качества услуг все разговоры записываются.

“Miarahaba! Tonga eto amin'ny Masoivoho Rosiana ianao. Tena zava-dehibe ho anay ny antsonao. Raha te-hahazo antso ifanaovan'ny diplaomaty Rosiana amin'ny fahavalonao ara-politika, dia tsindrio ny 1. Raha hampiasa ny tolotry ny mpisovoka Rosiana, tsindrio ny 2. Raha hangataka ny fitsabahana amin'ny fifidianana , tsindrio ny 3 ary miandrasa mandra-pahatongan'ny fampielezan-kevitry ny fifidianana manaraka. Mariho tsara fa hanaovana fanaraha-maso ny antso rehetra ho fanatsarana ny kalitaon'ny tolotra  .”

Henoy eto izany (hanomboka amin'ny 0:29 ora ny famelan-kafatra amin'ny teny anglisy) :

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.