Google Ve No Tena Mahazo Tombony Amin'ny Fifanarahany Amin'ny Kiobà?

Nanao sonia fifanarahana i Google sy ny orinasam-panjakana misahana ny Fifandraisandavitra Kiobàna ETECSA , kanefa tsy araka izay voalazan'ny fampitam-baovao isan-karazany tao amin'ny lohatenim-baovao izany fa hoe hihatsara fotsiny ny fidirana amin'ny vokatry Google fa tsy ho an'ny Aterineto amin'ny ankapobeny.

Tao amin'ny fanambaran'ny ETECSA,  “… ahafahan'ireo mpisera ao Kiobà mampihena ny faharetan'ny fotoana lany amin'ny fidirana amin'ny votoatin'ny Google ao amin'ny Aterineto amin'ny alalan'ny fanomezana hafainganam-pandeha ambony kokoa sy tolotra tsara kalitao kokoa ary ny fanatsarana ny tanjaky ny tambajotran'ny ETECSA eo amin'ny sehatra iraisampirenena” ny fifanarahana.

Nampahafantatra antsika ny filazana an-gazety sy ny fanambarana ampahibemaso nataon'i Mayra Arevich, Filoha mpanatanteraky ny orinasam-pifandraisandavitra Kiobana fa hanamora ny fidirana amin'ny Google Global Cache ny fifanarahana voasonia tamin'ny Desambra 2016 tao La Havane. Ity no ampahany amin'ny fotodrafitrasan'ny Google mifantoka amin'ny fanatsarana ny faharetan'ny fangatahana ny tolotra.

Teknika ampiasain'ny mpamatsy votoaty sy ny tolotra fidirana amin'ny Aterineto ny ‘cache’ mba hanatsarana (ohatra) ny hafainganam-pandehan'ny fidirana amin'ny votoatiny. Ao Kiobà,  tombanana hahatratra 20% izany fanatsarana izany, kanefa ny tolotra ao amin'ny Google ihany no ho voakasika amin'izany fa tsy ny fidirana amin'ny Aterineto amin'ny ankapobeny akory.

Google y el gobierno cubano han firmado un acuerdo. La imagen es una captura de pantalla.

Nanao sonia fifanarahana i Google sy ny governemanta kiobàna. sary avy amin'ny pikantsary.

Tsy hisy vokany eo amin'ny fandrakofana, ny kalitao sy ny vidin'ny fifandraisana amin'ny Aterineto ao Kiobà ity fifanarahana ity fa hanatsarana ny hafainganam-pandehan'ny fidirana amin'ny vokatry Google fotsiny ihany amin'ny alàlan'ny fametrahana ny lohamilina manana ny votoaty dika mitovy be mpangataka indrindra ao amin'ny nosy. Ankehitriny, mifandray amin'ny alalan'ny fidirana ao an-toerana amin'ny Wifi napetraka eny amin'ny toerana ho an'ny besinimaro miisa dimy amby telopolo ireo mpisera ao Kiobà, ary mandoa tokony ho roa euro isan'ora, miaraka amin'ny fifandraisana hatramin'ny 1 Mbps (1 megabit isan-tsegondra). Tokony ho roa-polo euro isambolana ny karamam-panjakana iray ao Kiobà .

Miantehitra amin'ny foiben'ny lahatahiry miisa dimy ambinifolo hita ao Amerika, Eoropa sy Azia i Google. Ankoatra izany, naparitaka any amin'ny foiben'ny lahatahiry izay tsy azy ny lohamilina cache. Mampiseho ny toerana fizarana ireo lohamilina ara-jeografia ny sarintany etsy ambany :

mapa-google-cache

Fizarana ny lohamilina cache ao amin'ny Google.

Mihevitra i Pablo Mestre, mpikambana iray ao amin'ny Vondrona mpiseran'ny teknolojia malalaka ao Kiobà fa tsy misy fiantraikany amin'ny Kiobàna mivantana ny fifanarahana ary nanazava izy fa:

Estos servidores están pensados para dar un acceso más rápido a los servicios de Google, pero primero debemos solucionar los problemas y limitaciones de la ultima milla para que este cambio realmente se note.

Natao mba hanomezana ny fidirana haingana kokoa ao amin'ny tolotry Google ireo lohamilina ireo, saingy tsy maintsy mamaha ny olana sy ny fetran'ny vonam-pifandraisana eto an-toerana aloha isika vao ho tsikaritra ity fiovana ity .

Nampiseho ihany koa i Mestre fa tsy maintsy omen'ny ETECSA ny fifandraisana, kanefa tsy mihevitra izy amin'izao fotoana izao fa afaka manana ny foiben-dahatahiriny manokana i Google. Nohamafisin'ny politika Kiobàna  noho izany fa andraikitry ny ETECSA manokana ny fahatomombanan'ny zotra sy ny fifandraisana rehetra.

Nanampy izany i Jorge Luis Batista, mpiara-mikarakara ny Fivoriambe iraisampirenena momba ny rindrambaiko malalaka tao La Havane, nandritra ny antsafa fa misy ireo lafiny hafa tokony hodinihina mba hahatonga ny fanovana ho tsapan'ireo Kiobàna amin'ny fametrahan'ny Google lohamilina ao Kiobà. Voalohany indrindra aloha:

Tenemos que ser usuarios de Google, masivamente digo, y después habría que ver porque el límite de la velocidad de acceso lo pone el componente más lento. Pienso que los que tienen una conexión muy restringida, los que se conectan a través de una línea conmutada o los que tienen límite de ancho de banda como es mi caso, o los que comparten una sola conexión entre muchos van a seguir teniendo de su lado el cuello de botella y por tanto la causa de la demora en el acceso a los contenidos.

Tsy maintsy mpisera ao amin'ny Google isika (amin'ny maro an'isa, hoy aho) ary avy eo dia mila mijery ny fetran'ny hafainganam-pandeha amin'ny fidirana mahatonga azy ho miadana kokoa. Mino aho fa ireo manana fahafahana miditra voafetra, ireo mifandray amin'ny alalan'ny fifandraisana miovaova, na manana fifandraisana ambany voafetra tahaka ny ahy, na ireo mifampizara fifandraisana tokana ampiasain'ny maro dia mbola ho voafetran'ny hafainganam-pandeha ihany ary mbola hijaly hatrany amin'ny fidirana miadana amin'ny votoaty noho izany.

Nampahafantatra ny Vaomieran'ny Toekarena sy ny varotra any Etazonia sy Kiobà fa i Google no handoa ny vola lany amin'ny fifanarahana .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.