Raha Te-hahafantatra Ny Toetoetry Ny Teknolojia Ao Kiobà, Dia Aza Variana Amin'ny Lohateny Fotsiny

Vehivavy mivorivory miaraka amin'ny finday ao amin'ny toerana misy wifi. Playa, Havana. Sary: Ellery Biddle.

“Nampidin'i Kiobà ny saran'ny aterineto”

“Nanasonia fifanarahana niaraka tamin'ny Google hahazoana aterineto haingam-pisosa kokoa i Kiobà”

“Hiditra amin'ny revolisionan'aterineto ve i Kiobà?”

Ireo lohatenim-baovao vao haingana tao amin'ny AFP, Al Jazeera sy BBC, dia samy namariparitra ny endrim-piarahamonina izay niditra ihany teo amin'ny sehatra aterineto manerantany, taorian'ny enimpolo taona mahery nisian'ny didy jadona sy roapolo taonan'ny “fitokana-monina nomerika”. Saingy ny lahatsoratra manaraka rehetra navoakan'ireo fikambanam-baovao nomerika malaza dia manome endrika somary ratsy sy milaza ny zava-misy marina ao amin'ny firenena fa miadana ny fidirana amin'ny aterineto, ratsy ny kalitaon'ny fifandraisana aterineto ary midangana ny saran'ny fidirana amin'ny aterineto.

Ohatra hafa vao haingana ny lahatsoratra avy amin'ny Associated Press izay nitondra ny lohateny hoe “Mandroso ny fidirana amin'ny aterineto ao Kiobà, satria mitombo ny fifandraisana amin'i Etazonia”. Ny lahatsoratra tamin'ny teny Espaniola, navoaka io andro io ihany dia nanome famaritana hafa sy mazava kokoa tamin'ny lohateny hoe : “Manana fomba tsy manam-pahazoa hidirana an-tserasera i Kiobà”.

Pikantsary ny lahatsoratra tamin'ny teny Anglisy sy Espaniola avy amin'i Andrea Rodriguez. “Ny lohateny amin'ny tey Espaniola dia mampiseho mazava ny tena lohahevitra; zavatra hafa tanteraka kosa ny tamin'ny teny Anglisy.”

Nosoratan’ i Andrea Rodriguez avy ao amin'ny Associated Press, teratany Arzantina sy efa efa niasa tao amin'ny biraon'ny AP Havana nandritra ny folo taona mahery, ahitana famaritana nanaovana fikarohana lalina ny lahatsoratra, anisan'izany ireo andian-tantara amin'ny antsipirihany momba ireo fomba isan-karazany hidiran'ny Kiobàna amin'ny aterineto na ny fampiasana teknolojia amin'ny asa, fanabeazana sy fifandraisana amin'ny namana sy ny fianakaviana. Milaza momba ny fandaharana vaovao ny fanjakana momba ny fifandraisan-davitra izay ahafahan'ny Kiobàna manana aterineto any an-trano amin'ny sarany 15 na 115 dolara isam-bolana, hahazoana 30 ora aterineto ihany koa ny lahatsoratra.

Mitovy tanteraka ny adinin-tsoratry ny lahatsoratra amin'ny teny Anglisy sy Espaniola, izay fandikan-teny mivantana. Saingy raha mampahafantatra mazava ny tena lohahevitra ny lohateny amin'ny teny Espaniola, ny amin'ny teny Anglisy kosa toa zavatra hafa mihitsy, azo inoana fa mampiseho ny asan'ny tonian-dahatsoratra amin'ny tranonkala izay ny fisarihana mpamaky no ahiahy voalohany indrindra. Angamba mila manitikitika saina kely ny lohateny raha te hahazo mpamaky amin'ny teny Anglisy izy ireo – ny lazaina fa firoboroboan'ny fampiasana aterineto dia azo antoka fa hisarika ireo Amerikana liana momba an'i Kiobà.

Ary amin ‘ny lohatenim-baovao hafa vao haingana momba ny teknolojia ao Kiobà, ny lohateny amin'ny teny Anglisy avy amin'ny lahatsoratry ny AP dia manohana ny hevitra fa mety hanampy hitarika ny “revolisionan'ny aterineto” ao amin'ny nosy ny fifandraisana nohavaozina eo amin'i Etazonia sy Kiobà.

Hatramin'ny nisian'ny fifanatonana teo amin'i Etazonia sy Kiobà tamin'ny Desambra 2014, miha liana hatrany ny fampahalalam-baovao Amerikana mikasika ny andraikitra sy ny fampiasana ny teknolojia ao amin'ny firenena izay mbola tsy dia fantatry ny ankamaroan'ny Amerikana. Ny orinasa ao Silicon Valley, tahaka ny Google, AirBnB sy Netflix, dia niaina fandrosoam-pifandraisana mahavariana avy amin'ny tantara milaza hoe “azo idirana ao Kiobà ankehitriny ny tolotray.” Mampitolagaga ny fandrakofam-baovao Amerikàna sasany mikasika ireo fandrosoana ireo, saingy tsy misy fiantraikany. Ary mamitaka tsotra izao kosa ny sasany amin'izany.

“Nanasonia fifanarahana hisian'ny aterineto haingam-pandeha ao Kiobà ny Google”

Tamin'ny faran'ny taona 2016, raha nanomboka nanolotra “caching” ho an'ny tranonkala Google ao Kiobà ny Google – tolotra mahazatra manerantany ho an’ ireo mpiserasera mba hidirana amin'ny tranonkala Google toy ny Gmail sy YouTube – haino aman-jery lehibe maromaro no nampiseho ny tantaran'ny Reuters miaraka amin'ny lohateny lehibe mirehareha fa hanatsara ny fidirana amin'ny aterineto amin'ny ankapobeny ny fifanarahana amin'ny Google, anisan'izany ny eo ambony avy amin'ny Al Jazeera. (Araka ny Reuters, dia nifantoka tamin'ny fifanarahana ny lohatenin'izy ireo tany am-boalohany, ary tsy niresaka momba ny “aterineto tsara kokoa.”)

Tazana ao ivelan'ny tranon'i Kcho sy ny sehatra ara-javakanto, Museo Organico Romerillo. Mipoitra eo akaikin'ny anaran'i Kcho ankehitriny ny fangon'ny Google. Sary: Ellery Biddle.

Raha niara-niasa tamin'ny mpanakanton'i La Havane sy ilay tsy mivadika amin'ny Antoko Komonista Kiobàna, Kcho ny Google mba hanome fahafahana vaovao hiditra ao amin'ny sehatry ny mpanakanto ao amin'ny manodidina an'i Havana, nandoka ny orinasa ny haino aman-jery manerantany amin'ny lohateny lehibe toy ny hoe “ “Nanampy nanome aterineto haingam-pandeha ao Kiobà ny Google” sy ny hoe “Nanokatra toerana ho an'ny teknolojia avo lenta ao Kiobà ny Google”.

Tamin'ny zavatra hitako, sy ny nolazain’ ireo mpiasa isan-karazany tao amin'i Kcho tamiko tamin'izaho nitsidika ny toerana tamin'ny herintaona,  hita fa nanome azy ireo Chrome books Acer miisa 20, finday raitra Google 20 sy fitaovana hafa ny Google, anisan'izany ny saina kely malaza maromaro “Google + Kcho” izay mandravaka ny lalana ao ivelan'ny sehatry ny zavakanto. Efa nisy nandritra ny taona maro ny sehatra ary efa nosokafan'i Kcho ho an'ny besinimaro ny fifandraisana WIFI, noho ny faneken'ny fanjakana tamin'ny taona 2015. Tsy dia tena haingana araka ny tatitra (efa nahitsy) momba ny 70 megabytes isan-tsegondra rehefa mitroka votoaty kosa ny fifandraisana.

“Ahoana ny nanampian'ny Netfix ny Kiobàna”

Amin'ny traikefako manokana nanoratra ireo lohahevitra ireo, niady tamin'ireo tonian-dahatsoratra avy amin'ny sampam-baovao malaza isan-karazany sy ny fikambanana politika izay toa tapa-kevitra hanasongadina ny tantara momba an'i Etazonia “mamonjy” an'i Kiobà amin'ny teknolojia aho, na dia tsy manohana ity hevitra ity mihitsy aza ny tantara nosoratako.

Raha nanoratra momba ny esoeso tamin'ny fampahafantaran'ny Netflix ny tolotra tao amin'ny firenena manana fifandraisana aterineto tapatapaka sy olona tsy manana karatra fahana aza izaho sy Elaine Diaz, faly izahay mahita ny tantara navoakan'ny fampahalalam-baovao Amerikana, mifanaraka amin'ny zon'ny mpamorona Creative Commons an'ny Global Voices, izay ahafahana manova ny lohateny. Saingy raha nahita ny lahatsoratra navoaka indray tamin'ny lohateny tahaka ny hoe “Hanampy ny Kiobàna ve ny fanapaha-kevitry ny Netflix,” izahay, dia nahita fa tsy mifanaraka mihitsy amin'ilay dradradradraina hoe  “Revolisionan'Aterineto Kiobàna” ny tena zavamisy.

Maneho ny tantara malaza hatry ny ela izany sy ny tati-baovao Amerikana momba ny fiovana vao haingana teo amin'ny fifandraisan'i Etazonia sy i Kiobà, tantara izay mihevitra ny tenany tahaka ny mpiaro na ray aman-dreny mpanjanaka ny fanjakana Kiobana andalam-pandrosoana i Etazonia. Ary tahaka ireo firenena andalam-pandrosoana kokoa noho ny anay, mieritreritra ny governemantanay- sy ny orinasa teknolojianay fa miasa manavotra hamonjy ny olona ao amin'ny firenena, mampahery ny marefo amin'ny alalan'ny vokatra fanalalahana (indraindray) ny fanavaozana ny teknolojia amina miliara dolara maromaro.

Noho ny fahatezerana iombonana momba ny vaovao tsy marina amin'ny fampitam-baovao, ireo lohateny ireo dia maneho olana madinika kanefa zava-dehibe, izay mitranga rehefa miezaka manoratra ny vaovaonay mba hahazoana mpamaky izahay. Rehefa manambatra ny fikasanay hisarika mpamaky bebe kokoa izahay miaraka amin'ny fitsarana an-tendrony raiki-tapisaka momba an'i Etazonia, lazaina fa mpiaro izay mbola heverin'ny Amerikana maro fa nosy komonista sisa tavela, miditra amin'ny lalana miha-mamitaka kokoa isika, tantara zara raha natao fikarohana momba ny toerana izay mora fantatra kokoa sy mifandray lalina amin'i Etazonia, amin'ny kolontsaina, tantara ara-tsaina, sy ny maro hafa.

Amin'ny fotoana izay mampifandray kokoa ny olombelona tsy tahaka ny teo aloha- anisan'izany ny Kiobàna – afaka ary tokony hiezaka hanao tsara kokoa ho an'ny mpamakiny ireo ny tonian-dahatsoratra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.