- Global Voices teny Malagasy - https://mg.globalvoices.org -

Famonoana Mpitati-baovao tao Meksika Miteraka Fahatafintohinana Manoloana ny Herisetra Atao Amin'ny Mpanangom-Baovao

Sokajy: Amerika Latina, Meksika, Fahalalahàna miteny, Media sy Fanoratan-gazety, Mediam-bahoaka, Vehivavy sy Miralenta
Miroslava Breach Velducea 1962-2017. Foto tomada del perfil público de Twitter de La Jornada.

Miroslava Breach Velducea 1962-2017. Sary nalaina tao amin'ny public Twitter profile [1]an'ny La Jornada ary nozaraina manerana ny fampahalalam-baovaoa media sosialy.

Vaovao ratsy avy any Meksika, avy ao amin'ny sisintany avaratry ny firenena, ao Chihuahua [2] indray tamin'ity indray mitoraka ity.

Tany am-piandohan'ity herinandro ity, novonoin'olona tsy fantatra tao ivelan'ny tranony i Miroslava Breach, mpanao gazety niasa tamin'ny fampahalalam-baovao isan-karazany, anisan'izany ny gazety La Jornada [3] sy ny  Norte [4] tranonkala iray ao an-toerana.

Nitranga tamin'ny maraina ny herisetra, araka ny tatitra avy amin'ny gazety nasionaly El Universal [5] sy Excélsior [6]. Raha ny fantatra, nisy lehilahy nanatona an'i Miroslava ary nitifitra azy tamin'ny basy im-balo teo amin'ny lohany.

Tao amin'ny takelakany ao amin'ny gazety Milenio, Ricardo Aleman nanoratra [7] hoe:

Miroslava Breach fue asesinada por ejercer su profesión, el periodismo de investigación, crítico e independiente. (…) Dicho de otro modo, mataron a Miroslava por hablar, por hacer pública la información que reclama la sociedad y molesta al poder, en cualquiera de sus formas.

Nisy namono i Miroslava Breach noho ny asany amin'ny maha mpanangom-baovao fanadihadiana mahaleotena sy mpitsikera azy (…) Na koa, novonoin'izy ireo i Miroslava noho ny fitenenana, noho ny fandraisana ny vaovaom-bahoaka takian'ny fiarahamonina ary nampahatezitra ireo eo amin'ny fahefana, amin'ny endriny rehetra, izany.

Nitranga taorian'ny fahafatesan’ ireo mpanao gazety roa hafa tamin'ity volana ity ny famonoana an'i Miroslava, araka ny tatitra avy amin'ny gazety Espaniola El País [8]:

El asesinato se ha producido cuatro días después del ataque contra Ricardo Monlui, otro periodista que murió a tiros en el Estado de Veracruz el pasado 19 de marzo. Cecilio Pineda, un periodista del sureño Estado de Guerrero, fue ejecutado el pasado 2 de marzo. Suman ya 30 periodistas asesinados durante el mandato de Enrique Peña Nieto, ha informado la organización Artículo 19.

Nitranga efatra andro taorian'ny fanafihana an'i Ricardo Monlui, mpanao gazety iray hafa maty voatifitra tao amin'ny fanjakan'i Veracruz tamin'ny 19 Martsa ny famonoana an'i Miroslava. Cecilio Pineda, mpanao gazety avy ao amin'ny faritra atsimon'ny fanjakan'i Guerrero, kosa novonoina ho faty tamin'ny 2 Martsa. Mpanao gazety hafa 30 no namoy ny ainy nandritra ny fe-potoam-piasan'i Enrique Peña Nieto, araka ny voalazan'ny fikambanana Article 19.

Tao amin'ny Twitter, nizara ity hafatra manaraka ity ny Article 19:

Nanameloka ny mpamono an'ity mpanao gazety ity ihany koa i Epifanio Diaz:

Meksika dia firenena mampidi-doza indrindra ho an'ny mpanao gazety ao Amerika Latina [16] ary firenena fahatelo mampidi-doza indrindra manerantany amin'ny ankapobeny, [17]izay manana tahan'ny herisetra mitovy amin'i Syria sy Iraka, araka ny voalazan'ny Tondro Famonoan'Olona Manerantany taona 2016 [18].

Tsy mampino ny isa 95% n'ny heloka tsy voasazy ao Meksika, araka ny tarehimarika vao haingana indrindra [19] navoakan'ny Ivon-toerana Meksikana misahana ny Fifaninanana. [20]

Toa niresaka nanohana ny fahalalahan'ny gazety ny filoha Enrique Peña taloha:

Tamin'ny Oktobra 2016 ohatra, nilaza izy hoe [21]:

Una nación democrática como lo es México, no puede explicarse sin medios de comunicación que ejerzan a plenitud esa libertad (de expresión). Por eso el gobierno de la República defiende la pluralidad de ideas como una conquista democrática y un derecho irrenunciable de los mexicanos.

Ny firenena demaokratika tahaka an'i Meksika dia tsy afaka manazava raha tsy misy ny fomba fifandraisana mampihatra feno izany fahalalahana (miteny) izany. Izany no mahatonga ny governemanta ao amin'ny Repoblika miaro ny fahamaroan'ny hevitra toy ny fandresena demaokratika sy zo tsy azo esorina ho an'ny Meksikana.

Saingy teny ihany izany ary zava-misy hatry ny ela teo amin'ny fiainan'i Meksika ny tsy fanasaziana ireo mpiherisetra amin'ny mpiasan'ny haino aman-jery manontolo. Ankehitriny, avoaka ao amin'ny media sosialy amin'ny alalan'ny tenirohy  #ImpunidadMata [22] sy #YaBastaDeBalas [23] (#Mamono ny Tsy Fanasaziana, #Ampy izay Bala izay) ireo fahasorenana ireo.